Taonan'ny Pogrom Ao Rosia

Locals take to the streets in Arzamas, 10 December 2013, YouTube screenshot.

Ireo mponina ao an-toerana eny amin'ny arabe feno rahona ao Arzamas, 10 Desambra 2013, pikantsary YouTube.

Taona mamaivay indrindra ho tamin'ny herisetra ara-poko tao Rosia ny tamin'ny 2013. Nitantara tranga anankiroa ny RuNet vao haingana: rotaka tao an-tanànan'i Biryulyovo, manodidina an'i Moskoa sy ny fitroaram-bahoaka tao an-tanànan'i Pougatchev. Tamin'ireo tranga roa ireo, dia setrin'ny famonoana Rosiana avy amin'ny foko hafa ireo rotaka ireo. Ny voina farany indrindra, izay nitranga tamin'ny faran'ny herinandro lasa tao an-tanànakelin'i Arzamas, miorina 410 kilometatra atsinanan'i Moskoa, dia tsy misy hafa amin'izany ihany koa. Lehilahy 26 taona no namoy ny ainy noho ny tsindron'antsy tamin'ny 7 Desambra 2013, nandritra ny ady an-dalambe teo ivelan'ny fisotroana kafe iray tao an-toerana. Ora fohy taty aoriana, namoy ny ainy tany amin'ny hopitaly ihany koa ny tovolahy iray hafa tafiditra tamin'ity gidragidra ity. Voampanga tamin'ireo tsindron'antsy ny mpiasa Armeniana iray tao amin'ny fisotroana kafe.

Niezaka nandamina ny raharaha  niaraka amin'ireo mponina tao an-tanàna, izay nidina an-dalambe hitaky hisian'ny fisamborana sy fitsarana, ireo manampahefana tao amin'ny faritra, saingy tsy dia nahomby izany- Nilaza ny  bilaogera tao an-toerana [ru] ny nanomezan'ny Ben'ny tanàna tsiny ireo mponina ao an-toerana nandritra ny fivorian'ny fiadidian'ny tanàna tamin'ny 8 Desambra ho mampitombo ny korontana. Nandritra izany fotoana izany, nohararaotina izany rotaka izany ho fialàna tsiny hoentina hisamborana mpanohitra iray ao amin'ny faritra, mpikambana ao amin'ny antoko “Rosia hafa”, Dmitri Isusov [ru]. Efa nitaky ny fametram-pialàn'ireo manampahefana ao amin'ny faritra i Isusov [ru] taloha noho ny tsy fahombiazan'izy ireo tamin'ny famahàna ny raharaha vono olona roa sosona.
 

Bilaogera ao amin'ny faritra drugoi_nnover kosa nahita ireo fitroarana ho fanehoana hita maso amin'ny tsy fitokisan'ny vahoaka, hoy izy nanoratra [ru]:

Выступающие арзамасцы подвергли жесткой критике правоохранительную и судебную систему города, выразили крайнее недовольство коррупцией, пронизавшей местную власть, сращиванием власти и криминала этнического происхождения, отсутствием реальных шагов по обеспечению общественной безопасности.

Nitsikera mafy ireo rafitra mpampihatra lalàna sy ny fitsarana ao an-tanàna ireo mpandray fitenenana avy ao Arzamas, naneho fahadisoam-panantenana tanteraka amin'ny fisian'ny kolikoly tafiditra lalina ao amin'ny governemantam-paritra, ny fiarahan'ny governemanta sy ireo mpamono olona ara-poko, ary ny tsy fisian'ny fepetra mivaingana hiantohana ny fiarovam-bahoaka.

Andrei Rudoi, mpikatroka iray ao amin'ny fikambanana politika, Manda Ankavia, namoaka famelabelarana [ ru ] tao amin'ny Ekho Mosky izay tsy nanekeny ny fomba fijerena ny toe-draharaha – notsikerainy ho mamorona fahavalo tsy izy ireo manampahefana mba hampiraisana ny fiarahamonina Rosiana.


Etsy andaniny, bilaogera ao amin'ny LiveJournal, kosarex nihevitra [ ru ] fa ireo tranga tao Arzamas ireo dia mampiseho fa matahotra hanenjika ireo olona avy ao Kaokazy ireo manampahefana, saingy efa nisy fivoarana izany toe-draharaha izany – tahaka ny polisy nahazo andro tsy iasana ireo mihamaro midina an-dalambe ireo. Nanontany [ru] tao amin'ny bilaoginy ihany koa i Eva Vasiljeva mikasika ny antony mahatonga ireo manampahefana toa tsy miraharaha ny loza nitranga nitarika ho izao toe-draharaha izao
:

Неужели людям надо постоянно устраивать погромы, как в Бирюлево, чтобы следствие выполняло свои обязанности?

Mila mikarakara fandripàhan'olona hatrany ve ny vahoaka, tahaka ny ao Biryulyovo, mba handraisanireo mpanao famotorana ny andraikiny?

Mpanao fanadihadiana politika, Yevgeny Minchenko nilaza [ru] fa mihalalina tsy araka ny ahiahian'ny vahoaka ny olana ankehitriny:

Существует действительно много проблем с этническими группировками, с этническим бизнесом, которые пренебрегают местными правилами. На самом деле межнациональных конфликтов даже больше, чем те, что попадают в СМИ. Я часто общаюсь с представителями силовых структур. Они говорят о массовости подобных столкновений.

Maro tokoa ireo olana hita amin'ireo vondrona ara-poko sy mpandraharaha avy amin'ny foko hafa, izay tsy mahafantatra ny fitsipika ao amin'ny faritra. Raha ny marina dia, maro kokoa ireo ady eo amin'ny foko samihafa tsy araka ny hita amin'ny tatitra amin'ny fampahalalam-baovao. Matetika aho miresaka amin'ireo solontenan'ny mpampihatra ny lalàna. Miresaka momba ny fihetsiky ny daholobe amin'ny fifandonana tahaka izao ry zareo.

Raha hiverenana ny tao Arzamas, nisy ny fikasana hanao fihetsiketsehana tamin'ny Asabotsy hariva, herinandro taorian'ny gidragidra. Indrisy anefa fa ny fitambaran'ny fitadiavan'ny manampahefana fahavalo iombonana miaraka amin'ny kolikoly, ny fahakamoana ary ny tahotr'izy ireo mpitsoa-ponenana dia midika fa mbola hitohy izao karazana gidragidra izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.