Korea Atsimo : Voampanga Ho ‘Mpomba ny Tavaratra’ Ny Pretra Katolika iray Nitsikera Ny Governemanta

Nanaovan'ny fanjakana Koreana Tatsimo fanadihadiana ny pretra Katolika malaza iray taorian'ny fanamarihana nataony tamin'ny nitakiany ny Filoham-pirenena hametra-pialàna amin'ny sampan-draharaham-pitsikilovan'ny fanjakana sy ny filalaovan'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena ny aterineto, niteraka ny fifidianana tamin'ny taon-dasa.

Resahana matetika izao i Park Chang-shin, pretra avy ao amin'ny diosezin'i Jeonju sady mpikambana ao amin'ny Fikambanan'ny Pretra Katolika ho an'ny Fahamarinana izay nitsikera tsy nihambahamba ny filoha tamin'ny tranga mahamenatra tamin'ny fampielezan-kevitra, noho ny fanehoankevitra nataony momba an'i Korea Avaratra. Nandritra ny toriteny (lahatsoratra feno [ko]) nataony vao haingana, “tsy nampaninona ny Tavaratra ny namely ny nosy Yeonpyeong hatramin'ny niarahan'ny tafika Amerikana sy Koreana Tatsimo nanao fanazarantena teny akaikin'ny sisintaniny”, hoy izy mantsy ny fanafihana nataon'ny Koreana Tavaratra tamin'io nosy sisiny io izay nahafaty olon-tsotra roa sy mpiantafika an-dranomasina roa tamin'ny Novambra 2010.

Nanjary fitaovam-piadiana ho an'ny governemanta ny fanadihadiana azy nataon'ireo mpampanoa lalàna. Nosokajian'ny Piraiminisitra Koreana Tatsimo ho toy ny “fandravana ny firenena sy fanomezana vahana ny fahavalo” izany fanehoankevitr'i Park izany ary nolazain'ny Minisitry ny Fiarovam-pirenana hoe “fahavalom-panjakana” izy. Hafahafa ihany izany satria ao amin'io lahateny io ihany no ilazan'ny Park fa “leo tanteraka ny fomba fiteny ‘miandany amin'ny Avaratra’ izay tian'ny fitondrana mpiaro nentin-drazana ampiasaina sy araraotina izy mba hanafoanana ireo tsikera rehefa nolazaina ry zareo fa mpanara-dia ny mpomba an'i Korea Avaratra.”

Tamin'ny fiafaran'ny fahavaratra teo dia nampiaka-peo ny mpitarika Katolika any Korea Atsimo, tarihin'ny Fikambanan'ny pretra Katolika ho an'ny Fahamarinana, noho ny fitsabahana mahazatra ataon'ny governemanta, indrindra noho ny fandraisany ireo Lamesa sy fiaretan-tory an-dabozia ho hetsi-panoherana. Manana ny tantarany io vondrona io raha ny fanoherana ny jadon'ny mompera Filoha Park tamin'ny 1970; izy ireo ihany koa no namoha indray ny fampijaliana sy ny fahafatesan'i Park Jong-Chul, izay nitarika ny Hetsibahoaka tamin'ny Jona 1987.

Fantatra tamin'ny vaovao mafàna farany momba ny trangan'ny fampielezankevitra fa bitsika maherin'ny 24,2 tapitrisa no nosoratan'ny sampan-draharaham-pitsikilovana sy ny sampana ho an'ny ady amin'ny aterineto ao amin'ny Ministeran'ny Fiarovana, mba hanalàna baraka ireo kandidàn'ny mpanohitra sy hanandratana ny filoha am-perin'asa Park Geun-hye. Arakaraky ny mampirongatra ny hetsi-panoherana no itenenan'ny filoha fa ‘tsy mandefitra amin'ny hetsika rehetra hampisara-bazana ny vahoaka sy handravana ny firaisam-pirenena izy’.

Nivatravatran-katezerana sy niahiahy ny tontolon'ny aterineto Koreana momba ny fanehoankevitra malalaka eo amin'ny firenena sy ny demokrasia amin'ny fikarakarana ny raharahan'ny mompera Park.

