Aina Enina Nafoy Tamin'ny Fanapoahana Nikendrena Minisitra Taloha Tao Libanona

Enina raha kely indrindra no olona maty, ary marobe no naratra ny 27 Desambra 2013 teo, tamin'ny fipoahana iray nikendrena ny Minisitry ny Vola tao Libanona teo aloha, Mohamed Chatah, raha iny nisy fiara voasesika baomba namely ny tandahatry ny fiara nitondra azy tao afovoan-tananan'i Beirut iny. Navoakan'ny bilaogy Baladi ny anaran'ireo tra-doza. Ireto avy izy ireo:

- Mohammed Nasser Mansour
– Saddam al-Khanshouri (Syrian)
– Kevork Takajian
– Ex-Finance Minister Mohammad Shatah
– Chatah’s bodyguard Tareq Bader
Tsy fantatra kosa ilay olona faha-6.

Nanoratra mikasika ilay Minisitra teo aloha i Elias Muhanna ao amin'ny bilaoginy Qifa Nabki, ka hoy ny fanamarihany:

Nandritry ny tafatafanay, tsinjoko ho hafahafa sy nalefaka ihany izy tamin'ny fomba fisainany, olona mijery ny zava-misy fa tsy miraharaha izay fotokevitra manidintsidina any (…) Tsy misy rafitra governemanta tokana izany, raha ny fisainan'i Chatah, ka ho afaka hanajà ny fitovian'ny isam-batan'olona, ny fitoviana isaky ny vondrom-piarahamonina, ary ny maha-zava-dehibe ireo fetram-paritry ny kaominina. Tsy azo ihodivirana ny fitsinjarana rafitra ara-politika ho amin'ny ankolafim-pinoana samihafa, hoy izy, ao Libanona raha amin'izao fotoana izao, saingy azo atao ny mamolaka azy hahatonga ny rafitra hiasa amim-pahombiazana tsara kokoa sy tsy mitanila

Araka ny hevitr'i Moulahazat:

Misy karazana fanomezan-tsiny taorian'ny fahafatesany avy amin'izy tenany niharam-boina ihany. Marina, ireo bitsik'i Chatah (azonao jerena eto izy ireny ) dia nikendry an'i Syria sy ny Hezbollah saika ho isanandro vaky, saingy ny fandefasany bitsika farany no mitoetra ho tena goavana. Miresaka fakàna fahefana ilay izy, fifehezana ny fandriampahalemana, faneriterena, Hezbollah, ary Syria, ora iray latsaka monja nialoha ilay fipoahana. Tsy misy ratsy kokoa mihoatra noho izany ho an'ny M8.

Anatin'ny zavatra tahaka izany, azo raisina ho toy ny hafatra fambara loza ny bitsika farany nalefan'ilay politisiana:

@mohamad_chatah: manindry mafy ny #Hezbollah mba homena fahefana mitovy ao anatin'ny resaka politikam-pandriampahalemana sy raharaham-bahiny toy izay nataon'i Syria efa 15 taona izao ao Libanona

Lavitra kokoa noho ny resaka antoko politika, misaona ny famoizan'olona amin'ny fomba mahatsiravina tsy miato miseho ao amin'ny fireneny ny Libane. Rita Kamel,  bilaogera, dia nandefa saripika iray izay naely be tao amin'ny media sosialy ho toy ny, angamba, “Ny selfie mahatsiravina indrindran'ny taona 2013“. Andian-jatovo no naka ilay saripika, tamin'ny fotoana nitrangan'ilay fipoahana indrindra. Araka ny filazan'ilay bilaogera, naratra ry zareo saingy efa andalam-pihatsarana kosa izy rehetra izao:

Naratra daholo ireo tanora ireo:  Mohammad El Chaar, Omar Bekdash, Rabih Youssef sy Ahmad Moghrabi ; fa ny zava-nanjo an'i Mohammad  no tena henjana fa efa mba azoazo izao hoy ny namany akaiky.
Mety hanjo ny rehetra izany. Mitohy mikiky ny fiainan'ny olona ny herisetra tsy mitsahatra.
Mivavaka ho an'i Mohammad El Chaar, tovolahy Libane 16 taona izay ny fifaninanana milomano no iray amin'ny fialamboly tena ankafiziny. Mivavaka ho an'ny fianakaviany sy ireo namany izay nisedra izao zava-doza tsy hay lazaina izao. Mohammad, miandry anao izahay.
Mivavaka ho an'ireo rehetra naratra mafy ary miady mafy amin'ny fiainana.
Fa nahoana ny “hafatra” no tsy maintsy soniavina aminà rà tahàka izao? Raoviana vao hitsahatra izy ity?

Matetika itrangàna herisetra sy fanapoahana baomba ao Libanona. Tamin'ny volana lasa, 23 raha kely indrindra ny olona maty tao anatin'ny fanafihana ny Masoivoho Iraniana tao Beirut

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.