Indoneziana Mpiasa An-trano Milaza Ho Voadaroka, Nomena Sakafo Ambany Foitra, Nodorana Tao Hong Kong

Thousands rallied on January 19, 2014 demanding justice for Erwiana Sulistyaningsih, an Indonesian maid who was allegedly tortured by her employer. Photo from Hong Wong.

An'arivony maro ireo nifamory tamin'ny 19 Janoary 2014 hitaky ny rariny ho an'i Erwiana Sulistyaningsih, Indoneziana mpiasa an-trano izay voalaza fa nampijalian'ny mpampiasa azy. Sary avy amin'i Hong Wong

[Mpanoratra miasa an-tsitrapo no nanoratra ity lahatsoratra ity ho an'ny tranonkalam-baovao inmediahk.net, izay voatonona ato anatin'ny tatitra.]

Tranga iray mampivalaketraka miresaka fanararaotana natao taminà mpiasa an-trano iray no niseho masoandro tao Hong Kong tsy ela akory izay. Ny 19 Janoary 2014, an'arivony maro ireo Indôneziana mpiasa an-trano sy mponina any an-toerana no nitaky ny rariny ho an'i Erwiana Sulistyaningsih, mpiasa an-trano izay voalaza fa nanaovan'ny mpampiasa azy fitondra tsy mendrika nandritry ny volana maro.

Tonga tao Hong Kong ity mpiasa an-trano 23 taona ity tamin'ny May 2013 ary nanomboka niasa ho anà fianakaviana iray tao Tsueng Kwan O, ka nolazainy fa voadaroka kibay sy fanantonana ‘rideau’ isan'andro izy tao nandritry ny valo volana noho ny filazana azy ho “tsy mahavita ny asany”. Vokatry ny fifanarahana tsy maintsy natao momba ny fomba fiainana tao, tsy azony natao ny mivoaka mifandray amin'ireo namany vehivavy mpiasa an-trano hafa mba hila vonjy. Tsy vitany na dia ny handositra aza satria nogiazan'ny masoivoho mpitady mpiasa an-trano nampiditra azy niasa ny ‘passport’, izay tsy niraharaha afa-tsy ny nandray ny saran'ny tolotr'asany avy amin'ny karama isam-bolan'ireo mpiasa an-trano ary ninia tsy nahalala ny antso vonjy nataony.

Notaterin'ireo mpampahalala vaovao avy any an-toerana fa tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Hong Kong izy no hita ny 10 Janoary 2014 teo ary “rakotra tataka sy doro” ka naiditra hôpitaly avy hatrany taorian'ny nodiany an-tanindrazana tany Java, Indonezia. Ankoatra ireo tataka mivandravandra, ny tatitra ara-medikaly voalohany dia nahita fahavakisan-taolana any anaty lohany. Raha ny marina, dia navelan'ny mpampiasa azy handeha izy noho izy efa nila tsy ho afa-mamindra intsony vokatry ny ratrany.

Erwiana Sulistyaningsih was found in the Hong Kong airport on January 10 with obvious physical injuries in her body. Photo from Apple Daily News, non-commercial use.

Hita tao amin'ny seranampiaramanidin'i Hong Kong tamin'ny 10 Janoary 2014 niaraka tamin'ireo ratra mivandravandra nandrakotra ny tenany i Erwiana Sulistyaningsih.  Sary avy amin'i Apple Daily News, tsy azo ampiasaina hitadiavam-bola

Vao tonga tany amin'ny hôpitaly, nolazain'i Sulistyaningsih tamin'ireo mpampahalàla vaovao fa “voadaroka isanandro izy, nodorana ary tsy nahazo nihinana afa-tsy mofo sy vary fotsiny amin'izao in-droa isan'andro. Amin'ny 1 tolakandro hatramin'ny 5 hariva ihany izy no mahazo alàlana hatory fa tsy amin'ny alina”. Raha ny marina dia tsy izy no voalohany amin'ireo mpiasa an-trano tao amin'ity fianakaviana ity nitaraina noho ny fanararaotana natao azy ireo; raha kely indrindra dia mpiasa an-trano roa hafa efa niasa tao amin'io mpampiasa io no niteny fa efa niaina zavatra tahaka izao

