Arte en el Trole (Kanto Ao Amin'ny “TrolleyBus”) : Mameno Olona Ny Toeram-bahoaka Ao Quito

El juego de lo imprevisto. Proyecto seleccionado de Arte en el Trole.

Ny lalaon'ny kisendrasendra. Tetikasa voafantina tamin'ny Arte en el Trole.

Ireo fotoana rehetra hivezivezena avy amin'ny toerana iray mankany amin'ny toerana hafa ao anaty tanàn-dehibe iray dia mahatonga hihevitra matetika fa toa mahalany andro fotsiny. Hany ka matetika sokajiana ho tsy toerana faleha ireo lamasinin'ny metro sy ny fiara fitateram-bahoaka, tahaka izany ihany koa ireo toerana na fiantsonana hahitana fifaneraserana amin'ny hafa. Ao Quito, ao Ekoatera, nanapa-kevitra hanisika kanto sy kolontsaina vitsivitsy any amin'ireo toeran'ny daholobe ireo ny tetikasa Arte en el Trole (“Kanto ao amin'ny Trolleybus”), ka eny amin'ny trolleybus [espaniola] na fitaterana iombonana hafa no hanaovana izany.

Tamin'ny taona 2006 no nanombohan'ny Arte en el Trole ny hetsikany, toy ny izao ny fanazavana [espaniola]':

es un proyecto independiente que desde la práctica, ha posibilitado la democratización de la cultura a través del arte y sus diversas formas de expresión llevando propuestas de artistas locales, nacionales y extranjeros a presentar sus obras en nuevos espacios, beneficiando de forma directa a quienes lo habitan y que se encotraban excluidos de la riqueza cultural y artisticas que se desarrolla en el Ecuador y el mundo.

Ny Arte en El Trole, hatramin'ny nampiharana azy, dia tetikasa mahaleotena, izay mitondra mankany amin'ny famahoahana ny kolontsaina mamoaka ny kanto amin'ny endriny rehetra, ary hahafahan'ireo mpanakanto ao amin'ny faritra, ao amin'ny firenena ary koa ny vahiny maneho ny asa-kantony ao anaty sehatra na tahala vaovao. Ary manome tombony mivantana amin'ny mponina izany, sy mitodika mankany amin'ireo zatra nahataka amin'ny haren-kolontsaina sy zava-kanto mivoatra ao Ekotera sy any an-kafa manerana izao tontolo izao.

Tamin'ny volana mey lasa teo, nanaiky hiresaka amintsika momba ny tantara sy ireo asa ataon'ny Arte en el Trole i Daniel Pazmiño.

Ny tanjon'ny Arte en el Trole, araka ny voambolana nampiasainy manokana dia “mametraka sehatra na toerana fampielezana na fanehoana kanto ara-kolontsaina takatry ny mponina an-drenivohitra. Anisan'ny nandray anjara tany amin'ireo toera-piantsonana maroireo ny mpanakanto, mpamorona, mpitantana orinasa, mpitarika ary fikambanana marobe, sns ., izay samy mampiseho ny fahaizany mifehy ny kanton'izy ireo manoloana ireo teritery mihatra ao anatin'izany rafitra izany (mitatitra olona maherin'ny 250 000 isan'andro ny trolleybus)”.

Amin'ity lahatsary manaraka ity, mitantara amintsika ireo fandraisana anjara sasany sy fampisehoana notontosaina sy mbola hotontosain'ny fikambanana amin'ny manaraka ao amin'ny trolleybus na any amin'ireo fiantsonana maro i Daniel:

 

Manitatra [espaniola] ny hetsika ataony ivelan'ny tambajotran'ny trolleybus ny Arte en el Trole ankehitriny ary “miara-miasa amin'ireo mpianatra sy solontenan-tsekoly, kolejy, oniversite sy ireo mpiara-monina, sns., mahavita mampiroborobo sy manamafy ny famoronana, ny famokarana, ny fandefasana ary ny fivezivezen'ny harena ara-kolontsaina ary manangana sehatra na toerana mahafinaritra amin'ny fifampiresahan'ny kolontsaina, izay mikendry hanamafy ny politika ara-kolontsaina iraisan'ny rehetra”.

Ao amin'ny lahatsary farany, milaza amintsika momba ny famahoahana ny toerana ho an'ny daholobe ao Quito amin'ny alalan'ny tetikasa Arte en el Trole i Daniel.

Mba hananantsika hevitra momba ireo hetsika na fandraisana anjara notontosain'ny Arte en el Trole, ity misy lahatsary ahitana fizarana roa. Ny voalohany dia raki-tsarin'ireo hetsika lehibe notontosainy nandritra ny taona 2013 :

Ny lahatsary faharoa, mitondra ny lohateny hoe “Daroky ny nofinofy ao anaty trolleybus”, dia narakitra nandritra ny firotsahana artistikan'ny Arte en el Trole an-tsehatra tao anatin'ny trolleybus iray ao Quito.

Alohan'ny hamaranana, tsara ny mampatsiahy izay nolazain'i Daniel : mbola misokatra hatrany ny antson'ny Arte en el Trole mikasika ireo tetikasa ara-java-kanto sy ara-kolontsaina, ary mahafantatra ankehitriny ny vondrona maro any Amerika Latinina. Afa-mijery lahatsary maro hafa an'ny Arte en el Trole [espaniola] ianao ao amin'ny fantsona YouTube-n’izy ireo ianao sy manjohy azy ireo ao amin'ny Facebook sy Twitter.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.