Mety Hanakatona Ireo Habaka Mamoaka Vaovao Momba Ny Famoriam-bahoaka Tsy Nahazoan-dalana Ny Governemanta Rosiana

Social networks that could be affected by the new legislation against websites hosting information about unsanctioned rallies. Image mixed by Kevin Rothrock.

Tambajotra sosialy mety hiharan'ny lalàna vaovao manohitra ny habaka mampiantrano vaovao momba ireo famoriam-bahoaka tsy nahazoan-dalana. Sary nafangaron'i Kevin Rothrock.

Hifidy lalàna manome fahefana ny biraon'ny Mpampanòa lalàna hanakatona izay habaka mampiantrano vaovao mandrisika ny vahoaka hanatrika fihetsiketsehana tsy nahazoan-dalana ny parlemanta rosiana. Mikendry ireo fihetsiketsehana nasionalista ny volavolan-dalàna, № 380323-6, saingy mety afaka hampiharina amin'ireo famoriam-bahoaka tsy nahazoan-dalana amin'ny endrika isan-karazany. Ny lahatsoratra tokana amin'ny volavolan-dalàna dia mandràra ny:

[И]нформации, содержащей призывы к массовым беспорядкам, осуществлению экстремистской деятельности, разжиганию межнациональной и (или) межконфессиональной розни, участию в террористической деятельности, участию в публичных массовых мероприятиях, проводимых с нарушением установленного порядка […].

Vaovao [amin'ny aterineto] ahitana antso ho amin'ny fitroarana, fihetsika maherisetra, fitarihana fankahalàna ara-poko sy (na) fiandàniana, hetsika fampihorohoroana, na fandraisana anjara amin'ny hetsi-bahoaka mandika ireo fepetra tokony arahina […].

Nampahafantarin'ireo solombavambahoaka avy amin'ireo antoko politika telo samihafa (Rosia Mitambatra, LDPR, sy ny Antoko Komonista) ny volavolan-dalàna tamin'ny fiandohan'ny volana Novambra, angamba ho setrin'ilay rotaka ara-poko izay niseho tao ivelan'i Moskoa tamin'ny antenantenan'ny volana Oktobra. Raha natao hifantoka amin'ny fihetsiketsehana izay atahorana ny ho lasa fanafihana arahana fandrobàna sy vono olona (pogrom) ny lalàna, dia mety hanome fahefana ho an'ny governemanta handràra ny habaka amin'ny famoaham-baovao momba ireo famoriam-bahoaka amin'ny endriny isan-karazany kosa ny fampiharana azy (lalàna) amin'ny fihetsiketseham-bahoaka rehetra tsy nahazoan-dalana.

Ahitana fepetram-pampiharana henjana noho ireo fitsipika efa misy momba ny aterineto ihany koa ny volavolan-dalàna. Tsy mandalo fitsarana ary mihatra eo noho eo ny fandraràna ho an'ireo habaka mandika làlana. Araka ny voalazan'ny volavolan-dalàna, tokony hanakatona ny fidirana ao amin'ireo habaka voampanga avy hatrany ireo mpampiantrano habaka raha vao maharay fampandrenesana avy amin'ny Mpampanòa lalàna. Tsy hisy ny fanomezam-potoana ahafahan'ireo habaka manaisotra ilay votoaty voakasika.( Ny Runet blacklist izay mikendry ny sarin'ankizy mamohafady sy ny vaovao momba ny famonoan-tena ary ny rongony tsy ara-dalàna ao amin'ny aterineto dia manome alalana  fohy hamafàna ireo fitaovana nomarihana fa tsy ara-dalàna, alohan'ny hametrahan'ny mpampihatra lalàna azy ireo ao anaty lisitra mainty).
Rehefa avy manakana ny fidirana amin'ilay habaka (eo amin'ny sehatry ny faritra, tsy ambanin'izay) ireo mpampiatrano habaka vao manomboka ny famantarana sy fampahafantarana amin'ny tompon'ilay habaka.

Toa mirona ho amin'ny fitovian-kevitra ireo mpandray anjara samihafa eo amin'ny politika rosiana isan-karazany amin'ny famokarana ity volavolan-dalàna ity. Taorian'ny rotaka tao amin'ny manodidina an'i Moskoa tamin'ny volana Oktobra, dia hita fa heverin'ny governemanta ho mampitombo olana momba ny fiarovam-pirenena ireo nasionalista. Nandritra ny valan-dresaka [ru] niarahana tamin'i Vladimir Poutine fotoana fohy taorian'ny rotaka, nitsikera ireo nasionalista ho mampitombo ny fifandirana ara-poko ao Rosia ireo mpikambana marobe tao amin'ny Filan-kevitry ny prezidansa misahana ny  Fifandraisana Ara-poko. Nampitaha ireo nasionalista ho toy ny mpampihorohoro mihitsy aza ny mpikambana sasany. Vao haingana tamin'ny kabarin'i [ru] Putin momba ny Toetran'ny Federasiona tamin'ny 12 Desambra 2013, nampidirin'ny filoha ao anatin'ilay antsoina hoe “Tsy manam-panahy Iraisam-pirenena”, firaisankinan'ny mpanakorontana ara-poko, polisy mpanao kolikoly, ary nasionalista separatista ireo nasionalista ireo.

Ny fanenjehana ny fanentanana antserasera hanao hetsika politika eny an'arabe dia ao anatin'ireo sokajiana ho fanentanana mitohy hampalemy ny teknolojian'ny fifandraisana izay nandray anjara betsaka tamin'ny “Ririnin'ny Hasosorana” tao Rosia teo anelanelan'ny taona 2011 sy 2012, raha niaina fihetsiketsehana goavana indrindra manohitra ny governemanta tao amin'ny firenena tao anatin'ny folo taona mahery. Raha mitopy maso any Kiev, ahitana fihetsiketsehan'olona an'hetsiny mibodo ny kianja malalak'ilay tanàndehibe nandritra ny herinandro maromaro, ny ao Kremlin dia handray am-pifaliana ny fandraràna ireo antso antserasera amin'ny famoriam-bahoaka tsy nahazoan-dalana, nasionalista na hafa.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.