Manakana Fihetsiketsehana Any Etazonia Ry ‘Dadabe Daban-Dasantsy’ Avy Any Korea Atsimo

Mbola manohy ny fanakatsakanana fihetsiketsehana ataon'ny Koreana Tatsimo monina any Etazonia manohitra ilay dian'andriana ka mitombo an-dalana momba ny raharaha fanamboarana ny saim-bahoaka tamin'ny fifidianana ihany ry mpikambana amin'ny elatra farany ankavanana izay manana anaram-bositra hoe ‘Dadabe daban-dasantsy‘.

Ny mpisera Storify @wjsfree nizara sarin’ireo vondron'ny elatra havanana mitady hanakana fihetsiketseha-panoherana milamina kelikely notontosaina tao amin'ny Oniversiten'i Yale tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity. Ny mpisera Youtube biophysics7 nizara ny lahatsarin'ny gidragidra nampidirina eto ambany.

Raha iverenana ny tamin'ny Septambra, protesters even naharakitra an-tsary (tsy mbola misy dika an-tsoratra) ny iray amin'ireo ‘Dadabe’ nahavoaka tsinahy, rehefa manelingelina fiareta-tory tao New York City, fa karamaina 100 dolara isaky ny fihetsiketsehana sakanan-dry zareo ry zareo ka ny olona eo amin'ny fitondrana sy ireo vondrona politika mpandala ny nentim-paharazana no manakarama.

Mora fantarina amin'ny fiteny mihoampampana, bandannas ary ny fanamiana miaramila, ireo ‘dadabe’ izay mihoatra ny  taona avokoa ary nahazo ny anaram-bositra noho ny fitondran-dry zareo karazam-piadiana, ka anisan'izany ny daban-tsolika fitondra, famonoana afo ary kobay, ary miantso ny mpanao fihetsiketsehana ho ‘ Komonista Anti-governemanta’.

 

Fanamarihana: Fiteny malagasy talohan'ny fanjanahantany ilay hoe Mitombo an-dalana toa dian'Andriana, satria mahatsiaro ho voatery mandefa solontena manaraka ny andriana amin'ny dia lavitra izorany hatrany ny tanàna andalovan'ny Andriana tamin'izany fotoana izany. Ny dika ara-bakinteny mety tsy ho azon'ny mpamaky tsy mahalala teny frantsay na teny anglisy manko dia ilay hoe “boule de neige” na “Snowballing” izay vongan-dranomandry miendrika ho baolina mikorisa avy any an-tendrombohitra any koa mitombo habe arakaraky ny ikorisany midina maka ireo ranomandry andalovany. Ireo zata mijery sarimiaina kosa mety hahatakatra ihany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.