SARIPIKA: Koreana Tatsimo 100.000 Manohitra Fanodinkodinana Valim-pifidianana, Fanampenam-bava Sendika

Ny 28 Desambra teo, hetsi-panoherana nanao tohivakana sy fitokonana faobe nokarakarain'ny fikambanan'ny mpiasa no nanozongozona an'i Korea Atsimo.

Nanomboka ny mitatao vovonana ka hatramin'ny alimbe, manodidina ny 100.000 ireo olom-pirenena sy mpiasa no naneho an-katezerana ny fanoheran-dry zareo ny tantara ratsin'ny fanodinkodinana valim-pifidianana sy fepetra fanampenam-bava ireo fikambanan'ny mpiasa nataon'ny governemanta eo an-toerana, hatramin'ny hetsika hamindràna ny rafitra fitaterana an-dalambim-pirenena ho an'ny tsy miankina, raha mandà ny fitakiana tahàka izany kosa ny ao amin'ny fitantànana. Ny mpanaramaso sasany dia miantso ilay fipoahana hetsi-panoherana ho porofo fa efa akaiky “hahatratra ny teboka mampangotraka azy” [ko] ny hatezeram-bahoaka

Na dia tsy nahatratra ny tanjony hitaona olona iray tapitrisa aza ilay izy, maherin'ny 100.000 [ko] no voalaza fa tonga nandray anjara hatramin'ny fiafaran'ny tolakandro. Na dia zara raha nisy 20.000 aza no vinavina naroson'ny polisy ho fitambarany, ny sasany miady hevitra amin'ilay isa amin'ny filazana fa 13.000 ireo polisy mpandrava korontana no nahetsika tamin'iny tranga iny.

Sary iray mivezivezy any anaty aterineto any no tsikaritra fa efa tamin'ny 2010 raha ny marina. Kanefa, betsaka sary manaitra mampiseho ny halehiben'ilay hetsi-panoherana fototra tao amin'ny kianja Seoul mivezivezy any anaty tranonkala any:

Tsy afaka niditra ny kianja ny vahoaka satria nisy rindrina nataon'ny fiaran'ny polisy teny an-toerana nibahana ny làlan-dry zareo. Ho solon'izay, rakotra tanteraka an'ireo olona ireo ny làlana rehetra nanodidina ny kianja.

Sarotra ny haminavina ny tena haben'ilay hetsi-panoherana nanoherana ny fanisahana ny lalambim-pirenena ho an'ny tsy miankina raha ny saripika fotsiny no jerena. Saingy hakàriko ihany aloha ireto saripika telo ireto, izay ahitàna ireo mpanao fihetsiketsehana “tao anatin'ny” kianja. Raiso anaty kajikajy azafady ny hoe 70 isan-jaton'ireo mpandray anjara ihany ireo.

Efa feno tanteraka sahady ny kianja Seoul. 

Ity ny saripika iray ahitàna ny fivoahana No. 6 ao amin'ny fiandrasana fiaran-dalamby ambanin'ny tany tao amin'ny Lapan'ny Tanàna izay mitondra mankany amin'ny kianja Seoul ]

Na dia ireo fikambanan'ny mpiasa aza no tena nandray anjara betsaka indrindra, vondrona maro hafa tsy fikambanan'ny mpiasa koa no nikarakara hetsi-panoherana androany, isan'ireny ny mpianatra, ny mpisolovava, ny mpiasan'ny media [ko] ary vondrona tokana iray niavaka, ny KOCA (Korean Online Communities Alliance) [ko] izay vao haingana no nijoroany, fikambanana iray misy ireo vondrom-piarahamonin'ny tranonkala lehibe ety anaty aterineto hita ao amin'ny firenena.

Ny hetsi-panoherana nanana lohahevitra “Tsy ao tsara isika” (nanomboka tamin'ny 12 antoandro hatramin'ny 3 ora tolakandro)

Tao Seoul, Daejeon, Changwon ary Pusan, ireo tanora mpanao fihetsiketsehana, mpianatra no betsaka, dia nifandimby niaka-tsehatra sy nitanisa ny “antony mahatonga azy ireo tsy ho ao tsara” [ko] nanomboka tamin'ny 12 antoandro, hatramin'ny manodidina ny 3 ora tolakandro teo ho eo.

