Fihetseham-bahoaka Goavana Manohitra Ny Fanavakavahana Atao Amin'ireo Mainty Hoditra Any Isiraely

La grève des immigrés africains  à Tel-Aviv

Teo amin'ny kianja mitondra ny anaran'i Yitzhak Rabin tany Tel-Aviv no nanombohan'ireo Afrikanina tsy manan-taratasy ara-dalàna miisa 30 000 monina any Isiraely, ny fitokonana sy andiana fihetsiketsehana nandritra ny 3 andro, izay notohan'ireo mpiaro ny zon'olombelona. Araka ny lalàna izay nankatoavina ny 10 desambra 2013, afaka mitazona ireo mpihavy tsy ara-dalàna tsy misy fitsarana na fisavana ny taratasiny mandritra ny herintaona ireo tompon'andraikitra isiraeliana. Fanampin'io lalàna io, nilaza ireo mpanao fihetsiketsehana fa mandà tsy hijery ireo fangatahana nataon'izy ireo mba hahazo ny satan'ny mpialokaloka sy ny fihazonana an-jatony tamin'izy ireo ny tompon'andraikitra isiraeliana. Ny lahatsary eto ambany dia manoritra ny halehiben'ireo fihetsiketsehana ary manamarika ny fangatahan'ireo mpanao fihetsiketsehana:

Nanomboka ny volana desambra 2013, voafonja maro no ao amin'ny toeram-pihazonan'i Holot, any amin'ny tany efitr'i Néguev, akaikin'ny sisintany manelanelana an'i Isiraely sy Ejipta, tsy maintsy mandalo manao fanamarinam-pahatongavana intelo ary matory ao ireo tsy manana taratasy ara-dalàna.

Manome hevitra mikasika ny haben'io toerana io ny tranonkala ny irinnews.org:

Holot can house 3,300 migrants and is set to expand, eventually reaching a capacity of between 6,000 and 9,000 people, according to Yitzhak Aharonovitch, Israel's Public Security Minister.

Afaka mandray mpifindra monina 3.300 i Holot ary natao ho afaka hiitatra mba hanatrarana any amparany ny hahazakany olona 6.000 sy 9.000, araka ny voalazan'i Yitzhak Aharonovitch, minisitry ny Filaminam-bahoaka any Isiraely.

Tonga aminà haavo mampiahiahy ny fihetseham-po manohitra ireo afrikana mpialokaloka tsy ara-dalàna, arehitr'ireo lahateny feno fankahalana toy izay hita ao anatin'ity lahatsary navoakan'i Djemila Yamina ity: 

Any ananona any, ireo vondrona “extrémistes” vitsy an'isa no manafika ireo mpifindra monina. Any Isiraely, mandray anjara mavitrika ao anatin'izany ny governemanta sy ny fitaovana ara-pitsarana. Ny volana jolay 2012 sahady, nanambara teo amin'ny bilaoginy i Allain Jules fa:

Zavatra tsy mendrika izay mitranga any Isiraely amin'izao fotoana izao. Eo amin'ny minisitra izay mangataka ny hamonoana tsotra izao fotsiny ireo mpifindra-monina, satria angatahany ny hitifirana azy ireny eo amin'ny fotoana iezahany handingana ny sisintany, ny iray milaza ny tsy hampadio intsony ny taranaky ny Firenena Isiraely amin'ny hoavy izay tsy maintsy mitana ny maha-jiosy azy, tampina ny daomy.

Araka ny lahatsoratr'i Jean Shaoul navoaka tao a min'ny cameroonvoice.com:

Araka ny lalàna israeliana, voarara ho an'ireo mpifindra-monina ny miasa raha toa ka mbola tsy voasoratra ho anisan'ireo mpangataka toerana fialokalofana izy ireo. Izay hita fa tsy ho tanterak'izy ireo mihintsy. Vokatr'izay, araka ny sampan'ny Firenena Mikambana miahy ny mpitsoa-ponenana, raha toa ka 39 isan-jato ny salan'isa mikasika ny fanomezan'ny firenana fankatoavana ho an'ireo mpangataka toerana fialokalofana, any Isiraely io taha io dia ambanin'ny 1 isan-jato. Any Isiraely, ny ankamaroan'ireo mpangataka toerana hialokalofana dia ireo Eritreana sy ireo Sodàne izay ahitana ny salan'isam-pankatoavana 84 sy 64 isan-jato tsirairay avy, mikasika ny fahafantarana iraisam-pirenena.

