Ny Tambajotra Kaokazy

"Yeti TV" Dombay Mountain

“Yeti TV” any amon'ny Tendrombohitr'i Dombay, Kaokazy, 2006. saripika avy amin'i  Gleb Kachaev (CC BY-NC-SA 2.0)

Novokarin'i Mari Bastashevski sy i Sergey Ponomarev ity andianà lahatsoratra sy lahatsary ity ho an'ny tetikasa RuNet Echo an'ny Global Voices mba hitantarana ny tontolon'ny bilaogy any Kaokazy Avaratra Rosiana. Raha ny marina dia tsy misy angom-baovao azo raisina mihitsy ny tontolon'ny bilaogy any amin'iny faritra lavitra iny. Hatraiza ny fitovian'ny fahavitrihan'ny aterinetony amin'ny faritra hafa any Rosia sy maneran-tany ? Ny mampiavaka ity fanadihadiana ity dia ny fampisehoany ny fahasamihafan'ny tontolon'ny bilaogy eo amin'ny mpitoraka bilaogy any amina foko Rosiana sy ny mpitoraka bilaogy any Kaokazy Avaratra.

Mitatitra tantara iray miavaka mba handinihana ireo karazana sokajim-pampiasa aterineto mahazatra any Kaokazy Avaratra ity andian-dahatsoratra sy mombamombana mpitoraka bilaogy ity.

Fizahan-takelaka

Inona no hataonay : ataon'ny mpitoraka bilaogin'ny Global Voices ny tatitra momba ny fampiasanan'ny mponina ny haino aman-jery sosialy sy ny aterineto mba hampandrenesany ny feon'izy ireo, mazàna avy aminà fiteny samy hafa sy ho aminà fiteny samihafa izy ireny. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.