Ireo Tanora, Mahantra Mpifoka Lakaoly any Myanmar

Olana miharatsy ho an'ny zaza sahirana any Myanmar ny fidorohana diso tafahoatra ny lakaoly mora vidy. Nanadihady ny sasantsasany tamin'ireo ankizy ireo i Yin Yin Hnoung, mpianatra ho dokotera any amin'ny Anjerimanontolo Fianarana ho mpitsabo any Mandalay ary nandinika ireo antony sy ny fiantraikan'ity fidorohana hafakely tafahoatra ity.

Natombony tamin'ny fanoritsoritana ny fahitany ireo ankizy mioroka lakaoly tao amin'ny pagodan'i Mahar Myat Mu Ni, toeram-pizahantany malaza any Mandalay:

Nisy vondron'ankizy nilalao teo aminà toerana malokaloka tao amin'ny Pagodan'i Maha Muni, Mandalay. Teo ho eo amin'ny 5 hatramin'ny 15 taona (teo izy ireo). […] Ny asan'izy ireo andavanandro dia ny mangataka amin'ireo mpanao fivahinianana masina sy ireo mpitsidika, mba hahazo izay sakafo rehetra mety homeny sy hanangona harona plastika efa niasa. […] Raha dinihana(-tsika) ity vondron'ankizy etsy sy eroa ity, dia mety mahita (isika) ankizy sasany matory na mitsotsotra. Boaty misy marika “TV” fantatra amin'ny hoe “TV Glue” izany. Mitsotsotra izy ireo sady midoroka (lakaoly avy amin’) ilay boaty. Manodidina ny ankizy 100 eo no mampiasa ity tranonà lakaoly ity ho toy ny rongony izay mamoaka fofona ratsy sy maimbo tahaka ny solitany ary mipetraka eo amin'ny manodidina ny Pagoda Maha Muni izy ireo.

Nanatona ny sasantsasany tamin'ireo ankizy izy ary nitafatafa toy ny mpinamana tamin'izy ireo. Zazalahy 14 taona mamihina ny zandriny lahy 4 taona no mitantara ny zava-nisy teo amin'ny fianakaviany:

A glue can used to sniff by children. Photo from Yin Yin Hnoung's Facebook

Mampiasa ity boatinà lakaoly ity ny zaza vitsivitsy mahantra any Myanmar mba ho dorohany. Sary avy ao amin'ny Facebookn'i Yin Yin Hnoung

Teo amin'ny telo taona teo izao aho no teto, ranabavy. 14 taona aho. Nandia fianarana hatramin'ny Taom-pianarana faha-5 aho. Efa maty ny raiko. Ary vao avy niteraka vao 10 andro izay ny reniko. Mpandrafitra ao Tampawati [Fanamarihan'ny mpanoratra: Anaran-tanàna ao an-tanàn-dehiben'i Mandalay] ny raikeliko. Tsy mamelona anay izy noho izany dia mila mivoaka izahay mirahalahy ary mangataka.

Ary dia notohizany amin'ny antony idorohany lakaoly izany:

Manana trosa mitentina 30,000 kyats (37 Dolara Amerikana) izahay, nindraminay tamin'i mamanay niteraka. Ary satria izahay tsy manambola loatra (hamerenana izany), dia mifoka lakaoly no ataoko hanadinoana izany. Mahazo eo amin'ny 1,000 hatramin'ny 1,500 kyats (1.25 hatramin'ny 1.8 Dolara) eo izahay. 400 kyats (0.5 Dolara Amerikana) no vidin'ny boatin-dakaoly iray. Afaka mividy izany any amin'ireo toeram-pivarotana kojakoja ivelan'ny pagoda izahay. Maharitra herinandro eo ho eo ny boaty iray. Tsy hoe te-hidoroka aho, ranabavy.
Fa raha nividy boaty iray aho, maharitra tsy mihinan-kanina mandritra ny iray andro manontolo. Lasa ihany koa ny hasosorako rehetra. Tsy mahatsiaro marary akory aho raha misy olona midaroka ahy mandritra ny ady. Salama aho rehefa midoroka izany. Izany no nanombohako nampiasa azy.

