Ny Avy Ao Karaiba No Mety Ho Zava-Dehiben'ny Sehatry Ny Mozika Manaraka Eo

Eo am-pifaranan'ny taona 2013, mibanjina an'i Karaiba ny mason'izao tontolo izao – sy ny vaovao tsara tsy noho ny resaka heloka bevava, politika na kolikoly. Fa ny mozika avy ao Karaiba no hita mipongatra ho toy ny zavatra goavana hanaraka eo.

Ilay Jamaikana mpihira, Tessanne Chin, no nanokatra ny sehatra tamin'ny nahazoany toerana iray tamin'ny Andiany faha-5 tamin'ny fifaninanan-kira mivantana The Voice nokarakarain'ny NBC, izay nibatàny fandresena. Nandritra ilay andiany manontolo, ireo mpisera avy ao amin'ny faritra sy ireo Karibeana monina ivelan'ny fireneny dia nibitsika, nandefa hafatra fohy naneho ny fanohanan-dry zareo an'ilay vehivavy mpihira; nampipatitaka ny Twitter mihitsy ny fandreseny ka nahatonga ny momba azy ho lohahevitra noresahana betsaka mihitsy tao.

Nahitàna fibosesehana tahaka izany tety anaty aterineto tamin'ny herinandro lasa, fa tamin'ity indray mitoraka ity dia nanodidina ny fisoratan'ilay mpanakanto mpiangaly gadona ‘soca’ avy ao Trinidad, Bunji Garlin, tamin'ny fisafidianana izay Hira Iggy ny taona, nokarakarain'ny MTV. Toy ny The Voice, dia fifidianana no hamaritra izay handresy ary ireo mpisera avy ao amin'ny faritra dia nandray tamin'ny heriny rehetra ilay fanamby; kofona sy nikatso mihitsy aza ny fidirana tamin'ny tranonkala “Polldaddy” taoriana kelin'izay noho izy tototry ny valinteny avy amin'ireo Karibeana, izay nanao totoafo nifidy an'ilay hira malazan'i Bunji hoe “Differentology”, sady mpankafy an'i G-Dragon, ilay Koreana mpiangaly gadona rap, izay naniry ny mba hisafidianana ny hirany. Fampifanatrehana raitra : nitarika nandritry ny minitra iray i G-Dragon tamin'ny fotoana nampikatso ny fifidianana, nahatonga ny MTV hampanao fifanintsanana iray hafa :

Ooaay. Ity no fifidianana nampangitakitaka indrindra sy nampihetsi-po tsy mbola nisy toa azy hatrizay nataon'ny mpamaky. Lasa fampisehoana tena tery dia tery hijerena izay tena manana mpankafy maro indrindra eran-tany ilay Hiran'ny Taona 2013.

Ery amin'ny zoro iray no mijoro i Bunji Garlin. Asehon'ny hirany ‘Differentology’ fa tsy natao hijanona fotsiny ao Trinidad sy Tobago na ireo vondrom-piarahamonin'ireo Karibeana manerana ny tany ny ‘soca'; ananany ny fahafahana manaitra ny fihetseham-po manerana ny tany izay mifanaraka tsara amin'ny fifehezana ny fandihy elektronikan'ny taona 2013. Ary miaraka amin'ny fandresen'i Tessanne Chin tamin'ny “The Voice” tamin'ity herinandro ity, dia tena ho Karibeana tokoa no fahitàna ny hoavy.

Ery amin'ny zoro ilany no nijoro i G-Dragon

Samy nanokana ny fotoany sy ny heriny avy ireo mpankafy ny roa tonta mba hiantohana izay hahalasa lavitra ny mpankanto tohanany miohatra amin'ireo mpifaninana hafa manana ny maha-izy azy… Nandaitra izany rehetra izany mandra-pahatongan'ny ora iray latsaka tsy maintsy hialàna…Nikatso tampoka ny fifidianana. Niasa nanao izay fara-hevitray hamahàna ny olana izahay (izay nihoatra lavitra noho ny fahaizana amam-pahalalanay), saingy BE LOATRA TSY ZAKAN'NY LOHAMILINA NOKIRAKIRAINA IREO MPANKAFY. Tao anatin'ny fotoana izay naha 0.02% monja ny elanelan'isam-bato teo amin'ireo mpanakanto roa

