Fidinana An-dàlambe Miisa 7 No Hita Tany Azia Atsimo Atsinanana Ny Taona 2013

1. ‘Olona antapitrisany no nidina an-dàlam-be ’ hiady amin'ny kolikoly tao Filipina. Nahatsiaro tena ho afa-baràka ny olom-pirenena tao Filipina noho ny fitenenana an-kitsirano ny fomba tsy ara-dalàna nataon'ireo mpanao lalàna tamin'ny fangalàrana tamin'ny tohana ara-bola natao ho azy ireo, na “pork barrel”. Nangataka famoriam-bahoaka goavana tao Luneta,  ilay kianja lehibe indrindra ao amin'ny renivohitry ny firenena mba hanosehana ny fanafoanana ny fanodikodinam-bola “pork barrel”. Andro maro mialoha ilay famoriam-bahoaka natao ny 26 Aogositra, dia nanao voady ny Filoha sy ny kongresy hanafoana ny “pork barrel” kanefa tsy nahasakana ireo olom-pirenena ho tonga tany amin'ny fihetsiketsehana izany. Ity fihetsiketsehana ity no lasa famoriam-bahoaka goavana indrindra nandritry ny nitantanan'ny Filoha Benigno Aquino III.

Sary avy any am-pisidinana ahitàna ireoolona an-tapitrisa  #MillionPeopleMarch nitanjozotra vao maraina tao Paulo Alcazaren. Tadiavo aho! pic.twitter.com/2cAsg5gDn3

— Cedie Lee (@muntingprinsipe) 26 Aogositra 2013

 

2. Ny hetsi-bahoaka tao Tailandy manohitra ny Volavolan-dalàna Famotsoran-keloka. Sehatra maro, anisan'izany ireo mpanohana ny governemanta, no nandà ny fametrahana ilay ‘volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka’ izay nankatoavin'ny parlemanta ny 1 Novambra. Tonga avokoa ireo mpanohitra rehetra taorian'ny tatitra milaza fa ireo politisiana mpanao kolikoly sy ireo mpandika ny zon'olombelona ihany no mahazo tombontsoa amin'ilay dika nasiam-panovàna tamin'ilay lalàna. Niteny manokana ireo antoko mpanohitra fa ny volavolan-dalàna dia ‘hanadio’ ny heloka vitan'ilay Piraiminisitra teo aloha Thaksin Shinawatra fotsiny izay nitsoaka ny firenena rehefa hita fa meloka teo anoloan'ny fitsarana. Nofoanan'ny Antenimieran-doholona ilay lalàna avy teo.

Diabe Firaisankina Chulalongkorn hanoherana ny volavolan-dalàna #ptcybertalk #redshirt @pouyingluck @thaksinlive pic.twitter.com/frGaSBC528

— issara r (@issarar) 6 Novambra 2013

3. Hetsi-panoherana ny governemanta ao Tailandy. Tsy nampitsahatra ny fanoherana tao Thailand ny fanilihana ilay volavolan-dalàna momba ny famotsran-keloka. Mbola maro ireo famoriam-bahoaka kotrehan'ny mpanohitra saingy amin'ity indray mitraka ity dia natombony tamin'ny fangatahana ny fialàn'ny Piraiminisitra Yingluck Shinawatra amin'ny toerana izany, izay melohin'izy ireo ho miasa ho an'ny zokiny lahy fotsiny. Niha nahazo vahana hatrany ny famoriam-bahoaka tato anatin'ny herinandro vitsy ary tamin'izany dia afaka nibodo irony tranoben'ny governemanta isan-karazany irony ny mpanao fihetsiketsehana. Nanao fanambarana i Yingluck fa ho foanana ny parlemanta mba hahafahana manatontsosa fifidianana amin'ny volana Febroary. Nefa nilaza ny mpanohitra fa hibodo ny biraom-pifidianana ary aleon-dry zareo mametraka ny Filankevi-Bahoaka. Eritreretina fa hiha lalina hatrany ny krizy ara-politika ao Tailandy ato anatn'ny herinandro vitsivitsy ho avy. Mampiseho ny haben'ny famoriam-bahoaka tao Bangkok ny volana Novambra lasa teo ity lahatsary ity.