Miasa miaraka amin'ny mpanao gazety ireo vondrona mpikatroka mafàna fo mba hanao tsindry hisian'ny politika hampitsaharana ity  rafi-panandevozan'ny andro maoderina ity. Auyang Lunfa avy amin'ny inmediahk.net, tranonkalam-baovaon'olon-tsotra ao an-toerana, dia  nitatitra avy eny amin'ilay famoriam-bahoaka ny fijoroana vavolombelona nataon'ny iray tamin'ireo mpiasa an-trano :

Foreign maid Susie revealed in the rally that she was also starve abused by the same employer between 2011 to 2012. Photo from Tom Grundy's Twitter.

Nanambara i Susie, vahiny mpiasa an-trano, fa izy koa dia noararaotina sy tsy nomen'io mpampiasa io sakafo teo anelanelan'ny 2011 sy 02012. Sary avy amin'ny kaonty Twitter Tom Grundy

印傭 Susi 稱,自己在2010年4 月開始為涉案僱主工作至2011年3月,期間11個月,除了被禁足不準出門,而且每天被要求工作20小時,同時亦受到不同程度的虐打。她指「每當做錯野時就會被打」,曾被僱主曾用雞毛掃打,亦試過被猛耳仔。最嚴重一次,僱主曾威脅 Susi 叫她自殺。結果 Susi 苦苦哀求對方說:「自己有一對子女, 唔好要我死。」Susi 又指,中介公司無按合約每月3580付人工,反而在 Susi 終止合約時,只付上約六千元,作為11個月人工。Susi 表示已經到警署提供資料。

Nilaza ilay Indoneziana mpiasa an-trano, Susi, fa efa niasa ho an'io mpampiasa io koa izy teo anelanelan'ny Aprily 2010 sy Martsa 2011. Nandritry ny 11 volana, noraràna izy tsy handao ny trano fonenany ary noterena hiasa ora 20 isan'andro. Voadaroka ihany koa izy. “Isak'izay misy zavatra kely tsy nety nataoko, dia tsy maintsy ho voadaroka aho”, hoy izy. Sady midaroka azy amin'ny kobay ilay mpampiasa azy taloha no manolana ny sofiny ihany koa,  efa nandrahona an'i Susi indray mandeha i Law sady niteny taminy hamono tena. Nitalaho taminy i Susi, niteny hoe: “Manan-janaka roa aho, aza mangataka ahy hamono tena.” Lazain'i Susie fa tsy nandoa ny vola 3.580 dolara Hong Kong tokony ho karamany isam-bolana ilay masoivoho mpitady mpiasa [eo amin'ny 480 dolara Amerikana eo]. 6.000 dolara Hong Kong monja [eo amin'ny 880 dolara Amerikana] no nomena azy tamin'ny volana faha-11 nifaranan'ny asany. Nitondra ny momba azy teny anivon'ny polisy i  Susi [taorian'ny nipoahan'ny raharaha Sulistyaningsih]

外傭組織發言人 Eni Lestari 透露,有另一名叫 Tina 的印傭於2011年間,為涉案僱主短暫工作三個月。Eni 說,Tina 要每日超時工作和沒有足夠食物,並同樣受到虐打。最後 Tina 在朋友幫助下報警,最後成功離職,現身在新加坡。

Eni Lestari, vahiny mpiasa mpila ravinahitra sady mpanentana, no namoaka fa misy Indoneziana iray hafa, mpiasa an-trano antsoina hoe Tina niasa ho an'ny fianakaviana Law nandritry ny telo volana tamin'ny 2011. Nomena sakafo ambany foitra ihany koa i Tina, niasa nihoatra ny tokony ho izy ary voadaroka. Nitondra ny nanjo azy teny anivon'ny polisy i Tina, niaraka tamin'ny fanampian'ireo namany ary nahavita niala tamin'ilay asany. Amin'izao fotoana izao dia ao Singapour i Tina no miasa.

