Masoivohom-Baovaom-Panjakana Rosiana Mahazo Fanavaozana Mifanaraka Amin'izay Ilain'ny Mpitondra

Vladimir Putin upgrades his media support with a reshuffling that favors Kremlin loyalists. Image mixed by Kevin Rothrock.

Vladimir Putin manavao ny fanohanany ny media miaraka aminà fanovàna manome vàhana kokoa ireo tsy mivadi-belirano amin'i Kremlin. Sary nafangaron'i Kevin Rothrock.

RIA Novosti, iray amin'ireo masoivohom-baovao goavana indrindra sy tena be mpahalala, no tsy ho tafavoaka velona amin'ity ririnina ity. Ny Alatsinainy 9 Desambra 2013, teo am-pifohazana no nahitan'ireo mpiasan'ny masoivohom-baovao iraisam-pirenena izay an'ny fanjakana ny didy vaovao avy amin'ny fiadidiana ny lapam-panjakana ho ‘fandravàna’ ny fisian'izy ireo. Somary hafahafa ihany, tsy hatairana ho an'ny mpitantana ny filazam-baovao sy ireo mpitantana eo antenantenany ihany ilay vaovao, fa ho an'i Svetlana Mironyuk, talen'ilay masoivoho ihany koa. Nipoitra ety anaty aterineto ny lahatsary [ru] ahitàna an'i Mironyuk manazava amin'ireo mpiray asa aminy mikasika ilay vaovao tsy nampoizina. Hita ho voadona ihany, misy fotoana i Mironyuk miezaka mitàna ranomaso eo ampisaorana ireo namany noho ny asa naton'izy ireo nandritry ny taona maro. 

Maminavina ny hankatò ny RIA Novosti ho toy ny “Rossiya Segodnya” ihany koa ny governemanta. Na dia midika hoe “Russia Today” aza ny “Rossiya Segodnya”, dia hisaraka tanteraka tsy hifangaro amin'ny RT kosa izy, foibenà fahitalavitra Rosiana amin'ny fiteny Anglisy, izay nitondra izany anarana izany tany amboalohany. Ny talen'ny kabinetran'i Putin, Sergei Ivanov, nanazava fa “manohy politika tsy miandany i Rosia ary miaro mafy ny tombontsoam-pirenena. Tsy mora ny manazava izany amin'izao tontolo izao, saingy tsy maintsy manao izao isika.”

Ho an'ny Liberaly dia mihoatra noho ny ampy raha ilay vaovao mikasika ny “fandaminana vaovao” ny masoivohom-baovaom-panjakana mba hidradradradràna ny kendarorok'i Kremlin. Tamin'ny fanambaràna hoe mety ho i Dmitri Kiselyov no hitarika ny Rossiya Segodnya, onjampeo iray mpiandany sy mpanasohaso ny ao Kremlin somary manana fironana amin'ny tetiky ny Tandrefana, no toa manamafy ny tahotra be ananan-dry zareo. Tena vao haingana mihitsy no natao lohateny be i Kiselyov tany anaty gazety Tandrefana rehefa nilaza fa ny liberalisma any Soeda dia nitondra ho amin'ny fanaovana ho ara-dalàna ny resaka firaisana ara-nofon'ireo sivy taona any amin'ny firenena Tavaratra. Niantefan'ny haromotan'ny hetsi-panoherana “Euromaidan” amin'izao fotoana izao any Okraina ihany koa i Kiselyov, izay fitongilanany amin'ny governemantan'i Okraina no ijeren'ny maro azy. Tsy ela akory izay ny mpanangom-baovao iray avy amin'ny fantsom-pahitalaviny “Rossiya 1″ no natolotra niaraka tamin'ny “Oscar” mivantana tao amin'ny fahitalavitra Rosiana [ru]. Nanazava ilay nanolotra ny loka hoe “Ho an'ny fantsom-pahitalavitrao sy ho an'i Dmitri Kiselyov. Ho an'ireo laingany sy hadalàny”

Na ny mpanohana, na ny mpanohitra ny fanafoanana ny RIA Novosti dia samy toa mahita ny fiafaràn'ilay masoivoho ho toy ny fomba iray nanerena ny fampiatoana ireo kiana tsy nitsaha-nitombo nataony ny governemanta. Tahaka izay nanazavàn'ilay [ru] Rosiana nasionalista, Mikhail Golovanov [ru] azy tamin'ny fomba tsy misy olankolaka tamin'ilay namany mpanome sisikevitra, Yevgeny Minchenko, tao amin'ny Facebook :

…такие вот непростительные вещи: “Скандал идеологическими «закладками», размещаемыми редакторами РИА в англоязычных текстах, ориентированных на западную аудиторию. Так фраза «The case is widely viewed as a political vendetta by Russia's powerful Prime Minister Vladimir Putin» («…широко рассматривается как политическая вендетта Владимира Путина»), была интегрирована во все статьи с упоминанием дела Ходорковского. В русскоязычных версиях текстов фраза отсутствовала”.

