Fampielezankevitra Politika Any Anaty Pasipaoro Panameana Vaovao?

Korontana sy menomenona avy amin'ireo mpampiasa azy no nateraky ny famoahana pasipaoro iray vaovao amin'ny endriny elektronika tao Panama. Saingy ny pitik'afo nandrehitra ny vanja dia ireo sary atsofoka ao anatin'ilay pasipaoro mba hampahafantarana ireo zavabitan'ny governemantan'i Ricardo Martinelli.

Ilay pasipaoro vaovao elektronika, nampahafantarina tamin'ny fomba manetriketrika herintaona lasa izay, dia nanomboka niasa tamin'ny fiandohan'ny 2014 rehefa nisy fanemorana im-betsaka. Misy fepetra fiarovana miisa 30 ao anatin'ilay pasipaoro, isan'izany ny maha-taratasy polycarbonate misy ‘puce’ sy rafitra biométrique azy. La Prensa [es] mitatitra hoe voatery niaritra laharana tsy hita fiafaràny ny olona, ary matory eo ivelan'ny trano fikarakarana pasipaoro mihitsy aza, mba hahazo ilay pasipaoro vaovao. Fanampin'izany, niala avy amin'ny 50 dolara ka tonga 100 dolara ny vidiny.

Carmen Bernárdez, mpandrindra ilay Sampan-draharaha manao ny pasipaoro dia nanamafy fa ny fampidirana ity antontan-taratasy fivezivezena vaovao ity [es] dia ikendrena ny hivarotana ny sarin'ilay firenena eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, ary indrindra indrindra, ny fandrosoana izay naka toerana tato anatin'ny efatra taona niaraka tamin'ny governemantan'i Martinelli.

Juan Amado manamarika hoe misy fomba mendrika kokoa hampahafantarana ny firenena, ohatra, amin'ny alàlan'ny gazetiboky avoakan'ny Copa, kaompaniam-pitaterana an'habakabaka Panameana:

Raha toa ny tetika ka hivarotana an'i Panama, asehoy ao anatin'ny gazetibokin'ny Copa ny zavabitany, izay izao tontolo izao no mahita azy. Ny hany mahita ny pasipaoro anie ka ny mpiasan'ny fadin-tseranana e!

Mivazivazy mikasika ilay sary mivoaka ao anatin'ilay pasipaoro i Lucas Castrellon momba ny “iniciative 100 ho an'ny 70”, izay manome 100 dolara isam-bolana ho an'ny olona 70 taona no mihoatra nefa tsy manana fidiram-bola :

“Jereo, aty Panama isika manana ny 100 ho an'ny 70. Tonga dia eo antampon'ilay ramatoa apetaka ny hajia”—hoy aho mantsy ilay mpiasan'ny fadin-tseranana tamin'ilay pasipaoroko vaovao

Carlos V. Ho Diéguez mizara ilay sarin'ny  “100 ho an'ny 70″ :

Tsy mino aho hoe ny pasipaoro Panameana vaovao no hanana sary tahaka io ao anatin'ny pejiny

Tsy takatr'i Alejandra Mata ny hoe ahoana, amin'ny fanànana safidy marobe, no dia ny zavabitan'ny governemanta no nofidian-dry zareo

Betsaka tantara sy toerana maro mahafinaritra eto amin'ity Panama-ko ity, nahoana no dia fenoina fakon-javatra maro tahaka izao ny pejin'ilay pasipaoro??

Tezitra i Jay Cardu mikasika izay hitany ho toy ny andianà fepetra hikendrena ny hanatsaràna endrika ny governemanta amin'izao fotoana izao : 

Io no faran-tampon'ny rehetra ho an'i Ricardo Martinelli, manonta pasipaoro feno izao hagaigena izao! Ny hany sisa tavela ho an'i Panama dia ny fanovàna ny anarany ho Repoblikan'i Martinelli

Maneho hevitra i A. Batista hoe ny hany sary tsy hita ao dia ny an'i Filoha, sady ampiany sariitatra iray mampiseho ny làlana tsy maintsy lalovan'ny olona raha maniry ny hahazo pasipaoro vaovao izy ireo:

Tsy ampy ny sarin'ny Filoha fotsiny ilay pasipaoro vaovao ao Panama… [maribolana amin'ny sariitatra : “Jereo ny filaharan-dry zareo mba hahazo ilay pasipaoro tsara indrindra tsy nananan-dry zareo tao anatin'ny 40 taona”]

Ao amin'ny kaontiny Twitter ny “La Prensa” dia mizara sasantsasany amin'ireo sary avy amin'ilay pasipaoro vaovao:

Ao amin'ny http://t.co/HS7NBFUpEi [es] misy sarin'ilay pasipaoro, miaraka amin'ireo zava-miavaka mahatonga resabe momba azy.

Araka izany, ireo Panameana izay te-hivahiny dia tsy hoe fotsiny tsy maintsy mandoa avo roa heny, fa koa tsy maintsy mitondra miaraka amin-dry zareo ny fampielezankevitra politikan'ny antoko eo amin'ny fitondràna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.