GV Face: Tapaka Ny Faribolam-Baovao. Afaka Hitsabo An'Izay Ve Ny Fanaovan-Gazety Famahana Olana ?

Mipongatra ny Fifandirana Mahery Vaika Ao Sodana Atsimo. Mpanao hetsi-panoherana Voadaroka, Voasambotra ao Ejipta. Vondrom-piarahamonina Rotiky ny Rivomahery ao Filipina. Tantara inoantsika ho manan-danja ireny. Saingy inona no atao raha toa ka mandrera-tsaina be fotsiny izao ilay izy ?

Ato amin'ny Global Voices, mirotsaka mampiseho masoandro ireo tantaran'ny olona manerana ny tany izahay. Toy ireo fikambanana rehetra misahana media, matetika izahay no mifantoka amin'ireo vaovao momba ny herisetra, kolikoly politika ary faharavàn'ny tontolo iainana — fitserana lalina dia lalina no tsapanay ho an'ireo olona miatrika ireny zava-tsarotra ireny  ary tianay ho rentsika ny tantaran-dry zareo. Saingy misy fotoana na dia ny tarika ato anatin'ny GV aza mba te-hitsotsotra mamaky ny “Ireo Saka 40 nanahirana indrindra tamin'ny 2013″ an'ny BuzzFeed fa tsy hamaky ireo angano manombona avy amin'ny lafin'izao tontolo izao. Satria manototra isanandro ny fàham-baovao ireny karazan-tantara ireny, dia lasa toy ny hoe toerana kely ratsy tsy mahate-ho-tia izany ny tany. Lasa mahatonga antsika ho tsy mahavita na inona na inona. Nefa angamba tsy tokony ho izany no izy.

Ahoana moa raha mahatonga antsika ho olom-pirenena mavitrika kokoa ny vaovao, mba hanana akony amin'izao tontolo izao? Misy fomba hitantaràna ny tranga maneran-tany, na tsara izany na ratsy, izay ahafahantsika mijery ireo tantara ireo amin'ny lafy tsarany na manolotra fomba hihetsehan'ny mpamaky amin'ireo raharaha sarotra, na dia any alavitra any aza izany no mitranga?

Amin'ity herinandro ity, manao veloma ny 2013 amin'ny alalan'ny fihaonana GVFace anatiny. Ny mpamorona ny GV, Ethan Zuckerman sy ny lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny GV, Solana Larsen ary Sahar Habib Ghazi dia hiresaka amin'i Elery Roberts Biddle, tonian-dahatsoratry ny GV Advocacy momba ny tetikasa “fanaovan-gazety famahana olana” sy ny “vaovao tsara”. Hiresaka momba ny fanaovan-gazety famahana olana isika mikasika ny fomba mahazatra fanao amin'ny fitateram-baovao, ireo fiovàna amin'ny tontolon'ny media, ary ny fombantsika manokana ato amin'ny GV. Ary hojerevantsika amin'ny fomba vitsivitsy fa tsy mampahafantatra fotsiny ihany ny vaovao fa mampirisika antsika hampahafantatra ihany koa, amin'ny maha-olom-pirenena antsika amin'izao tontolo izao sy ny aterineto.

Lahatsoratra fanampiny

Olana:
Ny Akony ara-tsaina Ateraky ny Vaovao Ratsy amin'ny Fahitalavitra
Ny Vaovao Ratsy amin'ny Hariva: Ireo Vokatry ny Fampidirana an-tsaina ireo Sary avy amina Vaovao Ratsy amin'ny Fahitalavitra
Vahaolana:
Bilaogin'i Ethan: Famonjena ny Vaovao amin'ny Fanaovan-gazety Fiarovana
Fanavaozana ny Fanaovan-Gazety amin'ny Fomba Fijery ny Lafy tsara
Afaka Manova izao Tontolo Izao ny Fanaovan-gazety Famahana Olana
Nahoana Isika no Mila ny Fanaovan-gazety Famahana Olana
Tsy Mampiseho ny Tena Endrik'izao Tontolo Izao ny Vaovao
Fanaovan-gazety Famahana Olana Vaovao
Fanaovan-gazety Famahana Olana: Inona no izy sy ny tsy izy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.