Krismasy Sambatra Avy Amin'ireo Siriana Artista

Nankalaza am-pilaminana ny Krismasy ireo Siriana Kristiana raha miditra amin'ny faha-efatra taonany kosa ny ady an-trano, manamarika ny fahafatesan'olona maherin'ny 100.000 sy fikisahan-toeran'ireo an-tapitrisany mba hikaroka fialokalofana any amin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina. 

Miara-tonga amin'ny fialokalofana ny ririnina mamirifiry sy ny vavaka hodiana an-tanindrazana, araka ny fanazavan'ity tatitry ny  Al Jazeera ity.

Tamin'ity taona ity i Syria dia vavolombelona nanatri-maso faharavàna tsy hitanoanoa, fahafatesana, ary taha ambony be tamin'ny resaka fakàna an-keriny izay mahavery fanantenana ireo vahoakany. Io fahaverezam-panantenana io dia azo jerena anatin'ny asan'ireo artista izay, amin'ny fotoana sasantsasany, mampiseho ny horohoron'ny firenena, anaty taokanto iray monja fa tsara lavitra noho ny teny an-tapitrisa.

Fanehoana an-tsary an'i Santa anaty Taokanto Siriana

Tamin'ny fakàna tàhaka ny fakàna an-keriny ao Syria, nanao sary ahitàna an'i Santa nisy naka an-keriny miaraka amin'ny akanjobeny midorehitra, mandohalika ary voaambana basy i Jawad :

[Photo source: Art by Jawad Facebook Page]

[Loharanon-tsary: taokanto avy amin'ny pejy Facebook Jawad]

Anaty taokanto iray hafa nataon'i Anas Salameh, nolanjaina niala ny Toby Al Yarmouk misy an'ireo Palestiniana mpialokaloka ao Syria ny vatana mangatsiakan'i Santa :

[Photo source: Anas Salameh's Facebook profile]

[Loharanon-tsary: Facebook-n'i Anas Salameh]

Hita nitomany ihany koa i Santa satria tara kely vao tonga ireo fanomezana nentiny ho an'ireo ankizy maritiora tao Syria:

Done by Comic4 Syria كوميك لأجل سوريا [Photo Source: Comic4 Syria كوميك لأجل سوريا Facebook Page]

Nataon'i Comic4 Syria كوميك لأجل سوريا [Loharanon-tsary: Pejy Facebook Comic4 Syria كوميك لأجل سوريا ]

Eto, mitorevaka misaona eo anilan'ny fasan'izy ireo izy :

Artwork by Wissam Al Jazariry [Photo Source: Wissam Al Jazariry Artworks Facebook Page]

Taokanto an'i Wissam Al Jazariry [Loharanon-tsary: Pejy Facebook-n'ireo Taokanton'i Wissam Al Jazariry]


Ny Fanahin'ny Fety: Lakolosy , Hazo Krismasy, ary Haingo isankarazany

Kisangisangy nihiràna ilay hiran'ny Krismasy hoe “Jingle bells” no mitaky fahafahana sy fanesorana an'i Bashar El-Assad. Maty noho ny fampijaliana nanjo azy ilay mpanoratra azy io,  fantatra amin'ny hoe Mogwli Mowgli:

Taokanto iray maneho ho hita maso ny kibolabola iray natsoboka tanaty rà ary nahantona tanaty vata fampangatsiahana no nataon'i Anwar Al Eissa, tahaka ny maneho an-tsary ny toe-draharaha mamirifiry diavin'ireo Siriana maro tamin'ity Krismasy ity :

[Photo Source: Anwarts Facebook Page]

[Loharanon-tsary: Pejy Facebook Anwarts]

Sarinà hazo Krismasy iray taorian'ny fipoahana no avy amin'i Amjad Wardeh :

Raha etsy ankilan'izay i Hani Abbas kosa manamboatra azy niainga avy tamin'ny tranolain'ireo mpialokaloka :

[Photo Source: Hani abbas cartoon]

[Loharanon-tsary: sariitatr'i Hani abbas ]

Mohamad Alweis, artista Aleppoiana, manoratra ny “Mirary Krismasy Sambatra” aminà vovo-dranomandry natao balan-tafondro, tamin'ny fametahana soratra momba ireo balan-tafondro 100 nilatsaka tao Aleppo tamin'ny herinandro lasa :

[Photo Source: Mohamad Alweis's Facebook Profile]

[Loharanon-tsary : Facebook-n'i Mohamad Alweis]

Kanefa, ao anatin'ny haizina no miakatra ny tsirim-panantenana kely sy finoana hisian'ny ampitso tsaratsara kokoa. Jereo ny sarimihetsik'i Eyad Aljarod, ilay Siriana mpamokatra sarimihetsika, ny ankizin'i Saraqeb, Silamo sy Kristiana, mankalaza Krismasy sy mifampizara ny nofinofin-dry zareo :

Bells 2013 – أجراس 2013 avy amin'i eyad aljarod ao amin'ny Vimeo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.