Tifirin'ny Polisy Ireo Mpiasa Mpitokona Avy Amin'ny Fanenoman-damba Tao Kambodza

Iray amin'ireo saripika androany (05/01/2014). Azo tamin'ny fiandohan'ny tolakandro tao Veng Srey BLVD, Phnom Penh, #Cambodia.

— Ate Hoekstra (@HoekstraAte) 3 Janoary 2014

Efatra no voamarina fa maty ary ampolony no naratra taorian'ny nifandonan'ny polisy sy ny tafika tamin'ireo mpiasan'ny fanenoman-damba nanao fitokonana taomin'ny faritra indostrialy tao Phnom Penh, renivohitr’ Kambodza.

An'aliny ireo mpiasan'ny fanenomana no manao fitokonana nanomboka tamin'ny herinandro faran'nyvolana Desambra taorian'ny nandavan'ny governemanta ny fangatahan'ireo sendika hampiakarana ny karama faranyambany ho $160. Ny karama farany ambany amin'izao fotoana izao dia $80 monja ary ny filankevitry ny asa dia $15 monja no ekeny homena ho fisondrotan'ny vata-karama. Satria nihamafy ny hetsi-panoherana, neken'ny governemanta ny hanampy $5 indray ny fisondrotan'ny karama farany ambany indrindra.

Saingy tsy niala tamin'ny teniny ireo mpiasa tamin'ny fitakiany ny fisondrotan-karama farany ambany indrindra $160. Indostria mpanondrana mampiditra $5 lavitrisa ho an'i Kambodza ny sehatry ny fanenoman-damba izay mampiasa olona maherin'ny 600.000. Maro amin'ireo marika lamba fanta-daza eran-tany no maka ny akora ampiasainy avy any Kambodza, izay manana ny karama farany ambany indrindra faran'izay ambany any amin'ny faritr'i Azia-Pasifika.

Nitatitra ny zavatra hitany teny amin'ny toerana nitrangan'ny fifandonana i John Vink  :

Olona 3 raha kely indrindra no maty voatifitra ary marobe ireo naratra mafy noho ireo bala natifitry ny tafika mitam-piadian azy ireo nandritra ilay fandravàna tamin-kerisetra iny maranan'ny 3 Janoary iny teo amin'ilay sakana nataon'ireo mpitokona an'arivony tao amin'ny araben'i Veng Sren, faritra indostrialy ao Phnom Penh. Marobe ireo hafa voasambotra ary nopetahana herinaratra koa tamin'izany, nokapohana na nodarohana mandra-pahatorany

Saripika nampivarahontsana naneho ireo naratra/maty tao amin'ny Faceboook. Toy ireny ady an-trano ireny fa tsy famoretana #protests. #Cambodia

— Cambodia Guide (@camboguide) 3 Janoary 2014

Niakatra ny hafanana omaly (04/01/2014) rehefa nisambotra maro tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana ny polisy, hatramin'ireo ‘moines’ sy mpikatroka mafàna fo mpiaro ny zon'olombelona. Ho setriny, nametraka sakana teny an'arabe ireo mpanao hetsi-panoherana izay nezahan'ny polisy nodiovina ny maraina. Nilaza ireo nanatri-maso fa nampiasa bala tena izy ny polisy tamin'ny fanaparitahana ilay fihetsiketsehana.

mameno ny arabe Veng Sreng ny polisin'ny tafika. Efatra raha kely ireo mpanao hetsi-panoherana no voasambotra ary ira no hita vonto rà

— Vannarin Neou (@vannarinneou) 3 Janoary 2014

Licadho dia namaritra ilay famoretana ho ny “ratsy indrindra tamin'ny herisetram-panjakana natao tamin'ny sivily nitranga tao Kambodza tato anatin'ny dimiambinifolo taona.”  Takian'ilay vondrona mpiaro zon'olombelona ny hoe

