“Rehefa Mifoka Rivotra Ny Ranomasina”: Taratasy Iray Avy Amin'i Oscar López Rivera, Gadra Politika Puerto Ricain

Oscar López Rivera

Oscar López Rivera. Sary avy amin'ny tranonkala ProLibertad.

Voafonja nandritry ny 32 taona any Etazonia i Oscar López Rivera noho ny fiampangàna azy taminà “fikotrehana fihokoana” sy “fikotrehana fandosirana” izay nahazoany sazy 70 taona. López Rivera, 70 taona ankehitriny, dia mpitolona ho amin'ny fahafahan'i Puerto Rico, zanatany Amerikana.

Nitambatra tamin'ny alàlan'ny aloky ny politika ireo politisiana, artista, ary mpikatroka mafàna fo amin'ny fiarovana zon'olombelona mba hitaky amin'i Barack Obama, filoha Amerikana, hamela ny helok'i López Rivera, izay nantsoina ho ny gadra politika voatàna am-ponja ela indrindra tany amin'ny ila-bolan-tany andrefana. Tamin'ny 1999, ny filoha Amerikana Bill Clinton dia nanome azy famotsoran-keloka, izay nolavin'i Oscar satria ilay mpitaky fahaleovantena miara-mifonja aminy tsy tafiditra tao anatin'ny famelan-keloky ny filoha. Ireo malaza erantany amin'ny resaka fiarovana ny zon'olombelona dia nitaky ny famotsorana an'i Oscar, toy ilay arseveka Anglikana Afrikana Tatsimo sady nahazo ny Loka Nodel momba ny Fandriampahalemana, Desmond Tutu (jereo ato ny lahatsary), ary ilay teratany Goatemalteky mpikatroka mafàna fo amin'ny resaka zo sady manana ny Loka Nobel momba ny Fandriampahalemana Rigoberta Menchú.

Isaky ny Sabotsy, ny gazety El Nuevo Día ao Puerto Rico dia mamoaka ireo taratasy alefan'i Óscar López avy any am-ponja ho an-dramatoa Karina zafikeliny, izay fifankahitàna noelanelanin'ny tsivalam-bin'ny fonja no mba hany nihaonany.  Kitty Garden, mpandika teny ho an'ny Global Voices dia nandika ny taratasy faharoa avy aminy [es] mitondra ny lohateny hoe “Donde respira el mar”, navoakan'ny El Nuevo Día tamin'ny 14 Septambra 2013

Hatramin'ny androany, taratasy 12 [es] no efa navoaka. 

"I kept quiet and tried to concentrate on the sound of the waves, I closed my eyes and saw them breaking on Cueva del Indio," Oscar López Rivera. Cueva del Indio, Arecibo, Puerto Rico. Photo by NomadicStateofMind, taken from Flickr under CC License BY-NC-ND 2.0.

“Niezaka nitana ny fitoniako aho ary nanandrana ny nifantoka tamin'ny feon'ny onja, nakatoko ny masoko ary hitako izy ireo namaky ny Cueva del Indio,” Oscar López Rivera. Cueva del Indio, Arecibo, Puerto Rico. Sary an'ny  NomadicStateofMind, nalaina tao amin'ny Flickr su nampiasàna ny CC License BY-NC-ND 2.0.

Karina malalako. Aorian'ny fianakaviako, izay tena banga amiko betsaka tokoa dia ny ranomasina.

35 taona izay no lasa hatramin'ny fotoana farany nahitako azy. Saingy efa imbetsaka aho no nanao sary azy, na i Atlantika izany, na i Karaiba, ireo roatra mitsiky ao Cabo Rojo, izay avy amin'ny fifangaroan'ny  hazavana mamiratra sy ny sira.

Ho an'ny olona ao Puerto Rico, tena zavatra tsy takatrny saina izany hoe miaina lavitry ny ranomasina izany. Hafa mihitsy rehefa fantatrao hoe malalaka ianao handeha na aiza na aiza ary mitsangatsangana hijery azy io. Tsy olana na maloka sy mangatsiaka aza ny andro. Na dia mahita ranomasina aza ianao any aminà firenena lavitra any, dia ho tsapana fa misy fiantombohany vaovao foana izany (tahaka ny nambaran'ny poety iray indray andro izay), ary ilau trondro izay voasarika teo akaikinao teo an-torapasika iny mbola mety handeha hitety io ranomasina io, hitondra fahatsiarovana any ho any

Mbola tena tany amin'ny fahazazako tokoa aho no nianatra nilomano, teo amin'ny telo taona teo angamba aho. Iray tamin'ireo rahalahin-draiko, izay nonina niaraka taminay sy toy ny zokibe ho ahy, no natetika notondra ahy nankeny amoron-tsiraka, toerana nilomanosany niaraka tamin'ireo namany, ary nanipazany ahy tany anaty rano mba hianarako kosa. Toariana kely, rehefa tany an-tsekoly aho, nahazatra ahy  ny mandeha miaraka amin'ireo ankizy mankeny amoron'ny renirano iray tsy lavitra teo. Tahaka ny efa ela ery izany rehetra izany ankehitriny.

