Tolo-Kevitra Fitondrana Tsara Tantana 3 Ho An'i Repoblikan'i Afrikafovoany, Madagasikara ary Mali

Firenena Afrikana miteny frantsay telo no mitolona hivoahana amin'ny krizy ara-tsosialy lavareny,izay teraka avy amin'ny rafitra politika potika. Tao anatin'ny dimy taona farany i Repoblikan'i Afrikafovoany, Madagasikara ary Mali no nisedra ireo fanonganana ara-politika izay nahitana ny fandraisana anjaran'ny vondron-kery mitam-piadiana: 

Ireo firenena telo ireo dia samy miatrika lalan-davitra tsy faleha mandra-pahatafapetraka tsara ny rafitra politika iray. Indreto ny fepetra telo voamarik'ireo fiarahamonim-pirenena ao amin'ireo firenena telo ireo hanombohan'ny fananganana indray ny rafitra politika.

Madagasikara  

 Nanoratra boky mitondra ny lohateny hoe “Opinion publique et bonne gouvernance à Madagascar” [“ny Hevi-bahoaka sy ny fitondrana tsara tantana eto Madagasikara”] i Emmanuel Jovelin, mpampianatra ao amin'ny oniversiten'i Lille, sy Lala Rarivomanantsoa, profesora ao amin'ny Oniversiten'Antananarivo Antananarivo. Nohadihadian'ireo mpanoratra ao ny olana isan-karazany mifandraika amin'ny fijerin'ny Malagasy ireo solontenany ara-politika. Iray amin'ny toko mendrika ny hojerena ny fanolorana tabilaon'ny fanombanana ny fitantanana eto Madagasikara. Toy izao ny hevitr'izy ireo [fr]: 

Le gouverné n'est pas, comme on a toujours tendance à le croire, une masse informe que le gouvernant pourrait modeler à sa guise. L'opinion qu'il se fait de la gouvernance prend des formes variées parfois contradictoires pour mettre en place une administration efficace. […] Mais l'ensemble des opinions recensées dans cette étude peut constituer la base d'une gouvernance respectant les règles de la démocratie […] La succession des différents régimes depuis l'Indépendance peut s'expliquer par une faiblesse des structures intermédiaires de dialogue (à travers l'administration et au sein de la société civile) qui n'ont pas fonctionné comme on aurait pu le souhaiter.  

Ny olona entina dia tsy vondron'olona tsy misy endrika, araka izay eritreretina, tadiavin'ny mpitondra volavolaina araka izay anaovany azy. Ny hevitra raisiny momba ny fitantanana dia maka endrika isan-karazany izay mety mifanohitra aza rehefa manangana fitantanana mahomby. […] Fa fitambaran'ireo hevitra voarakitra ato amin'ity fanadihadiana ity izay mety handrafitra ny fototry ny fitantanana manaja ny fitsipika demokratika […] Ny fifandimbiasan'ny fitondrana hatramin'ny fahaleovantena dia mety ho voazava avy amin'ny fahalemen'ny rafitra fifampiresahana antenantenany (amin'ny alalan'ny fitantanam-panjakana sy anivon'ny fiarahamonim-pirenena) izay tsy niasa araka izay niheverana azy.

Eto ambany ny tabilaon'ny fanombatombanana natolotry ry zareo tamin'ny asavitan'ny fitondram-panjakana amin'izao fotoana izao:

Screenshot of the  framework to evaluate governance in Madagascar from an extract of the book by Jovelin, Rarivomanantsoa - CC-license-BY

Pikantsarin'ny tabilaon'ny fijerena indray mitopy maso ny fitantanam-panjakana eto Madagasikara izay nosintonina avy amin'ny bokin'i Jovelin, Rarivomanantsoa – CC-license-BY

The first two lines details the skills/competence that any governing bodies should showcase and provide a scoring chart  :

1. Scoring for “Academic Achievement” : primary school: 1; secondary school: 2 ; higher education: 3.

2. Scoring  for the feasability of development programmes : weak : 1; medium: 2; strong: 3. 

Ny andalana roa voalohany dia mampahafantatra amin'ny antsipirihany ny talenta/haavom-pahaizana tokony asehon'ny rafitra mitondra eo amin'ny zoro fenoina :

1. Mametraka marika amin'ny “Haavom-pianarana Vita” : ambaratonga fototra: 1; Ambaratonga faharoa: 2; Fanabeazana ambony kokoa: 3.

2. Mametraka marika amin'ny fahavitana manao fandaharan'asam-pampandrosoana: kely : 1; antonony: 2; matanjaka: 3

Repoblikan'i Afrikafovoany

Lasa mampangitakitaka ny fitombon'ny isan'ny niharam-boinan'ny ady an-trano ao amin'ny Repoblikan'i Afrikafovoany : efa nahatratra 500 sahady raha kely ny isan'ny maty, araka ny tatitry ny vokovoko mena ao an-toerana.