Tsy nasianà fandalinana mihitsy ny tranga nahazo an'i Tina, araka ny tatitry ny mpampahalala vaovao avy ao an-toerana. Ny polisy ao Hong Kong nilaza fa tsy ampy ny porofo nentina teo anatrehan'izy ireo. Rehefa napoakan'ireo mpampahalala vaovao ao an-toerana ny raharaha Sulistyaningsih, napetraky ny pôlisin'i Hong Kong ho eo anaty lisitry ny  “tranga misaritaka” satria hoe tsy ampy hahafahany mihetsika ny porofo eo am-pelatanany.

Local women rallied on January 19, 2014 to show their support for Erwiana Sulistyaningsih. Photo from campaign page: Justice for Erwiana! Justice for Migrant Domestic Workers!

Vehivavy tao an-toerana nifamory tamin'ny andron'ny 10 Janoary 2014 mba haneho ny fanohanan-dry zareo an'i Erwiana Sulistyaningsih. Sary avy amin'ny pejy fanentanana ao amin'ny Facebook “Justice for Erwiana! Justice for Migrant Domestic Workers!” (Ny Rariny ho an'i Erwiana, Rariny ho an'ireo Mpiasa an-trano mpila ravinahitra)

Nandritr'iny herinandro lasa iny, nanao fanentanana hitakiana ny rariny ho an'i Sulistyaningsih ireo fikambanan'ny mpila ravinahitra sy mpikatroka mafàna fo avy ao an-toerana, nahitàna hatramin'ny “Misiôna ho an'ireo Mpiasa Mpila Ravinahitra”, ny “Amnesty International (Hong Kong)”, ny “Open Door”, ny Fikambanan'ny Vehivavy Mpiasa an-trano ary ny Fiaraha-mientan'ireo Sendika ao Hong Kong. Ny hetsi-panoherana natao tamin'ny faran'ny herinandro dia niezaka ny hamoaka ny tsy firaharahiana efa nataon'ny polisin'i Hong Kong hatry ny ela tamin'ireo antso vonjy avy amin'ireo mpiasa an-trano, hatramin'ny politikam-panavakavahana sy fanararaotana, ahitàna ny fifanarahana tsy maintsy natao momba ny fiainana anatiny ary ny fepetra momba ny fe-potoana 15 andro fahazoana mipetraka, hatramin'ny tsy fisian'ny fiarovana ny karama farany ambany indrindra sy ny fetr'ora fiasàn'izy ireo. Efa ho volana vitsy tany aloha tany, nitranga ny adihevitra tahaka izany rehefa niseho masoandro ny tantaran'ny fanararaotana nanjo an'i Kartika Puspitasari.

An info-graphic showing exploitative policy concerning foreign domestic worker. Image from campaign page: Justice for Erwiana! Justice for Migrant Domestic Workers!

Kisary anazavàna ny politikam-panararaotana manjo ireo vahiny mpiasa an-trano. Sary avy amin'ny pejy Facebook fanentanana “Justice for Erwiana! Justice for Migrant Domestic Workers!”