4. Ny fanoherana taorian'ny fifidianana tany Kambodza. An'aliny maro no nandray anjara tamin'ireo fihaonana marobe, fidinana an-dàlam-be, sy ny fitokonana isan-karazany nokarakarain'ny antoko mpanohitra Cambodia National Rescue Party hatramin'ny volana Septambra mba hanoherana ny fanodinkodinan'ny antokon'ny fitondrana “Cambodian People’s Party” ny voka-pifidianana. Ambivitra kely ny fandresen'ny antokon'ny fitondràna rehefa nahazo ny 68 tamin'ireo toerana ny antoko eo amin'ny fitondrana raha oharina amin'ny an'ny mpanohitra izay miisa 55. Ity no voka-pifidianana ratsy indrindra ho an'ny antokon'ny fitondrana hatramin'ny taona 1998 izay naha teo amin'ny fahefana azy nandritry ny tompolo telo farany. Ity lahatsary ity dia mampiseho ny fomba nisehoan'ny fihetsiketsehana tao amin'ny Kianjan'ny Fahafahana ao Phnom Penh ny volana Septambra lasa teo:

5. ‘Black 505’ hetsi-panoherana tamin'ny fifidianana tao Malezia. Anjatony maro ny olona niangona tao Kuala Lumpur, renivohitry ny firenena ny 8 May 2013 teo mba hanoherana ny voka-pifidianana izay nanome ny maro an'isa ho an'ny vondron'ireo antoko ao amn'ny fitondrana. Manondro ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 5 May ny ‘Black 505’ izay notentenana ireo fanambarana tsy marim-pototra hoe nangala-bato tanteraka ny antokon'ny fitondrana mba hijanonana eo amin'ny fahefana. Ny antokon'ny fitondrana izay teo amin'ny fahefana hatramin'ny taona 1950, dia resy taminà fifidianam-bahoaka kanefa mbola mitàna ny maro an'isa hatrany eo amin'ny toeran'ny parlemanta. Ny andiam-pihetsiketsehana sesilany izay efa mitatra hatrany amin'ny faritany, dia noharina ho toy ny ‘Tsunami Malay’. Mampiseho ny vahoaka mpanao fihetsiketsehana tao aminà kianja iray ity lahatsary ity:

http://www.youtube.com/watch?v=clLlqgKKBtA

6. Famoriam-bahoaka tao amin'ny Kianja Hong Lim ao Singapore. An'arivony maro no niangona teo amin'ny Hong Lim, kianjan'ny Fahalalahana ao Singapore ny 1 May 2013 mba hanohitra ilay Taratasy Fotsin'ny governemanta momba ny mponina. Ny hetsi-bahoaka May Day izao no fanindroany izay nahangona vahoaka marobe nanainga ny feony teo an-kianja mba hanoherana ny vinavina napetraka ho an'ny vahoaka izay nokianin'ny vahoaka maro ao Singapore hatramin'ny fotoana nahafantarany fa fampidirana mpiasa vahiny marmaro kokoa no tena dikan'izany. Hatreo dia lasa ‘hetsi-panoherana goavana indrindra notarihanà bilaogera’  ny fihaonambe iray nokarakarain'ny hetska ‘Free My Internet’ tao Singaporeny 8 Jona 2013, ka ny tanjony dia ny hanohitra ny fametrahan'ny governemanta fahazoan-dàlana vaovao ho an'ireo tranokala mpampita vaovao. Mampiseho ny bilaogy sasantsasany ao Singapore ny lahatsary eto ambany izay nanolo ny pejy voalohany ho sary mainty ho firaisankina amin'ilay hetsi-panoherana:

7. Fitokonana Faobe Tao Indonezia Noho Ny Fiakarana'ny Vidim-piainana. Nanao fitokonana faobe nandritry ny roa andro ny mpiasa tao Indonezia ny 31 Oktobra sy ny 1 Novambra nikendreny ny hanaporetana ny governemanta hanondrotra ny karama farany ambany. An'analiny maro no nanatevina tamin'ny fanakatonana ny orinasa, fitsidihan'ireo sendika sy ny famoriam-bahoaka manerana ny firenena na teo aza ny fihenàn'ny mpanotrona raha miohatra amin'ny fitokonana faobe tamin'ny herintaona.

Thousands of workers left production in a Sanyo factory. Photo from Facebook page of Tia Claudia E. Mboeik

Mpiasa an'arivony maro no nandao ny famokarana tao amin'ny orinasa Sanyo. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Tia Claudia E. Mboeik

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.