Mpianatra iray avy any amin'ny lisea no niteny fa mety hiatrika famaizana ireo mpianatra sasany ao amin'ny lisean'i Gaepo noho ny namoahan'izy ireo sorabaventy natao sora-tànana. Hoy izy: “hahatsapa ho ao ‘tsara’ izahay aorian'ny fahafahanay maneho ny eritreritray”

Seho Tselatra (tamin'ny 3 ora tolakandro)

Natao tao Seoul, Pusan, Gwangju, Daejeon sy Daegu ny hetsika tselatra nataon'ireo olom-pirenena nihira ny hiran'ny revolisiona “Mandre ny vahoaka mihira ve ianao?” avy amin'ilay hatsikana an-kira “Les Misérables” natao tao. Ity ny lahatsary iray avy amin'io hetsika tselatra io izay natao teo akaikin'ny Anjerimanontolon'i Yonsei University ao Seoul :

Hetsi-panoheran'ireo mpisolovava mpiaro zo sivily (nanomboka tamin'ny 2 ora hatramin'ny 3 ora tolakandro )

Tamin'ny 2 ora tolakandro, nanao hetsi-panoherana tao Bosingak Bell Pavilion ireo mpisolovava mpiaro zo sivily, ary teo amin'ny 3 ora tolakandro teo dia nandeha nankany amin'ny kianja Seoul.

Teo ambanin'ny teny faneva “Avy any anaty efitrano fitsaràna hatreny an'arabe” sy “Tsy misy zava-tsy rariny hahazo rariny izany”, nivondrona tao Bosingak hitaky demaokrasia ireto mpisolovava ireto. Mampiseho io hoe hatraiza no efa fitontongan'ny demaokrasia sy ny fahaiza-miainan-tsika.

Fitokonana faobe nataon'ireo vondron'ny mpiasa (nanomboka tamin'ny 3 ora hatramin'ny 4 ora tolakandro)

Talohan'ny namonjeny ireo vondrona hafa, nikarakara fihetsiketsehana nahery vaika tao amin'ny kianja Seoul ireo sendikan'ny mpiasa hanoheran-dry zareo ny fanapahan-kevitry ny governemanta hanenjika ireo mpiasan'ny lalamby noroahana sy ireo mpitarika sendikàn'ny mpiasa.

Nomeko tehaka mirefodrefotra ry zareo noho ny fiaraha-mientana matanjaka nasehony – maro ireo vondrona, na dia ny KLUC [Korea Labor Union Congress] aza no nanatevina laharana, nihiaka ny “Ho arovanay ny rafitry ny lalambintsika amin'ny fanaovana fitokonana faobe ataon'ny Fivondronamben'ireo Sendikan'ny Mpiasa Koreana”

(nanomboka tamin'ny 2:57 tolakandro) namindra avy ao Seoul ho any “Youngpung Bookstore” ny Sendikan'ireo Mpiasan'ny Fanorenana. Tsy hitan'ny masoko hoe hatraiza no faran'ny laharan-dry zareo.

Famoriam-bahoaka goavana

Famoriam-bahoaka gaovana iray nomanina hatao tamin'ny 4 ora tolakandro, saingy tamin'ny 2 tolakandro teo ho eo dia efa feno tanteraka ny kianja Seoul

Ny sary eo ankavia dia maneho ny kianjan'ny Lapan'ny Tanàna ao Seoul tamin'ny 1:30 tolakandro ary ny eo ankavanana dia nalaina tamin'ny 2:55 tolakandro. Amin'izao fotoana tsy misy tany hodiavin'ny tongotra intsony.

Nitohy ny alina ny hetsi-panoherana

Dec 28, 18:30 , fitokonana faobe tao #SouthKorea nanoherana ny fanisahana ho an'ny tsy miankina ny lalambim-pirenena. avy amin'i @Nomadchang pic.twitter.com/l0ykPmcte0

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.