Fahatsiarovana Ny Tolona Fanoherana Ny Fanjanahantany Nataon'ilay Mpitarika Kongoley Patrice Lumumba

Mpitari-tolona nitaky ny fahaleovantena Kongoley sy olom-boafidy voalohany ho praiminisitra tao amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo (RDC) i Patrice Émery Lumumba. Maty nisy namono tamin'ny fomba mbola tsy mazava mandraka ankehitriny izy 53 taona lasa izay tamin'ny andron'ny 17 Janoary 1961.

Nesorina teo amin'ny fitondrana i Lumumba, izay olomangan'ny tolona manohitra ny fanjanahantany eto Afrika, satria nanohitra ny fisintahana nataon'ny faritany manankarena harena an-kibon'ny tany nataon'i Katanga izay notohanan'ny Belza. Ny mpandimby azy, Joseph-Desiré Mobutu, miaraka amin'ny andia-tafika miaraka amin'i Mobutu no nisambotra an'i Lumumba sy namono azy taoriana kelin'izany. Ny fahafatesany no teboka faratampon'ny savorovoro politika nitranga tao an-toerana izay fantatra amin'ny hoe Krizin'i Kongo.

Nanome voninahitra momba ny fitarihany tsy nisy tsikombakomba nandritra ny andro nitsingerenan'ny fahafatesany ny mpiserasera kongoley: 

Nisy namono 53 taona androany i Patrice Lumumba. Mbola mizarazara ilay firenena sy faritra nimatesany sy nahafatesany.

Tamin'ity andro ity tamin'ny 1961, novonoina i Patrice Lumumba ka nanesorana tamin'i Kongo ny mahampanetsika goavana azy, maha-mpanao ny fanovana azy, ny fakana azy ho fitaratra fa izay tia an'i Afrika! dia Mahatsiaro isika!

53 taona lasa izay, novonoina i Patrice Lumumba sy ny namany roa. Cc @Survie @Billetsdafrique

Nopotopotehiny sy notapatapahiny ny vatany; dia nolevoniny tao anaty asidra. 53 taona taty aoriana, mbola tsy nanaiky ny (ratsy) vitany ihany ry zareo.

Niely an-tserasera ny taratasy farany nalefany ho an'ny vadiny Pauline nialoha ny nahafatesany. Navoakan'ny bilaogy iraisana Quartier Libres indray ilay taratasy, izay nanoratan'i Lumumba toy izao:

Que mort, vivant, libre ou en prison sur ordre des colonialistes, ce n’est pas ma personne qui compte.

C’est le Congo, c’est notre pauvre peuple dont on a transformé l’indépendance en une cage [..] L’Afrique l’Asie, et les peuples libres et libérés de tous les coins du monde se trouveront toujours aux côtés de millions de congolais qui n’abandonneront la lutte que le jour où il n’y aura plus de colonisateurs et leurs mercenaires dans notre pays.

A mes enfants que je laisse, et que peut-être je ne reverrai plus, je veux qu’on dise que l’avenir du Congo est beau et qu’il attend d’eux, comme il attend de chaque Congolais, d’accomplir la tâche sacrée de la reconstruction de notre indépendance et de notre souveraineté, car sans dignité il n’y a pas de liberté, sans justice il n’y a pas de dignité, et sans indépendance il n’y a pas d’hommes libres.

Na ho faty, na ho velona, afaka na mifonja noho ny baikon'ny mpanjanatany, tsy ny momba ahy no zava-dehibe.

Fa i Kongo, ny vahoakantsika mahantra izay novaina ho tranom-biby [voahosihosy] ny fahaleovantena. […] Hiara-dalana amin'ny Kongoley an-tapitrisany tsy hampitsahatra ny tolona mandra-pahatongan'ny andro tsy misy intsony ny mpanjanantany sy ny mpikarama an'adiny eto amin'ny firenena i Afrika, i Azia, ireo vahoaka afaka sy noafahana avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao.

Ho an'ny zanako izay ilaozako, ary mety tsy ho hitako intsony, tiako ny hilazana fa ny mahafinaritra ny hoavin'i Kongo ary miandry azy ireo, tahaka ny hiandrasany ny Kongoley tsirairay avy, ny manatontosa ny asa masin'ny fananganana indray ny fahaleovantenantsika sy ny fiandrianampirenentsika, satria raha tsy misy ny fahamendrehana dia tsy misy ny fahafahana, raha tsy misy ny rariny dia tsy misy ny fahamendrehana, ary raha tsy misy ny fahaleovantena dia tsy misy ny olona afaka.

Tao amin'ny gazetiboky CeaseFire i Georges Nzongola-Ntalaja, profesoran'ny fianarana momba ny Afrikana sy ny Afro-Amerikana ao amin'ny Oniversiten'i Carolina Avaratra, sy i Jonathan Jacobs, mpanoratra sady mpikatroka monina ao London, no nanazava ny halehiben'ny lova navelan'i Lumumba:

According to unconfirmed reports, Walter Kansteiner – US Secretary of State for African Affairs under George W. Bush, between June 2001 and November 2003 – designed a plan for the division of Congo into four countries. The justification for such a Balkanisation would be that, in its present dimensions, the country is too large and ungovernable. […] In fact, this would facilitate access to resources, and make their transfer to outside markets easier. […] the reality is that their project for the recolonisation of Congo will always stumble against the determination of the Congolese people to defend their unity, their national patrimony, and the territorial integrity of their homeland. The legacy of Patrice Lumumba, Pierre Lulele, André Kisase Ngandu and so many other martyrs brings women, men and children to shout “No” to balkanisation and “Yes” to a “United Congo, a strong nation.” 

Araka ny tatitra tsy voamarina, i Walter Kansteiner – Sekreteram-Panjakan'i Etazonia Misahana ny Raharaha Afrikanandritra ny fotoana nitondran'i George W. Bush, tanelanelan'ny Jona 2001 ka hatramin'ny Novambra 2003 – no efa nandrafitra ny hizarana an'i Kongo ho firenena efatra. Ny fanamarinana amin'izany fampizarazarana izany dia noho ny velarantaniny, izay midadasika loatra sy tsy voafehy ara-panjakana. […] Ny marina dia izay no mora hahazoana ny lohananon-karena, sy hahamora ny fanondranana azy mivoaka mankeny an-tsena. […] Ny marina dia ho tafintohina hatrany ny paikan-dry zareo hanjanaka indray an'i Kongo manoloana ny fikirizan'ny vahoaka kongoley hiaro ny mahairay azy, ny vako-pireneny, ary hiaro ny tsi-fizarazazan'ny tanindrazany. Ny lova nalelan'i Patrice Lumumba, Pierre Lulele, André Kisase Ngandu ary ireo maritiora maro hafa no mitarika ny vehivavy,ny lehilahy ary ny ankizy hihiaka ny «Tsia» amin'ny fampizarazarana sy ny «Eny» amin'ny «Kongo Tafaray, firenena iray matanjaka.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.