“Tour Builder”, tolotra hafa an'ny Google tsy azo ampiasaina any Kiobà

Tour Builder no está disponible para Cuba

Saripika mitranga rehefa mampiasa Tour Builder any Kiobà.

Tour Builder, tolotra iray vaovao avy amin'ny Google, mbola andalam-pivoarana no tsy azon'ireo mpampiasa kiobana ampiasaina noho ny fandraràna ara-toekarena napetrak'i Etazonia ho an'i Kiobà. Ankehitriny Google Earth, tolotr'i Google iray hafa tsy azo ampiasaina any Kiobà, dia ahafahan'ireo mpampiasa azy mitsidika ara-virtoaly ireo toerana izay tiany eto an-tany. “Afaka nanova ny fomba fitantaran'ireo mpampiasa ny fivezivezena nataony teo amin'ny fiainany” ny Tour Builder, araka ny lahatsoratra iray nivoaka tao amin'ny Mashable.

Niteraka adihevitra mahaliana io fitaovana io, izay tsy ela dia niparitaka teo anivon'ireo mpampiasa kiobanina, izay nihevitra fa ho afaka hitantara ny niainany amin'ny alalana sary, lahatsary, lahatsoratra, ary Google Earth. Taloha, nosakanan'i Google ny fidirana tamin'ny Google Earth, Google destktop Search, Google Toolbar, Google Analytics ary  Google Code Search.

Lahatsoratra iray tao amin'ny Cubadebate [es] tamin'ny taona 2012 no manamafy fa ny tsifahatomombanana izay manakana ny fampiasana ny Google Analytics any Kiobà “dia mifototra amin'ireo fitsipika efa voafaritra mialoha niaraka tamin'ny nosy.” Noho izany, nanamafy tamin'ireo mpampiasa Kiobàna ny Google fa “tsy mahazo mampiasa ny tolotra fandrindràna ny jery amin'ny aterineto izy ireo satria mandika ireo fandradàna napetraky ny Etazonia.”

Google no ha podido explicar por qué se incluyó en los servicios censurados para Cuba a Google Analytics, un producto gratuito -como el buscador y el correo electrónico de esa compañía-, que funciona desde Internet, sin tener que ser descargado en la computadora del usuario, por lo que en teoría no hay intercambio o entrega de productos, añadió Cubadebate.

Tsy mbola afaka nanazava i Google hoe nahoana no anisany amin'ireo tolotra voasakana any Kiobà koa ny Google Analytics, vokatra malalaka iray – toy ny fitaovam-pikarohana sy fijerena mailaka -, izay mifototra amin'ny web ary tsy mila sintonin'ny mpampiasa, izay, raha araka ny fanazavana, dia midika ho tsy fisian'ny fifanakalozana ara-toekarena na fanondranana ireo vokatra, hoy ny Cubadebate nanampy.

Ny volana Novambra amin'ity taona ity ihany, nanambara tamin'ny fanadihadiana iray tao amin'ny Wall Street Journal ny Filoha Mpanatanteraka ny Google, Eric Schmidt, fa anisan'ny loha laharana amin'ireo zotra iraisam-pirenena indrindra ao amin'ny fandaharam-potoanany, i Kiobà. Ankehitriny i Google tsy mamela hiditra afatsy ny fikarohana, ny firesahana, ny mailaka, ary ireo tolotra ara-tserasera hafa izay tsy voararan'ny andininy 515.578 amin'ny fepetram-pandraràn'i Etazonia any Kiobà.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.