Niteraka Korontana Tao Tajikistan Ny Fanosihosena Ny Hasin'ny Sainam-pirenena

The controversial photo. Image by Ahrullo Dadaboev, used with permission.

Sary nahabe resaka ahitana ny sainam-pirenenan'i Tajik. Sary nalain'i Ahrullo Dadaboev, efa nahazoana alalana.

Sary iray nahitàna sainam-pirenena Tajik natsipy tamin'ny tany sy nampiasaina ho solonà fandraofam-pako no niteraka korontana teo amin'ireo mpampiasa mediam-bahoaka tao Tajikistan. I Ahrullo Dadaboev, ilay olona naka ny sary ka nandefa izany tany amin'ny Facebook, no nilaza fa mpamafa làlana iray no nampiasa ilay saina mba hitaterana fako tao Khujand, tanàna iray any Atsimon'ny firenena.

Nahatsiaro tena ho voateny ratsy mihitsy ireo mpampiasa aterineto rehefa nahita ny fanitsakitsahana ny hasin'ny sainam-pirenena. Ho valin'io lahatsoratra io dia nanoratra i Ruslan Ruslan  [tj]:

ХАМИ РИДАНШОН НАМЕРАСИД ЭЭЭЭЭЭЭЭ ВОЯ

Oohh, ny zavatra iray mba hany tsy nataony tamin'ilay saina dia ny [nangery] teo amboniny.

Niteny i Ozod Orzuyev fa [tj]:

Ин хузновар мебошад. Сад дарег..

Tena mampalahelo tokoa ny toe-javatra toy izao. Tena mampahonena tanteraka!

Kanefa nanoso-kevitra i Amrullo Faizullozoda [tj] fa ny olona naka ny sary dia tokony nanao mihoatra noho ny nanapika fotsiny ny bokotra teo amin'ny fitaovana fakantsariny:

Ватандусти асил дар ин холат парчамро гирифта, тоза карда мегирифт, ин аз руи эхтироми парчам, ватан ва милат аст.

Nampakatra ambony ny sainam-pireneny ka nanadio azy no tokony nataon'ny tena olom-pirenena marina, ankoatry ny fanajàna ny saina, sy ny tanindrazana, ary ny firenena.

Tonga hatrany amin'ny Twitter ilay sary izay nahatonga an'i Mardikor hanontany hoe [tj]:

Tena “ilay firenena mamintsika” tokoa ve ity [teny ao anatin'ny hiram-pirenena]? Fitiavan-tanindrazana ve izao? Raha ny sainam-pirenena aza hitsahana, mainka fa ny toeran'ny firenena ve tsy any ambany faladia?

Nanoratra i Khairkhoh, izay nizara koa ilay sary tao amin'ny Twitter [tj]:

Oh, Allah, ohh… Raha isika aza tsy manaja ny tenantsika, iza indray no andrasantsika hanaja antsika eo???

Nanome ohatra iray hafa [ru] ihany koa i Bachai Sako rehefa nampiasaina tamin'ny fomba tsy mendrika ilay sainam-pirenena:

@mardikor Vao haingana aho no nahita vondronà atleta tanora tao Ayni [tanàna lehibe iray ao Atsimon'i Tajikistan] nanao kilaoty vita tamin'ny ilany havia amin'ny sainam-pirenena, taorian'ny fitsidihan'ny [Filoha Emomali Rahmon]. Tsy tokony hatao tsinontsinona fotsiny ny zavatra ilaina toy izany.

Tamin'ny taona 1992 no naseho tamin'ny fomba ofisialy ny loko telon'ny sainam-pirenen'i Tajikistan. Tamin'ny fahombiazana tanteraka no nankalazan'ny fanjakana ny sainam-pirenena ho toy ny ezaka hanamafisana ny toe-po tia tanindrazana. Mirehareha fatratra ny amin'ny fanànana ny fihantonana saina avo indrindra maneran-tany ary mbola mieritreritra ny hanamonsana ny zava-bita tsara indrindra maneran-tany eo amin'ny halavan'ny saina. Kanefa, bilaogera maro no nanoso-kevitra fa tokony hovaina ny sainam-pirenena sy ny famantarana nasionaly mba hitarafana tsaratsara kokoa ny fiovan-toetran'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.