 Araka ny lahatsoratra iray navoaka tamin'ny bilaogin'ny Mediapart, manoratra i JOSEPH AKOUISSONNE fa:

Tsy azo visavisaina io fanavakavaham-bolonkoditra io avy aminà vahoaka izay niaritra ny fanambanian'ny nazia, ahitana toetra miharo fankahalana nikendrena hamongorana ireo jiosy. Kanefa, Ramatoa Golda Meir mihitsy no nanambara fa: “… betsaka toetra iraisana ny Afrikana sy ny vahoaka jiosy. Samy niharan'ny tantara izy ireo: maty tany amin'ny toby famonjàna na naetry ho andevo…” Ny taona 1960, nanefy fifamatorana mafy tamin'ny kaontinanta mainty ny fanjakana Isiraeliana. Noraisina tao amin'ireo kibboutz ireo mpianatra afrikana. Mifamadika amin'izay, maro ireo israeliana izay nandeha tany Afrika mba hanohana ny fivelaran'ireo fanjakana maro vao avy nahazo fahaleovantena. Mila tsiahivina koa ireo ady nifanaovan'ireo jiosy avy any afrika-atsimo, teo anilan'i Nelson Mandela tamin'ny adiny manohitra ny apartheid. Tsy hadinoina ireo izay nirotsaka niaraka tamin'ireo mpikatroka mafàna fo mpiaro ny Zon'ny Tsirairay tany Etazonia.

Inona no lanjan'ity tranganà fifindra-monina tsy ara-dalàna ity izay mitarika fankahalana be any Isiraely? Mba hamaliana an'io, manambara ireo antontan'isa nampitain‘ny fikambanana Freedom 4 Refugees, ny tranonkala JOL Press:

“Sahabo ho 50.000 eo ho eo ireo afrikana mpangataka toerana fialokalofana sy mpitsoa-ponenana miaina any Israely ankehitriny. Nandositra ny haza lambo izahay, ny hery miaramila, ny jadona, ireo adin'ny sivily sy ny fanaovana vono moka. Raisin'ny governemantan'i Isiraely ho toy ny jiolahy izahay raha toa ka tokony ho mpitsoa-ponenana” hoy ny fanazavan'ny Freedom4Refugees.

“Mangataka ny fanafoanana ilay lalàna izahay, ny fampiatoana ireo fisamborana, sy ny famotsorana ireo mpangataka  fialokalofana rehetra sy ireo mpitsoa-ponenana voafonja”, hoy hatrany ny nambaran'ireo mpitsoa-ponenana tao anatin'ny fanangonan-tsonia iray nampitain'ny fikambanana Freedom4Refugees. Manam-piaviana sodàne, sodàne-tatsimo sy eritreana ny ankamaroany, mangataka ihany koa ireo mpanao fihetsikesehana mba ho “atao tsirairay, tsy mitanila ary mangarahara” ireo fangatahana fialokalofana.

Ny sasantsasany amin'ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana izay miady ho an'ireo Afrikana dia manipika ny endrika fanavakavahana misy amin'ireo fepetra atao ny mpifindra-monina afrikana. Ny tranonkala Al Monitor dia manasongadina fa:

At the same time, however, there are some 93,000 “tourists without valid visas” in Israel, about half of them from the former Soviet Union. Needless to say, the government is not building special detainment centers for them. The number of people requesting asylum is also significantly lower than the number of legal guest workers in Israel (approximately 70,000), much to the relief of those companies that arrange to bring them to the country and employ them.

