Amin'ny Herinandro: Fihaonan'ny Arablaogera Faha-4 #AB14

AB14 banner

Hihaona ao Amman, Jordania ireo bilaogera, teknisiana, mpikatroka sy mpandraharaha manerana ny faritra Afovoany-Atsinanana sy Afrika Avaratra amin'ny herinandro ambony ho fanatontosana ny Fihaonana Faha-efatra eo amin'ireo Bilaogera Arabo, tarihin'ny Global Voices sy Heinrich Böll ary hampiantranoin'ny 7iber.com, sehatra fampahalalam-baovao ao Ammam. Faly izahay mikarakara ity hetsika ity indray! 

Mandritra ny atrikasa (mikaton-trano) maharitra telo andro, hiresaka sy hianatra bebe kokoa momba ireo tetikasa mikasika ny fiarahamonina ao amin'ny faritra MENA (Afovoany-Atsinanana sy Afrika Avaratra) isika izay mampiroborobo ny fahavitrihan'ny sivily ao amin'ny aterineto, ary hiara-hiasa hanangana fahalalana iarahana mikasika ny fisoloambava, ny fiarovana an-tserasera sy trangan'olona vokatry ny politika (lalàna napetraka).

Hanam-bintana izahay hahazo namana sy mpiara-miasa avy amin'ireo sehatra sy vondrom-piarovana lehibe marobe, raha tsy hitanisa afa-tsy ny SMEX, Al-Monitor, EFFTactical Technology Collective, ary ny Free Press Unlimited. Amin'ny andro farany, hiady hevitra momba ireo firona sy fanamby ara-politika ankehitriny izahay izay azon'ny daholobe andraisana anjara, miaraka amin'ireo mpikatroka sy mpamakafaka avy ao amin'ny faritra sy manerana izao tontolo izao. Azo jerena ao amin'ny habaky ny AB14, amin'ny teny anglisy sy Arabo izany rehetra izany sy izay fanampim-baovao maro momba ny fihaonana.

Araka ny efa fantatry ny maro amin'ny mpamaky anay, lasa toerana fitsikerana sy sehatra ho an'ny fikambanana mivelatra bebe kokoa ny fihaonan'ny bilaogera Arabo hatramin'ny fanombohan'ny diany tamin'ny 2008 tao Beirut. Talohan'ny fitroarana Arabo, dia mampihaona ireo feo be mpihaino manerana ny renim-paritra sy mandray andraikitra lehibe amin'ny fanampiana ireo mpikatroka nomerika hanangana tambajotram-piraisankina amin'ny tsirairay ny fihaonana.

Telo taona taorian'ny fihonganan'i Ben Ali tao Tonizia, nahitam-pivoarana ankehitriny ireo fanamby atrehin'ireo mpikatroka nomerika sy bilaogera ao Afovoany-Atsinanana sy Afrika Avaratra. Raha nihamalalaka tsara kokoa ny aterineto sy ny zo momba ny fahalalaham-pitenenana any amin'ny firenen-kafa sasany, ny hafa kosa miatrika fanahara-maso sy sivana tsy an-kiato sy mibaribary, ary koa fandrahonana goavana ho tratran'ny herisetra na fanagadrana. Ny tsy fahafantarana ve ihany ny ho avy no mahatonga ny tetezamita nankany amin'ny demaokrasia ho sarotra sy matetika mampahory, indrindra ho antsika mpiserasera, izay niharitra sy nanampy nitondra izany.

Maro ny fanontaniana momba ny andraikitry ny mpiserasera ihany ao amin'ny lahatsoratra iray -«Lohataona Arabo» MENA – nanome toerana hoan'ny fangidiam-panahy sy fisalasalana mikasika izay hatao manaraka izany. Mino izahay fa misy ny ilàna fihaonana tahaka ity, ary tsy misy tahaka ny amin'izao fotoana izao.

Maniry hanasa ireo namanay rehetra mba hiaraka aminay amin'ny herinandro ambony izahay, saingy voafetra ny haben'ny toerana sy ny fanohanana ara-bola manery anay hikarakara ny fihaonana kely – izay ihany koa no mahatsara ny manome fotoana feno ho anay sy toerana hanaovana resadresaka ifanakalozan'ny tsirairay (olon-droa mivantana) sy miasa ao anaty vondrona kelikely. Ny vaovao mahafaly dia hiezaka araka izay tratrany ireo mpanentana ny fihaonana mba hampahafantatra izay mitranga mandritra ny fihaonana mba ho azo vakiana, jerena ary azo siahan'ireo namana sy mpanjohy tsy miaraka aminay ao Ammam!

Jereo azafady ny habaka ofisialin'ny fihaonana – arabloggers.org – ary araho ny diezy Twitter #ab14 raha te hanara-baovao farany, tatitra sy hevitra avy ao Amman. Mbola maro ny zavatra ho ambara tsy ho ela!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.