SARIPIKA: Drone Maka Sary Ny Hakanton'i Thailand

Giant Buddha at Wat Muang in Ang Thon

Buddha Goavana ao amin'ny Wat Muang any Ang Thon

Loharanom-baovao itokian'ny mpanao gazety sy mpizaha tany momba ny toe-draharaha any Thailand i Richard Barrow, bilaogera sady efa nonina maharitra tao an-toerana. Ankoatra izany, tsy nitsahatra ny mampiely ny haren-kolontsaina nentin-drazana sy ny hakanton'i Thailand izy. Manasongadina ny sary avy eny an-habakabaka izay nopihan'i Richard tamin'ny fampiasana Quadcopter Drone ny bilaoginy vaovao, Thailand from Above.

Richard mizara ny zavatra hitany tamin'ny fampisidinana drone iray raha nampiasa finday avo lenta (smartphone):

I don’t have any experience of flying any other drones so I cannot do any comparisons for you. But, I will tell you a few things that I found cool. Firstly, it is very easy to fly the drone and then take your hands off the controls to concentrate on the smartphone. In theory it will just hover in the same place. But a gust of wind might blow it away so do keep one eye on it. The next coolest thing is that the pictures from the camera on the drone are streamed live to your smartphone.

Tsy mbola manana traikefa amin'ny fampisidinana drones hafa aho ka tsy afa-manao fampitahana ho anao. Saingy hilaza zavatra vitsy hitako fa mahafinaritra aminareo aho. Voalohany, mora dia mora ny mampisidina “drone” sy manala ny tananao hiala amin'ny fanamoriana azy mba hifantohanao amin'ny finday avo lenta. Ara-teoria moa dia mihevaheva amin'ny toerana fotsiny io. Fa tsio-drivotra mahery indray mandeha dia mety hampipatitaka azy ka topazo maso ihany aloha ny amin'izay. Ny tena mahafinaritra dia hita mivantana amin'ny finday ny sary avy amin'ny fakantsary ao amin'ny drone.

Pagoda in the river. Phra Samut Chedi in Samut Praka

Pagoda manamorona ny renirano. Phra Samut Chedi any Samut Praka

Wat Ban Rai in Dan Kun Tod, Nakhon Ratchasima

Wat Ban Rai any Dan Kun Tod, Nakhon Ratchasima

Temple of the Buddha’s Footprint. Wat Phra Phutthabat in Saraburi

Tempolin'ny Diantongotr'i Buddha. Wat Phra Phutthabat ao Saraburi

Pa Sak Jolasid Dam in Lopuri is the biggest reservoir in Central Thailand.

Tohodrano Pa Sak Jolasid Dam ao Lopuri no tahirin-drano lehibe indrindra ao afovoan'i Thailand.

Mizara ireo sary amin'ny alalan'ny tambajotra sosialy amin'ny alalan'ny diezy Twitter #thaidrone i Richard

“Ny Ranomasin-Javona” ao amin'ny Phu Huan Isan ao Nong Khai. Miondrika mijery ny Reniranon'i Mekhong avy eny amin'ny 200 metatra

Drone Thai maka sary manavatsava an'i Pratunam avy eny amin'ny Tsangambaton'ny Fandresena ao Bangkok

Nampiasain'ny mpanao gazety maro ihany koa ny Drones hanaraha-maso ny fihetsiketseham-panoherana mandeha ao Bangkok, renivohitry ny firenena amin'izao fotoana izao.

Drone Thai maka sary avy eny an-habakabaka manopy maso eo amin'ny Tsangambaton'ny Fandresena ao Bangkok

*Ny sary dia avy amin'i Richard Barrow, nahazoana alalana

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.