Mivandravandra izao fa mila miatrika andraikitra ny governemanta ao Hong Kong momba ny fepetra marefo iainan'ireo vahiny mpiasa an-trano ao Hong Kong. Post 852, sehatra iray vao napetraka ho fanehoankevitra,dia nanazava ny mizàna mitanila misy eo amin'ny fifandraisan'ireo mpampiasa sy ny mpiasa an-trano ary nanome  soso-kevitra :

與大部份香港人不同,外傭在港其實是「叫天不應,叫地不聞」,處境特別危險。[…]外傭在香港根本「冇人冇物」,親友都在遠方的鄉下。所以,一旦受虐,根本不會有人知曉。事實上,即使外傭在港認識了其他同鄉,對方也未必知道自己的住址,只要僱主突然沒收其手提電話,外傭就會立刻與世隔絕。

Samihafa amin'ireo mponina ao an-toerana, avahana ireo vahiny mpiasa an-trano eny anaty fiarahamonina ary dia miaina teo-draharaha sarotra noho izany. […] zara raha manana namana ireo vahiny mpiasa an-trano ary tsy misy ao Hong Kong ny fianakavian-dry zareo. Tsy misy mahalàla mihitsy hoe araraotina anie ikalakely any. Na dia mety ho mahafantatra mpiasa an-trano tahaka azy ao Hong Kong aza ireo mpiasa an-trano ireo, tsy mifankahafantatra adiresy akory. Rehefa giazan'ireo mpampiasa an-dry zareo ny findainy, dia mety ho tapaka tanteraka koa ny fifandraisany amin'izao tontolo izao.

Many kids joined the rally to support their nannies. Image from campaign page: Justice for Erwiana!

Ankizy maro no nanatevina laharana ilay famoriam-bahoaka ho fanohanany ny mpitaiza azy ireo. Sary avy amin'ny pejy fanentanana ao amin'ny  Facebook “Justice for Erwiana!”

每間公司也會有「售後服務」,例如其公司就會免費為首次來港工作的印傭,提供最多兩次的家訪服務。不過,家訪的出發點並非為了確保印傭安全,而是幫忙解決僱傭雙方的語言障礙或合作問題(其實服務對象是以僱主為主)。更何況,假如僱主簽約時表明不需家訪服務,則公司也不會強求。

[Ara-poto-kevitra] tokony hanome tolotra toy ny fiantohana ny fitsidihana fianakaviana ho an'ireo mpiasa an-trano ireo masoivoho mpitady mpiasa. Kanefa, ireny fitsidihana ireny tsy voafaritra mba hiantohana ny fitoniana sy fahaleman'ireo mpiasa an-trano ireo, fa ny  hamahàna ny olan'ny fifandraisana eo amin'ny mpampiasa sy ny mpiasa an-trano (ny tena tanjona dia ny hanome vàhana ireo mpampiasa). Raha toa ilay mpiasa ka misafidy ny “tsy hitsidika fianakaviana” rehefa mameno ny fifanarahan'asa, dia tsy voatery ny fandefasana azy hody hitsidika havana.

其實,政府可立法強制中介公司定期家訪外傭,假如公司不遵守或敷衍了事,可被政府除牌。進一步說,政府更可直接由自己成立「外傭安全小組」作定期抽樣家訪,或要求外傭定期要到政府的辦事處面見職員。

Ny marina dia afaka ataon'ny governemanta ny manery ireo masoivoho mpitady mpiasa ireo mba hiantoka ny fitsidihan'ireo mpiasa an-trano ny fianakaviany, raha tsy izany dia tsy hahazo fahazoan-dàlana hanao ny asany ry zareo. Na azon'ny governemanta apetraka ihany koa ny ekipany hanao fitsidihana an-tselika an'ireny mpiasa an-trano ireny na hitaky tafatafa manokana ifanaovan'ireo mpiasa an-trano amin'ny manampahefana

Vokatry ny tsindry avy amin'ireo fikambanan'ny mpila ravinahitra sy ny kaonsily Indoneziana, ny niafarany dia nandefa tarika mpanao fanadihadiana ho any Indonezia ny polisin'i Hong Kong sy ny departemantan'ny asa tamin'ny 20 Janoary mba haka ny fijoroana vavolombelona ataon'i Sulistyaningsih, hatramin'ny tatitra ara-medikaly momba azy avy amin'ny hôpitaly.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.