Manameloka Ny Famonjàna An'i Le Quoc Quan,Ilay Vietnamiana Mpitoraka Bilaogy, ireo Manampahaizana Ao Amin'ny Firenena Mikambana

wpid-le_quoc_quanHitan'ny vondronà manam-pahaizana mikasika ny zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana fa manitsakitsaka ny zo mikasika ny fahalalahana miteny sy ny fitsarana tsy mitanila ny fihazonana an'ilay Vietnamiana mpitoraka bilaogy sady mpiaro ny zon'olombelona, Le Quoc Quan. Voasambotra ny volana Desambra 2012 i Le Quoc Quan noho ny fiampangana azy ho nitsoaka hetra, izay nikendrena mba hanakanana azy tsy hanatontosa ny asany ara-dalàna mikasika ny zon'olombelona. Taorian'ny fisamborana azy, notanana taminà toerana miafina izy ary tsy navela hihaona amin'ny mpisolovavany nandritra ny roa volana. Tsy afaka nijery na dia ny iray tamin'ireo fianakaviany koa izy hatramin'ny andro nitsarana azy.

Ny volana Oktobra tamin'ity taona ity, voaheloka sy voasazy higadra an-tranomaizina mandritra ny 30 volana i Quan sady mandoa lamandy 1,2 miliara dongs (eo ho eo amin'ny 59.000 dolara eo). Nampiakatra fitsarana an'io fanapahan-kevitra io i Quan; saingy mbola tsy voatondro ny daty hanatanterahana azy.

Ny Working Group-n'ny Firenena Mikambana misahana ny Famonjàna Tsy an-drariny, izay napetraka eo ambanin'ny Filan-kevitra misahana ny Zon'olombelona ao anatin'ny Firenena Mikambana, dia nilaza fa mety ho «vokatry ny fampiharany ampilaminana ireo zo sy fahalalahana azony teo ambanin'ny lalàna iraisam-pirnena miaro ny zon'olombelona» ny fihazonana an'i Quan ary «mifandray amin'ireo lahatsorany ao anaty bilaogy momba ireo zo sivily sy politika». Nanohy ny fanambarany ny Working Group fa:

Noho ny tantaran'Atoa Quan amin'ny maha-mpiaro ny zon'olombelona sy mpitoraka bilaogy azy, dia mety ho ny fanasaziana azy noho ny fampiharany ireo zo voalaza ao anatin'ny andalana faha-19 mikasika ny Fifanarahana Iraisam-pirenena miompana amin'ireo zon'olombelona Sivily sy Politika ary koa ny fanakanana ireo hafa hanao izany no tena tanjona amin'ny fihazonana sy ny fanamelohana azy.

Nangataka ny famotsorana tsy misy hatak'andro an'Atoa Quan ny Working Group ary nanome soso-kevitra ny handoavana honitra aminy noho ny famonjana tsy ara-drariny azy. Natao io fanapaha-kevitry ny vondrona io taorianà fanangonan-tsonia nataon'ny   ny volana Martsa 2013 nataon'ny Hetsika Fiarovana ny Media Araka ny Lalàna sy ny fiaraha-mientan'ireo ONG mpiaro zon'olombelona.

Efa ela no nampijalian'ny governemanta Vietnamiana an'Atoa Quan vokatr'ireo hetsiny amin'ny maha-mpitoraka bilaogy sy mpiaro ny zon'olombelona azy. Imbetsaka izy no voafonja, napetraka teo ambany fanaraha-masom-panjakana ary koa niharanà herisetra ara-batana maro. Ny fanapahan-kevitry ny Working Group-n'ny Firenena Mikambana dia fanamafisana mazava fa tsy voaporofo ary tsy ara-dalàna ny famonjàna an'i Quoc Quan, noho ny fampiharany ireo zony haneho hevitra amin'ny maha-mpiaro ny zon'olombelona azy. Vokatry ny fiakaran'ny tsindry iraisam-pirenena manoloana an'i Vietnam momba ny fitakiana ny famotsorana an'i Quan, manantena ireo mpiaro zo fa hanolotra vahaolana manoloana ny zava-misy farak'izay haingana indrindra ny governemanta vietnamiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.