Ny Rosiana Miresaka Ny Fiverenan'i Sherlock

Still from the BBC's trailer for Sherlock's series three premiere. YouTube screenshot.

Avy amin'ny fampafantarana ny andian-tsarimihetsik'i Sherlock andiany fahatelo ao amin'ny BBC. Pikantsary YouTube.

Efa ela hatramin'ny vanim-potoanan'i Victoria mpanjakavavy i Rosia no mpankafy ny zavatra anglisy. Na dia somary nihahenjana aza ny fifandraisan'i Angletea sy i Rosia tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, dia tsy nisy fiantraikany loatra tamin'ny fomba fihevitry ny olon-tsotra izany. Mpirangorango ny Premier League Football Anglisy ny Rosiana, izay ahitana an'i Roman Abramovich tonga hatrany amin'ny fividianana ny ekipan'i Chelsea FC. Nividy trano maro tokoa tao West End ao Londra ny Rosiana mpanankarena ka lasa esoesoin'ny Londoniana ho “Londongrad” ny tanànan-dry zareo na hoe “Moscow-on-Thames” [Moskoa Ambonin'ny onin'i Tamizy]. Raha nampisara-tsaina aoka izany ny fihetsiky ny tao Angletera tamin'ny fahafatesan'i Margaret Thatcher, ny Rosiana kosa saiky nitovy avokoa tao anatin'ny jonitra tamin'ny fahalasanan'ny “Zheleznaya Ledi” Na “Ramatoa Firaka (Vy Mafonja)”.

Tsy mety lany manja mihitsy ny literatiora anglisy. Ilay mpitsongo-dia mpihaingo antsoina hoe Doyle, mpanandratra fatratra ny ara-tsaina sady nampiana-tena, dia efa namboarina matetika ho sahaza ny fijerena azy tamin'ny sarimihetsika Sovietika sy Rosiana, ary vao haingana teo tamin'ny 2013, rehefa notatatataina fatratra ny hisian'ny tantara an-tsarimihetsika mitohy (nefa toa nahazo tsikera ratsy).

Tsy dia mahagaga loatra noho izany raha maro ny Rosiana no nitaintaina fatratra niandry ny taombaovao handefasana voalohany ny tantara mitohy an-tsarimihetsika andiany fahatelo amin'ny Sherlock, avy amin'ny tantara efa nasian'ny BBC fanamboarana izay mametraka indray ny tantaran'i Sherlock Holmes sy ny mpanampy azy, Dr. John Watson, ho aty amin'ny taonjato faha-21. Nanomboka nalaza ao amin'ny Twitter ny anaran'ny tantara mitohy amin'ny endri-tsoratra Sirilika, “Шерлок”, ary mihamaro ny Rosiana no tsy miala eo amin'ny Fantsona laharana voalohany ao Rosia. Ny fizarana voalohany dia mametraka ilay maherifo voalohany hiverina ao Londra rehefa tsy tao nandritra ny roa taona, izay nanaovany mody maty mba hahafahany mandrava ny fanjakan-jiolahin'ilay fahavalony, Jim Moriarty.

Miherongerona moramora [ru] amin'ny fientanentanana hita an-tserasera i British Dreams, kaonty twitter Rosiana manjohy ny Rosiana mpankasitraka ny televiziona britanika.

Taona 2023. – “Neny a, nahoana aho no natsoina hoe Sherlock?” – “Fotoana nampisaritaka ahy tamin'izany fotoana izany ry zanako vavy.”

Nampisara-tsaina ny mpijery azy ilay fizarana efa nandrasana hatry ny ela, izay niteraka sahoan-dresaka tokoa tamin'ireo mpankasitraka tafahoatra. Misy ny sasantsasany faly [ru] tamin'ny fiverenan'ny tantara. 

Sherlock no tantaram-pitsongoan-dia tsara indrindra manerantany. Mety tsara ny andiany fahatelo. Tsara.

Tsy afa-po loatra ny hafa. Bilaogera iray, izay fantatra amin'ny anarana maha-mpanoratra azy hoe “have gods love” nitanisa ireo antony maro [ru] tsy nampiraika loatra ny namany ny fizotry ny fizarana voalohany tamin'ny andiany fahatelo, ka ao anatin'izany ny fanitarana tafahoatra ny resaka pelaka (tamin'ny kivazivazy tao amin'ny sarimihetsika dia matetika noheverina diso ho pelaka mivady i Watson sy i Holmes, lehilahy roa lehibe miara-monina ao Londra Andrefana.

Стон катится по френдленте: новый Шерлок не так хорош.
Слишком много кривляний, слишком много стеба, слишком много внимания фанатам, слишком много отношений, слишком много гомосексуальной темы, слишком мало сюжета… Андерсон не тот, Мэри никакая…
И главное – “Что-то не так. Вроде как те же и там же, но не так”.

Misy fimonomononana miely ao amin'ny randran-dresaka zohìko: tsy tsara loatra ilay Sherlock vaovao.
Miasa be loatra, mananihany be loatra, manasohaso ny mpankasitraka be loatra, maro loatra ny olom-pantany, be loatra ny resaka pelaka, kely loatra ny fosafosa sy ny fingampingana… Tsy ao tsara i Anderson [iray amin'ny mpifaninana madinika amin'i Sherlock], Avy aiza ity Mary [fofombadiin'i Watson vaovao] ity…
Ary indrindra – “Misy zavatra tsy mandeha tsara. Mitovitovy amin'ny tantara tantara mitohy fahita, fa tsy izy”.

Maro ireo mpiserasera Rosiana no nanambara ny hitsarahany tsy hijery ny tantara mitohy, satria tsy tiany ny fizarana voalohany. Saingy, ny fahalianana ateraky ny fizarana voalohany no mampiseho hatrany ny lazan'ny kolontsaina britanika fanondrana any ivelan'ny firenena ao Rosia. Ny halakin'ny fantsona fahitalavitra rosiana voalohany nanana dika ho amin'ny teny rosiana efa vonona haely (ary ny iray, araka ny lazain'ny bilaogy iray miompana manokana amin'ilay tantara mitohy, dia tena nahitana fanatsarana goavana [ru] [raha noharina] tamin'ireo andian-tantara roa voalohany) ary mampiseho ihany koa fa tsy iadian-kevitra hatrany ny fitadiavan'i Rosia ny fialam-boly britanika, na dia eo aza ny fironan'i Moskoa hanadrohadro an'i Angletera. Na inona na inona holazain'ny manampahefanan'i Kremlin amin'ny fivoriana iraisampirenena, dia azo atao ny mitoky fa hihaino hatrany izay teny mivoaka eo imolotr'i Benedict Cumberbatch ny Rosiana olo-tsotra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.