Map of the battles in late 2012 in the CAR civil war via wikipedia CC License-BY

Sarintanin'ny fifandonana tamin'ny faramparan'ny taona 2012 nandritra ny ady an-trano tao Repoblikan'i Afrikafovoany via Wikipedia CC License-BY

Ny lahatsary manaraka no mandravaka ny halalin'ny tahotra sy ny tsy filaminana manjaka ao amin'ny firenena:

Mitatitra ny fivoriana Fiaraha-mijery ny fitondrana tsara tantana [fr] ao amin'ny Repoblikan'i Afrikafovoany ny bilaogy OCBG avy ao Bangui:

En Centrafrique ou ailleurs, par crainte ou par méfiance et quelquefois désintérêt à la chose politique, nombreux sont ceux qui se cachent [..] Notre pays a été marqué par des mutineries successives, des coups d’état et des rebellions ce qui affecte sa stabilité et son développement économique [..] En effet, les centrafricains attendent des gouvernants de demain : L’organisation d’une véritable armée nationale ; la garantie sécuritaire des populations sur toute l’étendue du pays ; l création des infrastructures (écoles, routes, hôpitaux, bâtiments administratifs etc.,) les accords de Libreville ne peuvent résoudre les problématiques récurrentes à notre pays, dans la mesure où Libreville a été qu’une course à l’échalote et des maroquins, aucun des protagonistes n’a posé la question relative à l’urgence sociale qui prévaut

Na any Afrikafovoany na any an-kafa, noho ny tahotra na mety ho tsy firaharahiana ny resaka politika indraindray, maro ny miafina [..] Voamariky ny fiokona miaramila misesisesy, ny fanonganam-panjakana ny firenentsika, ka miantraika amin'ny fahamarinan-toerana sy ny fampandrosoana ara-toekarena [..] Inona tokoa moa izany no andrasan'ny ao Afrikafovoany amin'ny mpitondra rahampitso : Fananganana sy fandrindrana ny tafi-panjakana tena izy ; ny fiantohana ny filaminan'ny mponina manerana ny firenena ; fananganana fotodrafitrasa (sekoly, lalana, hopitaly, tranom-panjakana, sns.,) Tsy mahavaha ny olana mianjady amin'ny firenentsika ny Fifanarahan'i Libreville [fifanarahana fampitsaharan'ady nosoniavina tamin'ny 2013 izay mampiditra ny mpanohitra o ao amin'ny governemanta], satria hazakazaka ho amin'ny fitadiavam-bola sy fahefana fotsiny ny tany Libreville, tsy nisy tamin'ny mpandray anjara mba nihevitra hanao vaindohan-draharaha ny sosialy tokony natao

Mali

Voavaha tamin'ny ampahany tamin'ny alalan'ny fidirana an-tsehatry ny miaramila frantsay tamin'ny 2013 ny krizy maliana, saingy tsy manakana ny hotakotaka tsy hitohy ny fisian'ny vondro-tafika mpitandro ny filaminana any amin'ny sisintany avaratra.

 A Tuareg rebel in northern Mali on wikipedia CC-license-BY

Mpioko Toaregy iray any avaratr'i Mali hita ao amin'ny Wikipedia CC-license-BY

Avy amin'ireo fanontaniana maro momba ny fitantanam-panjakana tsy voavaly no itateran'i Michael Bratton, Massa Coulibaly ary Fabiana Machado ny valin'ny fanadihadiana nataon-dry zareo tamin'ny olom-pirenena maliana, nanontaniana amin'izay andrasan-dry zareo amin'ny antsoina hoe fahaiza-mitantana [fanjakana] [PDF] : 

Malians prefer democracy to other political regimes but their perception of democracy is culturally distinct. Malian satisfaction with democracy is often seen in terms of the personal performance of individual political leaders. They judge the legitimacy of the state based on popular trust in public institutions and perceptions that public officials are not corrupt [..] Malians continue to regard the State as the most reliable provider of employment. They prefer cosnensus and unity to political and economic competition. 

Aleon'ny Maliana kokoa ny demokrasia toy izay rafi-pitondrana hafa saingy miavaka ara-kolontsaina ny fomba fandraisan-dry zareo ny atao hoe demokrasia. Ny fahafahampo maliana amin'ny demokrasia dia matetika amin'ny alalan'ny fijerena ny zavabitan'ny tompon'andraikitra politika tsirairay avy. Arakaraka ny fitokisan'ny vahoaka ny andrim-panjakana sy ny fijerena ny mpiasam-panjakana ho toy ny tsy manao kolikoly no itsarany ny maha-ara-dalàna ny fanjakana. [..] Mbola heverin'ny Maliana ho mpanome asa azo itokisana indrindra ihany Fanjakana. Mbola ny marimaritra iraisana sy ny firaisana ihany no mialoha ny fifaninanana ara-politika sy ara-toekarena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.