…tsy maintsy hampiatoan'ny mpitandro filaminana avy hatrany ny fampiasana bala tena izy hamelezana ny sivily ary ny hiantohana ny fitondràna ireo rehetra naratra ho any amin'ny hopitaly tsy misy hatak'andro

“Ou Virak” avy amin'ny Ivontoerana Kambodziana momba ny Zon'Olombelona dia mihevitra hoe nanao ireny hetsika ireny ny polisy ho fiarovana ny tombontsoan'ireo fandraharahàna goavana:

Raha ny maro tamin'ireo fihetsiketsehana politka nitranga nadritra ireo volana vitsy lasa no nahitànafifehezan-tena avy amin'ireo mpitandr filaminana, misy fifandrohizana mazava tsara eo amin'ny fampiasàna tafahoatra ny herisetra ataon'ireo mpitandro filaminana sy nyfiarovana ireo fandraharahàna goavana ao Kambodza. Tamin'ireo tranga 25 voamarikay fa nisianà fampiasàna hery tafahoatra, 21 no mifandray aminà fitokonana nataonà mpiasan'ny fanenoman-damba na mpanao hetsi-panoherana mikasika resaka fananan-tany.

Sàkana ery amin'ny lohalaharana

— Kevin Doyle (@doyle_kevin) 3 Janoary 2014

Nopotehan'ireo mpirotaka ny Klinika Ekreach taorian'ny nandàvany tsy hitsabo ny sasantsasany naratra tamin'ny fifandonana iray tao amin'ny Kianja Canadia, Jan 3.

— Sopheak SREY (@sopheaksrey) 3 Janoary 2014

Nahazo ny fanohanan'ny Antokom-Panavotam-Pirenena ao Kambodza ireo mpiasa, antoko nivoady fa hanondrotra $160 ny karama raha vitany ny miakatra eo amin'ny fitondràna.

Nikarakara hetsi-panoherana isanandro tao amin'ny kianjan'ny Fahafahana ao Phnom Penh ny avy amin'ny fanoherana mba hanilihana ny governemanta amin'izao fotoana izay ampangaina ho nanodinkodina ny fifidianana tamin'ity taona ity. Teo amin'ny fitondrana ny Praiminisitra Hun Sen nandritra ny telopolo taona farany na dia very seza maro aza ny antokony tamin'ny fifidianana solombavambahoaka natao vao haingana teo. Nibodo ny fotoam-pivorian'ny antenimiera ny avy amin'ny fanoherana na dia manana seza 55 aza.

Marobe ireo mpiasa tonga nanatevina laharana ny famoriam-bahoaka nataon'ny mpanohitra izay mety hanozongozona ny fitantanan'i Hun Sen. Nivody ireo sendikàn'ny mpiasa fa hanohy ireo hetsi-panoherana mandra-panaikin'ny governemanta ny fitakian'izy ireo.

Nambaran'i Sam Rainsy, mpitarika ny mpanohitra, ny fikasan-dry zareo hametraka fitoriana ny governemanta noho ireo famoretana nihoson-drà natao tamin'ilay fitokonana :

Hametraka fitoriana any amin'ny CPI (Fitsarana Iraisam-pirenena momba ny Heloka Bevava) izahay mba hanenjehana ireo olon-doza eo amin'ny fahefana izay nanome baiko ny miaramila androany hitifitra ny mpiasa.

Etsy ankilany, ampangain'ny governemanta ny mpanohitra ho nanao izay hisian'ny herisetra mba hakàna ny fon'ny olona.

Niteraka ny fihetsiketsehana goavana indrindra tsy mbola fahita hatrizay tao Kambodza tato anatin'ny ampolotaona farany ny fitoonan'ny mpiasan'ny fanenoman-damba sy ny famoriam-bahoaka nataon'ny mpanohitra. Taorian'ny herisetra androany (05/01/2013), ahiana hiharatsy ny krizy politika ao Kambodza.

*Avy ao amin'ny pejy Facebook an'ny CNRP, antoko mpanohitra ao Kambodza ny hajiantsary nampiasaina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.