Potsirin'i Dr. House Ny Vay Maharary Ny Rosiana

"Everybody lies": everything Hugh Laurie is wearing and using is captioned with random Russian companies and factories as a riff on his joke that Russia produces nothing for export. Anonymous image distributed online.

“Mandainga daholo ny tsirairay”: izay zavatra rehetra itafiana sy ampiasain'i Hugh Laurie dia voapetapetaka maribolana manondro orinasa Rosiana noraisina kianjoanjo ho toy ny tonony fohy any anatin'ny hatsikany milaza hoe tsy mamokatra na inona na inona haondrana i Rosia. Sary tsy misy anaran'ny tompony nozaraina tao anaty aterineto.

Niteraka safotofoto tao amin'ny RuNet tamin'iny faran'ny herinandro iny ilay Britanika mpilalao an-tsehatra, Hugh Laurie (Gregory House, Bertie Wooster), raha naneho hevitra tamim-pitratrevatrevàna momba ny lahatsoratra iray tao amin'ny Guardian [ru] namaritra ny fomba fijerin'i Vladimir Putin ny resaka fifanambadian'olona mitovy taovam-pananahana sy ny lalao Olaimpika. Nibitsika i Laurie (ary naverin'ny olona nobitsihana in-4.000):

Hanao ankivy ny vokatra Rosiana aho raha toa heveriko fa misy zavatra tokana monja nataon-dry zareo niaraka tamin'ny sisa teto amin'izao tontolo izao mety ho nitontongana be.

Notohizany ny sangy ratsiny taty aoriana kely, taorian'ny nanomezan'ny sasany tamin'ireo mpampiasa Twitter ny vodka ho ohatra amin'ny vokatra fanondran'i Rosia :

Eny, ekena, ‘ok’ ny vodka rosiana raha toa mila manadio lafaoro ianao. Raha hosotroina, aleo lavitra Poloney

Nanalefaka ny fanambaràny i Laurie, ora roambinifolo taorian'izay:

Sintoniko ny teniko. Ho solony, manentana ireo Rosiana tsara sy maha-te-ho tia aho hijoro hiatrika ireo tava navitrana tsy misy saina izay miketrika io karazana poizina io

Vetivety ireo bitsik'i Laurie dia voadika [ru] ho amin'ny teny Rosiana, ary dia nitsiry teny an-tany lonaka — nandrehitra ny hatezeran'ireo tia tanindrazana, nasionalista sy Rosiana hafa izay mety tsy mankasitraka ny kiana avy any ivelany. Ohatra, nibitsika i Ilya Varlamov, ilay malaza amin'ny fitorahana bolongan-tsary :

Miaraka amin'ity bitsika ity dia te-hiteny amin'ny fomba ofisialy amin'i Hugh Laurie aho hoe ndeha mahazo any ry ilay f*lahy ity, miaraka amin'ny fomba fahitàny ny vokatra avy aty amintsika sy ny vinavinany hanao ankivy azy ireny.

Ilay solombavambahoaka faran'izay mahatsikaiky ao an-tanàna, Ernest Makarenko dia nitefotefoka niteny, nampifangaro an'i Laurie sy ny Dr. House izay anarana fitondrany eny an-tsehatra:

Ahoana no ahasahian'ity dokotera Hugh Laurie malezolezo ity manazimbazimba ny firenena nahaterahan'i Pushkin, Suvorov, Putin, Gagarin, Nevsky, Stolypin, Lobachevsky?!

Taty aoriana kely i Makarenko nibitsika [ru] nitaky ny handraràna an'i Laurie tsy hahazo miditra ao Rosia, ho fanakanana ny tsy hidiran'ny “lobby sôdômita.” Amin'ny ankapobeny, ny Rosiana sasany mpanohitra ny fifanambadian'olona mitovy taovam-pananahana [ru] dia nandray ny fanambaràn'i Laurie miaro ireo lehilahy mfanambady ao Rosia ho midika hoe izy tenany ihany koa dia lehilahy manambady lahy. Lena Miro, bilaogera iray malaza amin'ny resaka “fitness” aza dia nanoratra lahatsoratra iray lavabe [ru] tamin'ny fanamafisany fa satria i Laurie manana vady “ratsy tarehy”, izay midika fa bandy tia bandy an-katakonana lery

Ny hafa faly nanipika izay hitany ho fihatsaràna velatsihy — nanamarika [ru] ny bilaogera iray fa nanjary nalaza i Laurie tamin'ny nilalaovany ny Bertie Wooster tao amin'ny famokaran'ny BBC ny P.G. Wodehouse Jeeves sy tantara foronina Wooster. Mbola io  Wodehouse io ihany, hoy hatrany ilay bilaogera, no nifampiraharaha tamin'ireo Nazi fony izy babo nandritry ny Ady Lehibe Faharoa! Ny hafa nanipika [ru] fa mividy ny gazoala sy ny entona Rosiana i Angeletera, ka araka izany angamba dia ny familiana fiara sy ny fanafanàna ny efitranony no mety hanaovan'i Laurie ankivy.

Mbola tezitra mafy ihany koa ny sasany tamin'ny namelezan'i Laurie ny vodka Rosiana, fa tsy i Rosia irery. Lolita, tanora mpanao gazety sady bilaogera dia nanoratra taratasy lavabe ho an'i Laurie [ru], nanontany tena ny amin'izay antony nanosika azy hanenjika ny zava-pisotro nasionaly Rosiana, sy manàsa azy hitsidika azy any Maosko mba hahafahany mampiseho aminy ny “tena” Rosia.  Ilay sarintsarinà kaonty twitter an'i Vladislav Surkov koa dia nibitsika, tamim-bazivazy hoe :

Novonoin'i Hugh Laurie aho tamin'ny nitiavany ny vodka Poloney, fa tsy noho ny fankahalàny rosiana akory… Hadalàna tafahoatra fotsiny ny fankahalàna Rosiana, fa ny fitiavana vodka Poloney – izay no tena fitiliana nahafaty

Io pilina avy amin'i Laurie io angamba no tena sarotra atelina indrindra satria volana vitsy lasa fotsiny izao, raha nanao fitetezana an'i Rosia, dia niteny izy hoe “tia” ny vodka rosiana, tao anaty tafatafa [ru] iray :

Mandritra izany, niditra tamin'ny fandinihan-tena kely ny sasany tamin'ireo mpiserasera, nanontany tena raha toa ka tena  namokatra vokatra fanondrana mendrika ny hanaovana ankivy tokoa i Rosia. Nihevitra [ru] ny bilaogera iray fa tsy dia azo sainina loatra ny hoe i Laurie hanao ankivy ny fanondranana fitaovana ara-tafika Rosiana, nefa isan'ny vokatra iray izay azon'ny Rosiana ireharehana ny “Kaspersky Antivirus”. Sahirana nitady ohatra misimisy kokoa ireo mpamaky azy.

Ny niafaràny, taorian'ny “fihemoran'” i Laurie, haingana toy ny nahatongavany koa no nandehanan'ny tafiotran'ireo media, niaraka taminà vazivazy ho toy ny kopakopan-tànana farany:

Araka izany, raha ny fahazoako azy, ity Hugh Laurie ity tsy maniry ny hanao ankivy ny fitontongan'ny famokarana. Tena mpanao hatsikana ngezalahy amin'ny t*iny fotsiny

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.