Vaovao Mafàna: Fipoahana Goavana Nampihovitrovitra Ny Afovoan-tanànan'i Kairo

Vao avy nifoha tao anaty feonà fipoahana goavana izay nampihovitrovitra ny afovoan-tanànan'i Kairo ry zareo Ejiptiana. Mampiseho voalin-tsetroka miakatre ery ampara-vodilanitra ireo sary nakarina ety anaty serasera. Ny tatitra sasany milaza fipoahan-basy. Ny tatitra tany ampiandohana dia manamafy fa nitranga tany amin'ny manodidina ny Fiadidiana ny Polsiy ao Kairo ilay fipoahana

Niraikitra teo anoloan'ny tatitra tamin'ny fahitalaviny ilay mpanao hazety, Rawya Rageh:

Mitafatafa amin'ireo nanatri-maso ny fahitalavi-panjakana, izay milaza fa tany akaikin'ny Fiadidiana ny Polisy ao Kairo no nisy ilay fipoahana

Miresaka olona nirongo fiadiana nitaingina moto ny fahitalavi-panjakana nandritry ny fanontaniana & valiny niarahany tamin'ireo nanatri-maso, na dia tsy mbola voamarina ifotony aza aloha ny tatitra

Tsy dia mbola marim-pototra tsara aloha hatreto  ny vaovao. Ety anaty aterineto, mifanjevo mikarika vaovao ireo mponina ao Kairo.

Mohamed Abdelfattah manontany hoe :

Taiky, mba naheno izay reko ve ny tsirairay ? Fipoahana be ilay teo iny, tena iny fotsiny izao no nanaitra ahy hifoha

Rania Hafez mitatitra hoe :

Nihovitrovitra nandritry ny fotoana fohy ny trano

Mizara ity saripika ity ny “Cairo Live 24/7″ :

Fipoahana tao afovoan-tanànan'ni Kairo. Setroka matevina hita avy any amin'ny 1 km avaratry ny afovoan-tanànan'i #Kairo

Ary nivezivezy koa ity saripika iray ity:

Ary i Mahmoud Saber miteny fa tsy misy afa-tsy hoe tao amin'ny Fiadidiana ny Polisy ao Kairo no mety nitrangan'io :

Mijery ilay setroka avy eto ivelan'ny varavarankeliko aho. Avy any amin'ny tandrifin'ny Fiadidiana ny olisy ao Kairo no fiavian'ny setroka. Tsy misy na inona na inona raha mitodika any afa-tsy ny Fiadidiana ny Polisy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.