Nilaza ny momba ireo tanora manao heloka aorian'ny fidorohan'izy ireo lakoly ilay ankizy nohadihadiany:

Miditra antsokosoko anatin'ireo fivarotana voanà arec ireo bandy ireo amin'ny alina ary mivarotra ireo zavatra rehetra azony nalaina. Tsy misalasala ny hiady ( amin'ny olon-kafa ) ihany koa, izy ireo. […] Indraindray, tamy mangalatra ny boatin-dakaoliko izy ireo.

Nilaza ny tantarany ihany koa ny zazalahy 15 taona iray:

Nianatra tao amin'ny sekoly Gaw Mashin (World Vision amin'ny fampiasan'izy ireo). Tsy maintsy mianatra any aho. Manana sakafo hanina. Fa tsy sambatra aho. Ahoana moa no hahasambatra ahy? Satria tsy misy lakoly, tsy afaka miaina any aho. Izany no antony nandosirako.

Niresaka taminà vehivavy tanora iray mipetraka eo akaikin'ny faritra ihany koa izy:

Matetika aho no mibedy ireo ankizy ireo izay raisiko ho zanaka an-trano na mpiray tampo amiko. Tsy tian-dry zareo mihitsy aho satria mihazona sy manary ireo boatin-dakaoliny ;[…] Mipetraka miaraka amin'ny vadiko; sy zanako iray aho.[…] Na ny vadiko aza dia zatra nifoka lakaoly, fa notereko hiala amin'izany izy. Roa taona izao ny zanako lahy. Koa satria nifoka lakaoly izy rehefa nitrotro ny zanakay, nahatsiaro rà mihandrona tao amin'ny tratrany tao ilay zaza. Nijanona izy mba tsy hanimba ny zanakay.

Mino ilay ramatoa fa mpaka fako any amin'ny garan'i Mandalay no nampianatra ireo ankizy ireo hifoka lakaoly. Hita mifoka lakaoly ihany koa ireo zazavavy any amin'ilay faritra. Matetika ireo mpitandro filaminana ao amin'ilay Pagoda no midaroka ireo ankizy tratra mifoka lakaoly.

Mamarana ny tantarany tamin'ny fanondroana ny zavatra tokony hatao mba hanampiana ireo zaza ireo i Yin Yin Hnoung. Nanoratra izy:

Noho ny fahantrana, voatery mangataka ireo zaza mba hamahanana ny fianakaviany raha tokony handia fianarana izy ireo. Tsy ampy sakafo izy ireo noho ny tsy fahampian'izany. Rehefa tsy mahazo vola sahaza kokoa ( mba hivelomana ) izy ireo, dia nifoka lakaoly satria sorena. Lany amin'ny fidorohana lakaoly ny vola azon'izy ireo. Mangataka indray ry zareo avy eo. Lany amin'ny lakaoly ny vola omen'ireo mpitsidika mahafatrapo. Raha voadaroka noho ny fidorohana (lakaoly) izy ireo , dia miverina midoroka lakaoly indray mba hanadinoany ny hirifiry. Miankin-doha amin'ny fidorohana lakaoly izy ireo araka io faribolana io.

Nangataka ireo manan-pahefana izy mba hanadihady ihany koa ity olana ity:

Mamadika ny toerana manan-tantara tahaka ny pagoda Mahamuni izay afaka misarika mpizahatany maro ho toerana ratsy tarehy noho ny fidorohan'ny ankizy lakaoly izy ity. Hihena ny otrikarena ara-olona amin'ny hoavy. […] Izany no antony hanoratako mba hisarika ireo manam-pahefana ao anatin'ny fanjakana, ireo Fikambanana sy ONG misahana ny Fahasalaman'ny Reny sy ny Zaza ao Myanmar mba hanara-maso tsara ny fidorohana lakaoly ary mba hihevitra ny amin'ireo zaza ireo indray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.