Dragona 3D Manome Aina Ny Vinan'ny Ankizivavy Kely 7 Taona Ao Aostralia

3D Dragon

Dragona 3D – sary tao amin'ny Facebook-n'ny CSIRO Facebook

Dragona 3D iray vita tamin'ny “titanium” sy ankizivavy kely fito taona no taharo niteraka ny tantara iray tsara indrindra tamin'ny andron'ny taona vaovao 2014. Feno rehareha ny Fikambanana Mpanao Fikarohana Siantifika sy Indostialy ao Aostralia ( CSIRO ) nitatitra tao amin'ny bilaoginy :

Tany am-piandohan'ity herinandro ity, namoaka lahatsoratra mikasika taratasy iray voarainay avy amin'i Sophie izahay, ankizivavy kely fito taona. Ny hany zavatra niriany, dragona kely iray

“Tsy mbola nikitika resaka dragona tanaty angano, mamoaka afo amin'ny vavany velively ny asanay. Ary amin'io ry Aostralia, dia miala tsiny indrindra izahay,” hoy ny navalinay.

Sophie's very polite letter

ny taratasy feno fanajàna avy amin'i Sophie – Sary avy amin'ny bilaogim-baovaon'ny CSIRO

Manohy ry zareo:

…Tsy vitanay ny nipetraka fotsiny tsy hanao na inona na inona. Sady koa, nampanantena an'i Sophie ny hijery ny amin'io izahay.

Araka izany, ity maraina ity tamin'ny 9:32 mn (AEDT), teraka ny dragona iray

Azoanao jerena eto ny nanaovana azy :

Niavaka ny fanehoankevitry ny “Gizmodo Australia” , tranonkalam-baovao momba ny teknolojia, tao amin'ny twitter  ary im-betsaka no nisy namerina nibitsika :

Dragona Iray Vita Tamin'ny Titanium Nataon'ny CSIRO Printy 3D Ho An'ankizivavy Kely 7 Taona. Satria Vitany Izany

sombim-baovao manainga fanahy nankasitrahan'ny KMB :

Maka bàhana kely manao ‘Ahhh’ miala amin'ny andron'ny ‘vaovao’ iray mifanohitra amin'izay nolazaina  MT”@CSIROnews: Nangataka i Sophie. Nanao dragona iray izahay

Toy izany no nataon'i Rachael McDiarmid:

Ry Akama, TIAKO fotsiny izao ny CSIRO . Malaza! Sady dokambarotra goavana. Fampandehanana haingana ny dragona R&D fandaharanasantsika

Hitan'i Damon Meredith ny vokatr'ity serasera amin'ny daholobe ity ho an'ny sampan-draharaha iray ambany fiadidian'ny governemanta :

Izaho, amin'ny maha-mpandoa hetra ahy, dia manohana ny fikarohana misimisy kokoa momba ny dragona

Nazava tsy niolakolaka i Hugh Jørgensen niresaka momba ny fampihenana ny tetibola:

Ary mamatsy vola an'ireo olona ireo isika satria nahoana? MT @ CSIROnews Nangataka i Sophie, dia niteny isika fa hijery ny momba an'izay. Nanao dragona iray isika.

Kanefa, nisy fanamarihana marikivy iray avy amin'i John Derry :

Tsy hanome na dia vongany iray mikasika izay Sophie na ny dragony any aho

Saingy tian'i Penny Timms kosa ilay fiafaràna tsara :

Iza no milaza fa mikasika loza voajanahary sy faharavana hatrany ny vaovao? Fiafaràna tsara sy mahafinaritra. Manao #dragon vita titanium ho an'ankizivavy kely ny  #CSIRO #Brisbane

Vavy ilay izy ka noho izany dia ‘Bangaridana’ (Toothless) no anarany araka ny natolotr'i Sophie Lester.

Sophie's dragon

Ny dragona-n'i Sophie – Sary natolotry ny page Facebook CSIRO

Raha izy miandry ny fanaterana ny dragona ho azy, ny reniny kosa naneho ny haravoan-janany vavy :

Nilaza i Rtoa Lester fa safononoky ny hafaliana i Sophie tamin'ny valintenin'ny CSIRO ary niteny tamin'ny olona rehetra fa ho azo atao toy ny solika vaovao ny fofonain'ilay dragona

”Miteny daholo ankehitriny ireo namany rehetra fa fanirian'izy ireo ny ho lasa siantifika ary Sophie miteny fa amin'izao fotoana dia tiany ny hiasa ao amin'ny CSIRO. Ambàrany fa tsy misy tsy vitan'ireo Aotraliana siantifika ny zavatra rehetra” , hoy izy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.