Misokatra Ny Fifantenana Ireo Hifaninana Amin'ny (Bloggies Award)

Misokatra hatramin'ny 25 Janoary ny fisoratana anarana amin'ny Loka Bloggies 2014.

Ny sokajy hoan'ireo kandidà voafantina dia mikasika ireto faritra ireto (Azia, Afrika, Eoropa, sns) ary  lohahevitra tahaka ny Fampianarana, LGBT (fiarahan'olon-droa mitovy taovam-pananahana), Politika, Saripika, sns ary miampy ny «fomba fanoratra tsara indrindra amin'ny bilaogy”, “bilaogim-piarahamonina tsara indrindra”, “fitazonan-tsiambaratelo tsara indrindra » ary ny «Zava-bita nandritra ny fiainana». Afaka misoratra anarana ihany koa ianao mba ho isan'ireo mpifidy voafantina an-kisendrasendra mba hifidy izay ho mpifaninana ho any amin'ny famaranana …

Fitsipika vitsivitsy:

  • Azo raisina izay pejy ahitana daty nanaovana azy ka nisy nandritra ny taona 2013.
  • Vatom-pifantenana iray ihany sy vato iray amin'ny famaranana ihany no azo ampidirina isan'olona.

Ambara amin'ny faran'ny volana Martsa izay ho mpandresy amin'ny weblog, ary hahazo vola mitentina 2,014 cents dolara etazonia sy lazam-bilaogera mahafinaritra kely.

Afaka manaraka ny pejy twitter momba ny fifaninanana weblog @Bloggies sy facebook ianao raha mila fanampim-baovao.

Sary nalaina tao amin'ny pejy twitter-n'ny weblog.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.