Nobitsihinà mpanao gazety malaza, @mediamongu ny sarin'ny lamesa manokana nokarakarain'ny CPAJ ary notarihin'i Mompera Park tamin'ny 22 Novambra. Manodidina ny 400 ireo pretra sy mpino katolika voalaza fa tonga nanatrika io hetsi-panoherana io :

Rehefa vita ny Lamesa sy ny hetsika nangatahana ny fametraham-pialànan'ny Filohan'ny Park dia nidina teny an-dalam-be nitàna labozia sy niantsoantso hoe ‘mialà ry Filoha !’ ireo pretra sy ireo mpino Katolika

Mpiserasera maro amin'ny aterineto no maneho ny ahiahiny amin'ny fampiasana matetika ilay fitenenana hoe mpomba ny Tavaratra mba hanoherana ireo vondrona progresista sy mpanohitra ny governemanta :

Amboarin'ny governemantan'ny Park sady araraotiny ilay fanamarihana momba ny nosy Yeonpyeong mba hilazàna ny CPAJ hoe ‘mpomba ny Tavaratra’. Raha tsy nampiasainy izany dia tsy maintsy nahita fomba hafa indray izy mba ilazàna fa ‘mpomba ny tavaratra’ ry zareo. Satria izany [fitenenana izany] sisa no karatra entiny miady, izay no antony ampiasany izao tetika izao. Izay vondrona rehetra mitsikera io fifidianana misy fangalarana io dia lazaina fa ‘mpomba ny Tavaratra’– na Protestanta izany, na Won Bodista, na Bodista Koreana Jogye na tsia. Mampalahelo.

Nandritra ny fitantanan'i Lee Myung-bak [taloha], izay feo rehetra mitsikera ny governemanta dia lazaina fa mpomba ny Tavaratra. Izao dia lazaina ny CPAJ fa vondrona Katolika mpomba ny Tavaratra. Mangarahara izany izao : izay rehetra miteny manohitra ny governemanta ary mangataka ny fialàn'ny Park dia ‘mpomba ny Tavaratra’ daholo.

Nambaran'ny fiarahamonim-pirenena Gwangju fa “Tena nanohana ilay Lamesa sy ny hetsi-panoherana nataon'ny CPAJ izahay. Nampangain'ny olona ho miray tsikombakomba ny olona ao amin'ny governemanta mba hanitsakitsaka ny lalàm-panorenana ary mbola manao lamesa sy hetsi-panoherana ihany ny filoham-pivavahana –  Raha toa ka mbola ny fitenenana hoe ‘mpomba ny Tavaratra’ ihany no valin-teny azon'ny governemanta Park omena ho setrin'ireny antso maro be ireny dia hiatrika fanoheram-bahoaka mafimafy sy mivelatra kokoa ry zareo atsy ho atsy.

Itarainan'ireo mpiserasera amin'ny aterineto ihany koa fa ny haino aman-jery Koreana mpandala ny nenti-paharazana dia manaraka an-jambany ireo antoko eo amin'ny fitondrana, ary tafihan'ireo mpitahiry ny fomban-drazana ireo mpivavaka ao amin'ny fiangonana katolika :

Natao ialàna amin'ny fifangaroan'ny politika sy ny fivavahana ny ‘fanasarahana ny fiangonana sy ny fanjakana’ fa tsy hamerana ny fahalalahan'ny ‘tsirairay’ maneho hevitra, izay arovan'ny lalàm-panorenana. Sahirana amin'ny fandambolamboana ny fifidianana mahamenatry ny NIS [ Sampan-draharaham-pitsikilovana Nasionaly] ianareo, ry haino aman-jery Koreana, amin'ny fanaovana lohateny vaventy manaitra. Na dia mivovò miaro ny lehibenareo aza ianareo, fara-faharatsiny mbà manàna fahalalàna hoe momba ny inona no ivovòzanareo.  Ary tsarovy fa ny vahoaka no lehibenareo. Hivaly aminareo izao.

Ny fanafihana amin'ny ‘fitenenana hoe mpomba ny Tavaratra’ dia fidarohana baomba ny CPAJ ary vao maika namafisin'ny haino aman-jery izany famelezana izany.

Androany, taorian'ilay fampitandremana nataon'ny Park Geun-hye fa tsy avelany amin'izao ireo mpikomy ireo, [fanamarihana : tsy izany akory no teny marina nilazan'ny Filoha azy fa izao no fomba nahatakaran'ny mpiserasera azy], dia nopotehin'ny vondron'ny mpandala ny nenti-paharazana, ary ny vondron'ireo zokiolona Goyeopje, ny fiangonan'i Jeonju. Ndeha hojerena hoe ahoana ny fihetsik'i Park Geun-hye manoloana izao fanafihana tsy ara-dalàna sy mahery setra atao amin'ny fiangonana masina izao, satria izy nilaza fa handray fepetra hentitra amin'ny fihetsehana tsy ara-dalàna sy mahery setra.

Nodoran-dry zareo [vondron'ny mpandala ny nenti-paharazana] ny sarin'i Lee Seok-ki taorian'ny fahavoazany. Izao dia lazainy fa mpomba ny Tavaratra ny CPAJ sy nandoro ny sarin'izy ireo. Tena mandreraka be izany- ohatra ny mijery fanaovan'ny mpamosavy sorona. Ity karazana fampihorohoroana ataon'ireto jiolahimboto antitra ireto ity- tsy misy zava-baovao amin'izany rehetra izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.