Asa Fampohorohoroana Kambana Nandraisana Taona Vaovao Tao Rosia

Volgograd's central train station billowing smoke after Sunday's deadly explosion. The iconic white fountain in the front was destroyed during the battle for Stalingrad (Volgograd's former name). The image is reminiscent of a war movie. YouTube screenshot.

Ny gara foibe ao Volgograd nidona-tsetroka taoran'ilay fipoahana nahafaty olona ny Alahady eo. Ilay rano mifantsitsiatra miloko fotsy mampiavaka azy eo anoloana dia dika nalaina tamin'ilay iray izay  simba nandritry ny ady tao Stalingrad (anaran'i Volgograd tany aloha). dikasary YouTube.

Fanafihana roa be izao tao Volgograd tao anatin'ny 24 ora latsaka monja no nanamarka ny fankalazana ny Taona Vaovao tao Rosia. Ireo fipoahana roa ireo no manaraka taorian'ilay tamin'ny Oktobra nahafatesana 7 [tatitry ny Global Voices].Tao anatin'ireo varavaran'ny gara foiben'ny fiaran-dalambin'i Volgograd no nipoaka ny baomba voalohany tamin'ny Sabotsy tolakandro, ary nahafatesana olona 17. Ny faharoa dia namotika “trolley bus” (fiara fitaterana mandeha herinaratra) ny Alatsinainy maraina, raha iny tao anaty ora fandehanana miasa iny ny olona, ary nahafatesana olona 14.

Zara raha misy fantatra aloha ny mikasika izay nanao azy ireny, saingy toy ny mahazatra dia efa mandroso ny kajikajiny sahady ny RuNet. Taorian'ny nahafantarana hoe i “Aksana Aslanova”, vadin'ilay Dagestani mpitari-tolona, no ilay nanao vy very ny ainy nanapoaka baomba tamin'ny Alahady, nilaza ireo bilaogera sasany fa nahita ny pejiny tao amin'ny Vkontakte ary nandefa hafatra tsy niriana sy feno fankahalàna tao. Mazava loatra fa hay Aslanova hafa ilay izy — nahatonga azy hanoratra fanavaozana tao [ru] manao hoe :

Уважаемые россияне, я не понимаю зачем вы мне пишете всякую ерунду, я жива и здорова, никакой терак не совершала, оставьте меня в покое.

Ry Rosiana malala, tsy haiko hoe fa dia inona no manosika anareo hanohy handefa zavatra tsy misy dikany tahaka izao aty amiko, velona sy salama tsara aho, tsy nanao asa fampihorohoroana, aza dia mifanelingelina.

Taorian'ilay fipoahana faharoa, marobe ireo bilaogera nampitaha ilay fanafihana taminà asa fampihorohoroana maro samihafa nitranga nialoha ny nahatongavan'i Vladimir Putin teo amin'ny fitondràna amin'ny 1999. Nibitsika i Sergei Minaev, mpanoratra hoe :

Mampahatsiahy ahy ny indray fararano nanapoahan-dry zareo ny tranobe tao Maosko ny toe-draharaha. Tahàka ny hoe vaky indray ny ady.

Nanoratra [ru] mitovitovy amin'izay i Dmitry Olshansky tao anaty hafatra iray tao amin'ny Facebook :

Итак, новая осень 1999 года наступила.

Dia izay mihitsy, tonga ny fararano 1999 vaovao.

Olshansky dia nandeha tany amin'ny fanamelohana ireo vondrona tohanan'ny Saodiana tsy faly tamin'ny fahombiazan'ny politika ivelan'i Putin tany Syria ho tompon'antoka tamin'ireo fanafihana.