Mazàna aho aty am-ponja no mahatsiaro manembonembona ny ranomasina; mameno tratrako amin'ny fofony; mikitika sy mandena ny molotro, saingy eo ihany aho dia mahatsapa fa taona marobe no mety handalo alohan'ny hahafahako indray hanana izany fahafinaretana tsotra kely izany.

Malahelo mandrakariva ny ranomasina aho, saingy heveriko fa tsy dia nila azy loatra aho rehefa nafindran-dry zareo niala ny fonjan'i Marion tany Illinois, ho any Florence, Colorado. Tany Marion, indray mandeha isan-kerinandro aho no nivoaka teny an-tokontany, ary avy eo no ahatazanako ireo hazo sy voronkely… Henoko ny feon'ny fiaran-dalamby sy ny kalon'ireo angely. Te-hihazakazaka hitety no tontolo aho mba hanimbolo azy. Te-hitsilany amin'ny bozaka ka hamela ny lolo handrakotra manodidina ahy. Saingy nifarana izany rehetra izany tao Florence.

Fantatrao ve fa ny ADX, fonja tsara aro indrindra ao Florence, dia namboarina ho an'ireo mpanao heloka bevava atahorana indrindra aty Etazonia ary heverina ho ny mafy indrindra sy sarotra idirana eto amin'ny firenena? Tsy manana fahafahana hifanerasera izy samy izy ny mpifonja ao, lozoka vy sy simenitra no ao ary natsangana mba hanasaratsaraka sy handemena. Izaho no lehilahy isan'ny voalohany indrindra tonga tamin'io fonja io.

Tamin'ny fotoana nahatongavako, dia tairina matetika aho mandritry ny alina, ary nandritra ny fotoana elabe dia tsy mba afaka natory mihoatra ny 50 minitra tsy miato aho. Mpifonja efatra monja no tao amin'io faritra io, saingy ny iray tamin'izy ireo dia efa nanana aretin-tsaina nandritry ny fotoana naharitra, ary nandany ny aliny manontolo tamin'ny fitenenana zavatra tsy manjary, manao ny adiny aminà fahavalo tsy hita maso. Saiky ao anatin'ilay efitra kely fifonjàna hatrany izahay, ary ao anatin'ireny no tsy maintsy nisakafo. Vita simenitra ny fanaka rehetra ary tsy misy azo afindrafindra na izay aza. Tsy haiko hoe ahoana no naneken'ireo mpifanolo-bodirindrina ao Florence hisian'ny karazana fonja tsy manaja ny maha-olona tahaka izany ao anivony ao. Saingy min'izao andro izao dia indotria isan'ny matanjaka ao Etazonia ny indostrian'ny fonja. Mampidi-bola, ary toa izay ihany no hany zava-dehibe.

Ao Florence, amin'ny alina, mifandray amin'ny alalan'ny fampidiran-drivotra izay manakaiky ny valin-drihana ireo mpifonja. Mila mikiakiaka ianao mba ho heno, samy mikiakiaka ny tsirairay ka tena mahasorena tokoa.

Avy eo dia nanomboka tsy re intsony ireo kiakiaka tao am-ponja. Niaka-nidina toy ny soroka ny ranomasina, mampita ny tanjany sy ny fofon'ainy.

Fantatro fa indray andro any dia mbola handany alina manontolo eny amoron-tsiraka eny aho, ary ary hiandry ny maraina mangiran-dratsy manomboka hiposaka. Tiako ny hanao ny toy izany koa any Jayuya, hijery ny masoandro miposaka avy any ambadiky ny tendrombohitra any

Miaraka amin'io fanantenana io, ao anaty fiaretana sy tolona, mamihina anao ny raibenao…

Raha hitady vaovao misimisy kokoa mikasika an'i Oscar López Rivera, jereo ny pejy Facebook 32 X Oscar sy Free Oscar López Rivera Now. Ary koa, araho ny resaka eo ambanin'ny tenifototra  #FreeOscarLopez. Raha hitady fitantarana mismisy kokoa avy amin'ny Global Voices momba an'i López Rivera dia ingaviana hijery eto, eto, eto, ary eto.
 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.