Androm-Pandreseana: Montsan'i Bangladesh Ny Zava-bita Tsara Indrindra Eran-tany Amin'ny Saina Sy Hiram-pirenena Lanjain'olona

The world’s largest human national flag of Bangladesh being created at the National Parade Ground in Dhaka on 16 December, 2013, marking the Victory Day. Image by Indrajit Ghosh. Copyright Demotix (16/12/2013)

Ny sainam-pirenena lehibe indrindra nololohavin'olombelona tao Bangladesh, natao tao amin'ny “National Parade Ground” tao Dhaka ny 16 Desambra 2013, nanamarihana ny Androm-Pandresena. Sary an'i Indrajit Ghosh. Fizakàmanana Demotix (16/12/2013)

Ny 16 Desambra, namotika zava-bita tsara indrindra roa erantany i Bangladesh tamin'ny fankalazana ny faha-43 taonan'ny Androm-Pandresena nandresen'i Bangladesh an'i Pakistana tamin'ny Adim-panafahana ny firenena ny taona 1971. Ny voalohany dia fanaovana sainam-pirenena ngeza indrindra nololohavin'olona. Mpirotsaka an-tsitrapo 27.117 avy amin'ny tafika ao Bangladesh, sampam-pianarana sy sekolim-panjakana samy hafa no nijoro niaraka taminà takelaka mena sy maitso mba hanome endrika ilay saina tao amin'ny “National Parade Ground” tao Dhaka. 6mn sy 16 segondra no nahitàna izay saina izay.

Ny faharoa dia ny hamaroan'isan'ireo olona nihira niaraka ny hiram-pirenena, nahitàna olona maherin'ny 300.000 tamin'ny 16:31 tsy diso ny 16 Desambra, nihira ny “Amar Sonar Bangla” nanamarika ny tena fotoana nilavoan'ny tafika Pakistane lefona. Olona marobe avy any Bangladesh sy avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ihany koa no nanatevina laharana ilay hetsika, izay natao tany Suhrawardi Uddan, ilay toerana tena nilavoan'ireo Pakistane lefona.

Noraketin'i Mahbub Ashrafi ho anaty lahatsary ilay fihiràna ary nakariny tao amin'ny YouTube:

An'i Pakistana ny zava-bita tsara indrindra teo aloha amin'ny fanaovana saina lehibe indrindra lolohavin'olombelona. Olona  24.200 no nitàna takelaka maitso sy fotsy tao amin'ny “National Hockey Stadium” tao Lahore ny 31 Oktobra 2012. India no nitàna ny zava-bita tsara indrindra teo aloha tamin'ny fihiràna miaraka ny hiram-pirenena, nahitàna olona 121.653 niaraka nihira.

Tens and thousands of people have joined in singing Bangladesh's national anthem at Suhrawardy Udyan on the Victory Day in Dhaka.  Image by Mamunur Rashid. Copyright Demotix (16/12/2013)

An'aliny maro ireo olona nanatevina laharana tamin'ny fihiràna ny hiram-pirenen'i Bangladesh tao Suhrawardy Udyan tamin'ny Androm-Pandresena tao Dhaka. Sary an'i Mamunur Rashid. Fizakàmanana Demotix (16/12/2013).

Faly sy nirehareha manokana ny ankamaroan'ireo Bangladeshis mikasika ireo zava-bita tsara indrindra erantany ireo, nisaotra ny mpikarakara noho ilay vaovao tsara. Niarahaba izany vaovao izany i Ishtiaque:

Misaotra ireo mpirotsaka an-tsitrapo niisa 27.117 tamin'ilay sainam-pirenena nololohavin'olombelona sady lehibe indrindra manerantany. Nahazo an'izao tontolo izao ny mena sy maitso, eny vitantsika izany!

i Sk. Soyeb Hasan kosa nandrakitra ny taty ambadiky ny sehatra, ny fomba nikarakaràna ilay hetsika sainam-pirenena lehibe indrindra nololohavin'olombelona ary nampakatra lahatsary fohy tao amin'ny YouTube:

Nirehareha amin'ny maha-Bangladeshi azy i Abir Hasan:

Bangladesh izao no mitàna ny zava-bita tsara indrindra amin'ny haben'ny sainam-pirenena lolohavin'olona sy ny isan'olona nihira ny hiram-pirenena …..Mahatsiaro mirehareha #Bangladesh

Nambara fa naherin'ny telo tapitrisa ireo olona maty tamin'ny vonomoka tao Bangladesh nandritra ny ady ho amin'ny fahaleovantena tamin'ny 1971. Zava-bita lehibe indrindra ihany koa izany. Nahatsiaro izay zava-doza izay ny Cyber Association of Bangladesh miaraka amin'ireto teny roa ireto:

গিনেস বুকে বাংলাদেশের সবচেয়ে বড় মানব পতাকার কথা আজ অনেকেই ইতোমধ্যে জেনে গেছেন।

আমি আরো একটি তথ্য দেই – গিনেস বুক অব রেকর্ডস অনুযায়ী ১৯৭১ সালে বাংলাদেশে সংগঠিত গণহত্যা বিশ শতকে সংগঠিত হওয়া নৃশংসতম পাঁচটি গণহত্যার মধ্যে একটি ।

কার্টেছিঃ একেম সাঈদ

Efa renareo ny mikasika ireo dingana roa ao amin'ny Guinness mirakitra zava-bita tsara indrindra erantany.

Mila marihana koa – Araka ireo rakitra ireo ihany, ny vonomoka tao Bangladesh tamin'ny 1971 no iray amin'ireo dimy tena feno habibiana indrindra teto an-tany.

Fanomezana malalaka avy amin'i: AKM Sayeed

People sing the national anthem at 4.31pm, the exact moment when the Pakistan army surrendered on this day in 1971 at Suhrawardy Udyan in Dhaka. Image by Indrajit Ghosh. Copyright Demotix (December 16, 2013)

Olona nihira ny hiram-pirenena tamin'ny 4:31 tolakandro tao Suhrawardy Udyan ao Dhaka. Sary an'i Indrajit Ghosh. Fizakamànana Demotix (16 Desambra 2013).

Adim-panafahana naharitra sivy volana no nahazoan'i Bangladesh ny fahaleovantenany tamin'ny niadiany sy nandreseny an'i Pakistan. Nanoratra ilay bilaogera, Maruf hoe:

সবচেয়ে বেশি ভালো লাগছে যে, এই মহান বিজয় দিবসে আমরা পাকিস্তানের গড়া রেকর্ড ভেঙ্গে বিশ্বজয় করলাম। পাকিস্তানকে আমরা আরও একবার পরাজিত করলাম।

Faly aho mahita fa ravantsika tamin'ity androm-panantenana sy fandresena ity ny zava-bitan'i Pakistana. Fandresena vaovao indray azontsika manoloana an'i Pakistana.

Nandray anjara tamin'ilay hetsika fihiràna miaraka ny hiram-pirenena tao Suhrawardi Uddan i Farhan Bashar . Nizara izay zavatra niainany izy :

Fahatsapàna fihetsehampo mahafinaritra manao ahoana moa izany nameno ny foko raha iny nihira ny hiram-pirenentsika mampody mandry iny sy nanambara ny firaisako amin'ny hery miabon'ny fahaleovantena & fandresen'ireo olona maha-te ho tia eto amin'ny fireneko. Ho avarina any amin'ny afobe anie ireo hery rehetra manohitra ny fahaleovantena & fahafahana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.