Hafahafa, tsy niteny ho an'ny firenena ny Filoha Putin taorian'ny fipoahana, na izany tamin'ny voalohany, na tamin'ny faharoa, nitarika sahoan-dresaka be sy kiana tety anaty aterineto. Natalia Shavshukova, ohatra, nihevitra [ru] fa ny fandavan'i Putin tsy hiresaka amin'ny firenena dia nampiseho tsy fahampianà fahaiza-mitarika:

Почему молчит Путин? Где он? Где обращение к нации? Если он не хочет портить всем новогоднее настроение, то за кого он он нас держит, за кого он держит граждан страны? За зажравшееся быдло? Он президент или кто?

Nahoana i Putin no mangiana? Aiza lery? Aiza ny hafatra alefany ho an'ny firenena? Raha tsy te-hanimba ny endrika firavoravoan'ny tsirairay nandray taona vaovao izy, dia inona izany no andraisan'lery antsika, inona no andraisany ny olom-pirenena? Kisoa miraoka miondrika mihinana anaty tavy ve no fandraisany antsika? Fa filoha ve lery sa inona e?

Any ambadiky ny sehatra any no mihetsika i Putin — nihaona tamin'ny Praiminisitra Medvedev izy ary nandefa ny lehiben'ny FSB, Alexander Bortnikov, ho any Volgograd. 24 ora taorian'ilay fanafihana voalohany, namoaka fanambaràna iray [ru] ny tranonkalan'i  Kremlin milaza fa “mandray tatitra isanandro avy amin'ny Kaomitim-pirenena miady amin'ny Fampihorohoroana i Putin mikasika izay fepetra tokony horaisina, miaraka amin'izay koa ny tatitra mikasika ny toe-draharaha misy.”

Efa mba misy iainana kely aloha izay ho an'i Mikhail Roskin, izay nanoratra lahatsoratra am-bilaogy iray [ru] ao amin'ny tranonkalan'ny “Echo of Moscow” (Akon'i Maosko), nanamarika hoe laharana faha-9 amin'ny Fandaharana Erantany amin'ny resaka Asa Fampihorohoroana no misy an'i Rosia izao, milahatra amin'i Irak sy Afghanistan:

9 место в мире для страны с самым высоким в мире соотношением силовых структур к гражданскому населению – это провал.

Toerana faha-9 maneran-tany ho anà firenena iray izay manana tha ambony indrindra amin'ny resaka fiarovana mitaha amin'ny isan'ny vahoaka, tena tsy fahalavorariana mihoa-pampana.

Boris Akunin, mpanoratra tantaram-pitsikilovana, dia nihevitra ihany koa [ru] fa nilaza ny tsy fahombiazana tanteraka ho an'ny foto-pisainana Putin ireo tranga roa ireo. Nitaky fanovana tanteraka ny rafitra izy, miaraka aminà fitsinjaram-pahefana tena izy eo amin'ny mpanatanteraka, ny mpanao lalàna ary ny fitsaràna, ary media iray tsy miankina. Na eo aza ny fomba fijery lavitra aroson'i Akunin hoe mety hamaha ny olan'ny fampihorohoroana, tahaka ny tsy dia hisy zavatra ho vita alohan'ny Lalao Olaimpika ao Sochi, iray volana sy tapany latsaka sisa.

Ireo tomponandraikitry ny Lalao Olaimpika anefa dia toy ny tsy miasa saina izany. Ny filoha mitarika ny Kaomity Olaimpika ao Rosia, Alexander Zhukov, dia notanisain'ny RIA Novosti ho niteny hoe “efa napetraka ho amin'izany ny fepetram-piarovana rehetra ilaina, ary tsy hisy fepetra fanampiny natao ho amin'ny resaka asa fampihorohoroana tao Volgograd, satria efa vita ny zavatra rehetra ilaina.” Ny filohan'ny KAomity Iraisampirenen'ny Lalao Olaimpika, Thomas Bach, koa dia naneho fitokisana ” ny manampahefana Rosiana amin'ny fiahiana sy fiarovana ireo lalao hatao ao Sochi.” 

Mandritra izany dia tsy nisy tranga hafa nitranga ny nankalazan'i Rosia ny Taona Vaovao — narahanà afomanga teo amin'ny Kianja Mena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.