Zokiolona Koreana Manao Ankivy Ny McDonald Ary Maka Ny McResolution

Lohateny lehibe tamin'ny gazety tao New York City ireo Koreana Zokiolona noho izy ireo mitoko-zihitra isanandro ao amin'ny McDonald's, manomboka ny maraina be ka mandra-pahamaizin'ny andro, manafatra ovy voaendy na kafe fotsiny. Taorian'ny nandroahana azy ireo fa hoe manelingelina ny asa fandraharahana, niantso fanaovana ankivy an'ilay trano fisakafoanana ny sasany tao anatin'ny vondrom-piarahamonin-dry zareo Koreana.

Nahoraka be nandritry ny faran'ny herinandro ny tantaran'ny New York Times momba ireo zokiolona mpibodo teo amin'ny McDonald's, ary dia nihetsika haingana ny McDonald's, namono ny afo nony Alatsinainy, tamin'ny nametrahany ny “McResolution!“. Nampanantena ora misimisy kokoa ho an'ireo zokiolona ry zareo mandritra ny ora tsy dia mahabe olona ary hifampiraharaha amin'ireo akanin'ny zokiolona mihitsy aza mba hisian'ny fitaterana mandroso sy miverina mankao amin'ilay trano fisakafoanana.

Kanefa, ireo Koreana, izay efa zatra amin'ny fisian'ny zokiolona mitoko-zihitra any amin'ireo toeram-pisakafoanana tselatra any Seoul, renivohitr'i Korea Atsimo, iray amin'ireo tanàna be mponina sy mifanaretsaka indrindra eto an-tany, dia tahàka ny mahatakatra ny safidy henjana nataon'ny McDonald's. Indreto ny sasany tamin'ireo fanehoankevitra tety anaty aterineto, avy amin'ireo tranonkala Koreana Tatsimo.

Image by Flicker User Kansir (CC BY 2.0)

Sary avy amin'i Kansir, mpampiasa Flickr (CC BY 2.0)

Ny tsy fahomlbiazan'ny McDonald's. Mba tena manantena ny olona tsy hampiditra ny resaka “firazanana” ho ao anatin'ny kajikajy aho. Toa tsy hoe noho ny firazanana/zom-pirenena no nandroahana an-dry zareo. Amin'ny fanindriana ny hoe ‘Koreana’ ireo voaroaka tao, dia ry zareo ihany raha ny marina no manao izay hahamenatra ny tenany. Tena mba ratsy, sady mahamenatra tsotra izao. Hitako ny antony nahatonga an'io.

Ny antony tsy mampiraika ahy amin'ny fanaovana ankivy ny McDonald's ao New York dia satria miavaka loatra ny fomba niatrehan-dry zareo ity olana ity. Ny “Jongmyo Area” ao Seoul dia feno zokiolona mitoko-zihitra eny amin'ireo toeram-pisakafoanana tselatra. Tsy “kolontsaina” Koreana izany, saingy olana iray eo amin'ny fiarahamonina Koreana. Mampalahelo fotsiny hoe entin-dry zareo mivoaka ilay izy ary averiny rehefa any amin'ny firenena hafa.

Apetrak'ireo mpampiasa tranonkala amin'ny Fikambanan'ireo Ray Aman-dreny Koreana ao New York ny ahiahy – vondrona iray izay tompon-kevitra tamin'ilay fanaovana ankivy sady manontany raha tena mendrika hofidiana hisolo tena ny vondrom-piarahamonina Koreana amin'ny ankapobeny tokoa ry zareo ireo. Ny sasany avy ao amin'ilay vondrona, indrindra fa ilay ramatoa mpitondra teny, dia ampangaina ho mpiandany fatratra amin'ny elatra farany havanana izay nisakana tamin'ny fomba tsy lanin'ny vavonin'ny maro ilay hetsi-panoherana iray nanoherana ny tantara ratsin'ny familiviliana ny valim-pifidianana natao tao New York tamin'ny lohataona farany teo. Nanoratra [ko] i @hippietec:

자극적인 제목으로 민족성 자극하는 저질 기사. 한인사회 발끈한 적 없습니다. 몇몇 노인들이 진상짓 했을뿐

Mahita tatitra maro ateraky ny fihetseham-po, tsy misy dikany aho , izay mitarika mankany amin'ny olana ara-pihaviana. Tsia. Tsy tezitra [tamin'ny raharaha McDonald] ny vondrom-piarahamonina Koreana sady Koreana be lokomena azo isaina rantsan-tànana monja no nanangam-bovona tao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.