…nisy zavatra vitsivitsy tsy azo nivalozana: [niteraka] tantara ratsy miainga avy aminà “fitety” ideolojika, napetraky ny tonian-dahatsoratry ny RIA anaty lahatsoratra amin'ny fiteny Anglisy natao ho an'ireo mpanaraka any amin'ny tany Tandrefana. Ny fehezanteny hoe “Famonoana ara-politika ataon'i Vladimir Putin Praiminisitra matanjak'i Rosia, no fahitàn'ny rehetra ny raharaha”… dia natsofoka any anatin'ireo lahatsoratra rehetra manonona ny raharaha Khodorkovsky. Amin'ny fiteny Rosiana, tsy hita io fehezanteny io.

Ny hafa taitaitra kokoa tamin'ny fivoaran-draharaha.  Anaty lahatsoratra am-bilaogy iray [ru] ho an'ny Liberaly Ekho Moskvy dia midika fifandraisana vaovao eo amin'ny media sy ny fanjakana ilay fanafoanana ny RIA Novosti ho an'i Mikhail Solomatin

Закрытие РИА “Новости” и передача нового агентства в руки телеведущего Дмитрия Киселева – показательное событие для нового государственного курса, согласно которому государственные СМИ должны обслуживать исключительно интересы правящей элиты без какой-либо оглядки на объективизм. Если прежде для государственных СМИ, во всяком случае для информагентств, достаточно было сохранять лояльность государству, то теперь у них вовсе отнимают функцию информирования, а велят заниматься пропагандой и только ей.

Ny fanakatonana ny RIA Novosti sy fametrahana masoivoho vaovao eo an-tanan'ilay mpanentana amin'ny fahitalavitra, Dmitri Kiselyov, dia efa tranga miteny ho azy ho an'ny fitantanana vaovaon'ny fanjakàna, izay araka azy io, dia tsy maintsy ny tombontsoan'ireo sàngany mitàntana ny firenena ihany no ataon'ny media ho vaindohan-draharahafa, tsy asiana fomba fijery tsy mitanila izany. Raha ampy ho an'ny fanjakana ny media tany aloha tany, na rehefa mety ho masoivohom-baovao, mba hitazonana ny tsy fivadiham-belirano amin'ny fanjakàna, avy eo ankehitriny dia esorina hiala ny asan'ny fampahalalam-baovao ary ny fampielezan-kevitra no hany zava-manahirana azy rehetra

Tsy ny rehetra no nalahelo nahita hoe lasa ny RIA Novosti. Tao amin'ny Facebook, Yevgeniya Albats, liberaly malaza ary mpanao gazety sy mpanentana aminà onjampeo ao amin'ny Ekho Moskvy, dia nanana tombana somary nampihomehy  [ru] mikasika ny zava-niseho.

РИА – все-таки это поразительная история. Директор Агенства, в котором работают тысячи человек и на которое гос-во за 10 лет потратило 1 млрд рублей , из СМИ узнает, что компания ликвидирована. Это зачем так?

Na izany aza dia tena tantara tsy mampino kosa ny an'ny RIA. Ny talen'ilay masoivoho, izay mampiasa olona an'arivony ary nandanian'ny governemanta vola “roubles” an-davitrisa maro tato anatin'ny folo taona farany, dia any anaty fampahalalam-baovao vao mahafantatra fa noravàna ny orinasa[ny]. Fa nahoana no izany?

Fanehoankevitra iray no nanipika hoe nanao fahotana kely nahafaty i Albats. Raha ny marina dia nandany iray lavitrisa dolara tamin'ny RIA Novosti ny governemanta fa tsy iray lavitrisa roubles. Takona ny famirapiratan'ny kiana nataon'i Albats an'i Mironyuk raha ampitahaina amin'i Darya Mitina ilay solombavambahaka fahiny tao amin'ny Douma sady mpikatroka mafàna fo avy amin'ny elatra havia, izay ketraka nahita hoe i Kiselyov no notendrena hiandraikitra ny Rossiya Segodnya saingy nanaiky [ru] sasantsasany tamin'ireo tsy fahombiazan'ny asan'ny RIA:

РИА в последние годы было огромным, неповоротливым, растерявшим последние остатки профессионализма, крайне неэффективным баблососущим механизмом со странным руководством во главе.

Tato anatin'ny taona vitsy farany ny RIA dia milina goavana, tsy hay nohozongozonina, faran'izay tsy nahomby indrindra, fitsentsefam-bola, tsy mba nanana izay kely indrindra maha-matianina sady nanana mpitarika hafahafa teo amin'ny fitantanana azy.

Tsy mbola mazava tsara izay endrika horaisin'ny “Rossiya Segodnya” vaovao. Tsy misy masoandro mamiratra toy ny taona vitsy tany aloha hatreto ny vinan'ny toekaren'i Rosia, fony Rosia noheverin'ny maro ho nahavita nanaraka ny onjan'ny Krizy Ara-Bola Erantany. Iray andro monja taorian'ny nanambaràn'ny Kremlin ilay fandravàna, nampidinin'ny FMI ny vina ho an'ny fampandrosoana ao Rosia , taona 2014. Tsy dia nampihontsona an'i Rosia loatra angamba ny hamatsy vola masoivohom-baovaom-panjakana be kiana amin'ny fotoana ilomanosany ao anaty volaben'ny solika. Miaraka amin'ny fahasahiranana mahita vola sy ny fitomboan'ny tsy fitovian-kevitra, na ny faran'izay tsy mpivadi-belirano toa an'i Kiselyov aza tsy maintsy hiafara ain'ny fihazakazahana mankany aminà fikambanana bitika tahaka ny nataon'i Mironyuk

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.