SARIPIKA: Olombelon'i Komoro, Madagasikara ary ny Nosy Masikarenina

Ny eritreritra notanterahina “The Humans of _____” dia tetikasan-tsary manasongadina sarin'endrik'olona an-dalambe sy tafatafa nangonina tamin'olon-tsotra avy amin'ny vazantany efatr'izao tontolo izao. Niainga avy amin'ny Humans of New York natsangan'i Brandon Stanton izay malaza tokoa ny hevitra ka niteraka taranaka maro avy amin'izao tontolo izao, toy ny avy any Amerika Latinina [mg] ka hatrany Azia Atsimo ary mipaka any Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra.

Na dia manana ny tetikasa Humans aza i Madagasikara, dia mbola tsy tafapetraka ao amin'ny nosy Masikarenina eo atsinanana na ny nosy Komoro eo avaratra atsinanana ny tetikasa. Manantena izahay fa hisedra ny fanamby ireo mpaka sary manantalenta maro avy eto amin'ny faritra. Hanombohana izany, indreto sary vitsy avy eto Madagasikara, Komoro, Maorisy ary Réunion.   

Humans of Comoros  [Olombelon'i Komoro]

Ny sary manaraka dia nopihan'i David Stanley tao Moroni, renivohitr'i Grande Comore (Ngazidja). Ahitana tanora vavy iray mitondra sinin-drano. Mbola tolona any amin'ny faritra maro manerana an'i Komoro izany fahasoana rano madio izany:

Children collecting water from public taps in Moroni, Grande Comore, Union of the Comoros by David Stanley CC License -BY-2.0

Ankizy matsaka eo amin'ny paompim-pokontany ao Moroni, Grande Comores, Firaisamben'i Komoro. Saripikan'i David Stanley, CC License BY-2.0

Humans of Madagascar [Olombelon'i Madagasikara]

Joey Ayoub, izay mpandray eto amin'ny Global Voices izay vao avy namoaka sary tao amin'ny Humans of the Middle East and North Africa [Olombelon'i Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra] no nanampy tamin'ny fananganana ny pejy Facebook-n'ny Humans of Madagascar [Olombelon'i Madagasikara]. Avy eo izy nampita ny tetikasa tamin'i Lalah Ariniana, izay mpandray anjara amin'ny Global Voices ihany koa ary mipetraka eto Madagasikara. Ity ny sary farany indrindra ao amin'ny pejy Facebook Humans of Madagascar:

"Tarika Mainty"a band created by kids playing drums and dancing in the streets of the Capital City by Lalah Ariniaina with her permission

“Tarika Mainty” natsangan'ankizy milalao apongamaro sy mandihy eny amin'ny lalamben'ny renivohitra nopihan'i Lalah Ariniaina ary nahazoana alalana avy aminy

Niaraka tamin'ny lahatsoratra am-bilaogy nataony no nandehanan'i Lalah lavidavitra kokoa tamin'ny antsipiriham-piainan'ireo zaza telo nanangana tarika iray hameloman-tena [fr] ireo:

j’ai fait la connaissance de trois garçons d’une dizaine d’années du groupe « Mainty » (Noir). Fabrice est à la batterie, Christian fait du bruit avec une corne (comme celle qu’on utilise pendant les fêtes d’anniversaire) et Cédric danse. Ils offrent des petits spectacles de rue en faisant le tour des quartiers du centre-ville.

Nifanena tamin'ny zazalahikely telo mirahalahy tokotokony ho folo taona teo ho eo avy amin'ny tarika “Mainty” aho. I Fabrice no eo amin'ny ampongamaro, i Christian mampiasa anjombona (fampiasa amin'ny lanonan'ny tsingerintaona) ary i Cedric no mandihy. Manao fampisehoana kely an-dalambe ry zareo mitety ny afovoan-tanànan'Antananarivo.

Humans of Mauritius [Olombelon'i Maorisy]

Mbola tsy misy ny bilaogin'ny Olombelon'i Maorisy, ka ny pejin'ny Humans of Dubai [Olombelon'i Dubai] no namoaka sary vitsivitsy hanombohana ny tetikasa. Inty sarin'ny snack [fivarotana hanina efa vonona?] mampiavaka ny ao Port Louis:

Man in front of grocery store in Port Louis via Humans of Dubai with permission

Lehilahy eo anoloan'ny mpivarotra enta-madinika ao Port Louis via Humans of Dubai nahazoana alalana

Humans Of Reunion [Olombelon'i Reunion]
Mbola tsy mitsangana ny pejin'ny Olombelon'i La Réunion, saingy toerana tsara iaingana kosa ny sary zarain'ny Pejy Facebook Ile de La Réunion Tourisme (IRT). Mampiseho sary isan-karazany mandravaka ny zavatra maro hita ao amin'ny nosy ry zareo. indro ny sarin'ny artista avy any Saint Maxime, nosy La Reunion:

Maxime Laope and their kids in Reunion with their permission

Maxime Laope sy ny zanany ao La Reunion nahazoana alalana avy amin-dry zareo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.