Taorian'ny fifampidinihan'ireo mpitantana, noheverinay fa mety ho rariny kokoaraha omena fotoana fanampiny kely ireo mpankafy. Manana fotoana hatramin'ny 5 ora hariva (EST) ianareo amin'ity hariva ity (mantsy ny 20 /12/13) hisafidianana amin'ny ‘Differentology’ an'i Bunji Garlin sy ny ‘Crooked’ an'i G-Dragon ao anatin'ny Hira Iggy an'ny taona 2013 karakarain'ny MTV

Naniraka ireo Karibeana mpisera mba hamita iraka iray ilay fanambaràna – Dion Boucaud no iray tamin'ireny, nandrisika ireo namany ao amin'ny Facebook mba hifidy. Efa hatrany am-boalohany ihany koa ny Twitter no tao anatin'ilay hetsika 

Taorian'ny nikatsoan'ny tranonkala ary nanambaràn'ny MTV fa haato ny fifidianana, namaly an'ilay fanehoankevitra mampalahelo avy aminà Koreana Tatsimo i Boucaud tao amin'ity tenifototra Twitter ity, nanao hoe :

Inona ho lazainao, mahery ny fanahy Trini

Ny fanavaozany ny mombamomba azy ao amin'ny FB dia mamintina ireo zavatra faran'izay azo tsapain-tànana mivoaka amin'ity onja vaovaon'ny mozika Karibeana ity – ary ny fisian'ny mediam-bahoaka sy ny Aterineto dia nanampy tamin'ny fandrenesana ny feon'ireo mpankafy marobe sy hanehoan'ireo any amin'ny faritra ny fitiavan-tanindrazany tamin'ny fanohanana tety anaty aterineto. Ho solom-panazavana, olona iray hafa mpampiasa Facebook no nanaovan'i Boucaud fanamby, izay nihevitra fa tsy nisy nilàna azy ny akoralava natao tamin'ny media manodidina ilay fifidianana:

Araka izany dia misy olona manontany tena momba ny fahasalaman'ny saintsika. Manontany hoe ‘Fa dia azon'inona isika’. Valinteniko. Indrisy! Angamba tokony hiverina aminao ny fanontanianao. Eny, nanomboka tamin'ny endrika fifaninanan-kira ilay izy, saingy ankehitriny ny fisafidianana dia natao hijerena izay tena manana mpankafy mahafatra-po indrindra. Teboka famaranana. Tsy dia olona tsy misy dikany araka izay andokoanao anay akory izahay. 2) Trinis 1,3 tapitrisa monja no mifanandrina aminà Koreana 50 tapitrisa, araka izany dia tena hadisoana tanteraka ny fierireretana fa hoe ny IZAHAY ihany no hany nifidy an'i Bunji. Fahafinaretana tsotra izao e. Nefa dia fihetsika kely nanehoana fireharehana nasionaly izay tsy nanohintohina na iza na iza dia nahazo fanamelohana. Ny azoko. Alina iray nifampizaràna fotoana mamy tety anaty aterineto niaraka tamin'ireo namana sy vahiny mba hahita ny iray amin'ireo mpiray firenena amiko hazo fankatoavana iraisampirenena. Ary tsy voavidy vola izany. Hotahiana anie’

Farany dia nambara fa tena tery dia tery ny (tolona) fifanintsanana:

Dia tena ho antsapaka fotsiny ny fifidianana ny hiran'ity taona ity. Ankehitriny ny fahatsapanay dia tahaka ny hoe tokony hanao hira iray iarahana i @BUNJIGARLIN sy G-Dragon amin'ny 2014

 Namaly ilay vaovao tao amin'ny Facebook i Boucaud :

Antsapaka iray sy antso fiaraha-miasa eo amin'ny Dragon sy ny Viking. Eeeny raisiko izay. Niady tsara ry VIKINGS.

Ny tolona, ny antsapaka ary ny fifantohan-tsain'izao tontolo izao amin'ny mpanantalenta vokatry ny tany toa an'i Bunji Garlin sy Tessanne Chin dia tsy hisalasalàna fa tari-dàlana ho an'ireo Karibeana mpisera mankany amin'ny 2014

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.