Manaiky ilay “Lalàna Manohitra ny Fampihorohoroana” Be Mpitsikera i Arabia Saodita

Voasokajy ho fampihorohoroana ny fangatahana ny fanovàna ara-politika ao Arabia Saodita ankehitriny, araka ny lalàna iray vaovao izay nampiharina nanomboka androany.

Neken'ny Filankevitry ny Minisitra notarihan'ny Mpanjaka Saodiana Abdullah bin Abdulaziz Al Saud ny Alatsinainy [16 Desambra] teo ilay Lalàna ho an'ireo Heloka Fampihorohoroana sy ny Famatsiam-bola ny Fampihorohoroana . Naharay tsikera marobe io volavolan-dalàna io rehefa navoakan'ny Amnesty International (AI) an-tsokosoko ny Jolay 2011. Tamin'izany, nitsikera ny AI:

Raha ekena izany dia hanakana ny làlan'ireo hetsiky ny mpanohitra am-pilaminana na dia izay farany kely indrindra aza ho voapetaka tahaka ny fampihorohoroana ary mety iharan'ny fandikana zon'olombelona marobe. […] Malalaka loatra ny famaritana ny “heloka fampihorohoroana” ao anatin'ilay volavolan-dalàna hany ka mametraka azy aminà fomba famaky mivalampatra sy fanararaotana, ary mety tokoa hanameloka ny mpanohitra ara-dalàna.

Eo ambanin'io volavolan-dalàna io, ahitana ireo hetsika tahaka ny “mampidi-doza ny…firaisam-pirenena”, “manakantsakana ny lalàna fototra na ny iray amin'ireo andininy ao anatiny”, na koa ny “manimba ny lazan'ny fanjakana na ny toerany” ireo heloka fampihorohoroana.

The covering of the draft of the "anti-terrorism" law as leaked by AI.

Ny rakotr'ilay volavolan-dalàna “manohitra ny fampihorohoroana” araka ny navoakan'ny AI antsokosoko.

Raha jerena manokana, dia nametraka fanasaziana antranomaizina mandritra ny dimy taona farafahakeliny io volavolan-dalàna io ho an’ “izay mampiroborobo, na am-bava na an-tsoratra, ireo hetsika fampihorohoroana, na fotodresaka izay manohitra ny fironana ara-politikan'ny Fanjakana, na koa hevitra mandratra ny firaisan'ny firenena…”.

Tamin'izany, nisy mpitondrateny avy ao amin'ilay Antenimiera Mpanolo-kevitra niteny tamin'ny Reuters:

“Tsy ilay volavolan-dalàna navoaka no tena izy,” hoy i Mohammed Almohanna, mpitondra tenin'ny antenimiera mpanolo-kevitra.

“Noresahina tanatinà fivorian'ny Filankevitr'i Shura izany. Volavolan-dalàna izany ary nisy ireo fanovana vitsivitsy natao taminy mba hahazoana toky fa mifanentana amin'ny Sharia (Lalàla Islamika) io lalàna io, ary tsy mandika ny zon'ireo olom-pirenena na ireo lalàna misy ao amin'ny firenena,” hoy izy.

.

Mbola tsy navoaka ofisialy ny endrik'ilay lalàna farany.

Ao amin'ny Twitter, mitsikera ny mpampiasa iray antsoina hoe Sigh [ar]:

Mahatonga ny fikasana hanova ara-politika ao Arabia Saodita ho fampihorohoroana ny famaritana ny fampihorohoroana ao anatin'ilay Lalàna Fanamelohana ny Fampihorohoroana sy ny Famatsiam-bola azy, izay nekena androany!!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.