Etsy andaniny anefa misy 93.000 ireo “mpizaha tany tsy manana taratasy fahazoana mivahiny ara-dalàna” any Isiraely, manakaiky ny antsasak'izy ireo no avy any amin'ny Firaisana Sovietika taloha. Tsy ilaina ny milaza fa andalam-panorenana ivon-toerana fihazonana manokana azy ireo ny governemanta. Vitsy kokoa noho ny isan'ireo vahiny mpiasa monina ara-dalàna any Isiraely ny isan'ireo olona mangataka fialokalofana (eo ho eo amin'ny 70.000), fiadanan-tsaina sy tombony ho an'ireo orinasa izay mikarakara ny fitondràna azy ireo ao amin'ny firenena sy mampiasa azy ireo.

Manaitra ny tsy firaharahàna misy eo anivon'ny iraisam-pirenena. Tao anatin'ny lahatsoratra iray navoakan'ny Rue89, mamaritra ny fanavakavahana isan'andro atao ireo Mainty any Isiraely i Renée Greusard:

Rehefa mandinika io tranga io isika, mandanjalanja ny teniny sady miteny miadana i David Sheen,  amerikanina iray mpanao gazety manao hoe:

“Ny halalin'ny fanavakavahana any Isiraely ankehitriny, azo ampitahaina amin'izay efa nisy tany amin'ireo firenena tandrefana, dimampolo, enimpolo taona lasa izay. Voaompa eny andalana ny olona. Matetika, raha vao miditra anaty fiara mpitatitra olona ireo mainty, mitampin'orona ny olona, mibahana ireo toerana eo akaikiny, manokatra ireo varavarankely, manao vava ratsy: “Ah! Tsy misy ilàna itony mainty hoditra itony an!”

Any amin'ireo firenena hafa, sahirana noho ny fisainany mpanavakavaka ny olona. Tsy milaza izany ampahibemaso izy ireo. Eto, tsia. Fanavakavahana efa azo antoka io, ary mirehareha amin'izany ny olona.

Hita hatrany anatin'ireo fanehoan-kevitra nivoaka tamin'ireo bilaogy na media ety anaty aterineto tahàka ny  lemonde.frseneweb.com, tempsreel.nouvelobs.com, sy ny sisa, ireo fihetseham-po mankahala mainty ireo.

Ny fanehoan-kevitra tsirairay dia matetika no manainga fahalianana sy misarika fironana hanaiky na hanilika azy. Arak'izany, naharaisana fanehoan-kevitra miisa 2 410 ny lahatsoratr'i Jack Guez teo amin'ny news.yahoo.com. Maro tamin'ireo fanehoan-kevitra ireo no nahazo “Tia” marobe. Nahazo hevitra 82 manaiky azy ny fanehoan-kevitra manaraka eto ambany nivoaka taorian'io lahatsoratra io:

People criticize Israel but no one says a thing about Saudi Arabia, why? 

Saudi Arabia expelled 200,000 Africans a few weeks ago!

Mitsikera an'i Isiraely ny olona saingy tsy miteny kosa mikasika an'i Arabia Saodita, fa nahoana?

Nandroaka Afrikana miisa 200.000 i Arabia Saodita herinandro maromaro izay!

Niato ireo andianà fihetsiketsehana vokatry ny fahafatesan'i Ariel Sharon. Saingy mbola tsy tapitra kosa ny fahasahiranan'ireo tsy manana taratasy ara-dalàna tany Isiraely.  Taorian'ny nilaharana nanoloana ireo biraon'ny  Kaomisaria Ambonin'ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Mpitsoa-ponenana (HCR) ary koa nanoloana ireo masoivohon'ireo firenena vahiny any Tel-Aviv, nanao fihetsiketsehana nanoloana ny Knesset izy ireo, Parlemanta Isiraeliana any Jerosalema. Kanefa, manohy mitàna ireo heviny tsy dia manome fanantenana loatra ny governemanta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.