Santas Miafina Virtoaly – Ny Fomba Global Voices

GV Secret Santa

Hafatra miafina avy amin'ny GV mpanolotra fanomezana krismasy virtoaly iray avy any India ho an'ny “lasibatra” iray any Alemaina

Iray amin'ny fomba fanao krismasy adaladala indrindra ny mampihiratra olona iray (tsy misy filazana anarana) amin'ny alalan'ny fanaovana zavatra tsy ampoizina mandritra ny volana desambra.

Manodidina ny 20 teo ho eo ny mpanoratra sy mpandika lahatsoratr'i Global Voices nisoratra anarana ho “Santas Miafina” virtoaly tamin'ity taona ity ho an'ny mpikamban'ny GV iray hafa [Nisoratra anarana hanolotra fanomezana ho an'ny hafa]. Nahita onjam-pifaliana niampita aterineto niainga avy any Ejipta ho any Ethiopia, Pakistan mankany Brezila, India mankany Alemaina izahay.

Saingy ahoana moa izany no hampintaintainana olona iray [amin'ny fomba virtoaly] mandritra ny iray volana manontolo, mandefa hafatra tsy mampiseho ny anaranao? Toy izao ny tetika vitsivitsy tamin'ireo nanandrana ary nahomby!

Manangana adiresy imailaka na twitter vaovao hanolorana hafatra krismasy amin'ny “lasibatra” handefasana fanomezana. Avy eo mieritreritra zavatra azo sy tsy azo tsapain-tanana. Manampoka azy amin'ny alalan'ny raki-kira, tononkalo na sertifikàn'ny loka amin'ny alalan'ny imailaka.

Manolotra karazana ankamantatra hamantaran'ny andefasanao fanomezana ny mombamomba ilay Santa [mpanolotra]. Mandefa hafatra amin'ny fiteny isan-karazany ao amin'ny lalanao. Mividy fanomezana avy amin'ny mpivarotra ao an-toerana hanafenana ny toerana misy anao. Mandefa feon-kira ho azy. Sarintava vita tanana. E-karatra (paositra). Retweet ny tweet-ny.

Ary mazava ho azy fa misy hatrany ny fahafahana misafidy mandefa karatra na fanomezana amin'ny alalan'ny mailaka. Saingy hamarino ny fitokisana 100% ny raharaham-paositra iraisampirenena, na hahita hafatra tahaka izao manaraka izao ianao:

Solaaaaa, my santaaaa forgot meeee

Solaaaa, nanadino ahy ny santaaaako

Tany amin'ny farany moa dia tsy nisy ifandraisany tamin'ny krismasy (fa maro amin'ireo mpanao fanomzana aza no tsy mankalaza krismasy) akory ilay zavatra fa mipaka lalina kosa amin'ny finamanana sy ny fikambanana miampita sisintany sy fahazoana manararaotra manao zavatra vaovao.

Ho an'ireo rehetra tsy “adino” nahazo tsikera feno fandokafana ireo GV Santas [mpanolotra fanomezana krismasy]:

My Santa was extremely witty and kept sending me cool hints about herself and where she comes from. Very very creative. Loved the entire experience 🙂

Mahatsikaiky ahy tokoa ilay nanolotra fanomezana krismasy ho ahy ary nampiseho marika vitsivitsy ahafantarana an-dravehivavy sy hoe avy aiza izy. Tena mahay manao zavatra. Tiako ilay tantara iray manontolo 🙂

My Santa is the most amazing one I've ever had. Made me smile with thoughtful gifts and messages. Thing is… I still don't know who she/he is!!! Come out dear Santa! 🙂

Anisan'ny tena mahatalanjona indrindra tsy mbola fahitako hatrizay ny mpanolotra fanomezana krismasy ahy. Nampitsiky ahy amin'ny alalan'ny fanomezana sy hafatra misy isainana. Hitako ilay zavatra… fa tsy mbola fantatro mihitsy hoe iza izy!!! Mivoaha ry Santa ô! 🙂

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.