Rehefa Tapitra Ve Ny Ainy Vao Ho Afaka Madiodio Ilay Voaibe Rosiana Khodorkovsky?

Mikhail Khodorkovsky, 1 April 2001, Press Center of Mikhail Khodorkovsky and Platon Lebedev, CC 3.0.

Mikhail Khodorkovsky, 1 Aprily 2001, Ivontoeran'ny Gazetin'i Mikhail Khodorkovsky sy Platon Lebedev, CC 3.0.

Efa voalahatra hivoaka ny fonja amin'ny taona hoavy i Mikhail Khodorkovsky, voaibe ao Rosia faran'izay mangidy hoditra sady gadra politika malaza, saingy misy ankehitriny ireo famantarana fa mety hiatrika vesatra heloka bevava vaovao izy [ru] alohan'ny hahafahany hifoka rivotra madio. Ny Zoma 6 Desambra 2013, ny lefitry ny lehiben'ny fampanoavana,  Aleksandr Zviagintsev, dia nilaza [ru] tamin'ny “Interfax News” fa manao fanadihadiana vesatra maro vaovao mikasika an'i  Khodorkovsky ny masoivohony. Loharano iray avy ao anatin'ny biraon'ny Fampanoavana no nilaza tamin'ny “Interfax” fa ireo vesatra vaovao anenjehana ilay voaiben'ny solika teo aloha dia mahavoarohirohy azy aminà fanadiovana vola maloto maherin'ny telo lavitrisa dolara, tafiditra anatin'izany ny niezahany nampiasa io vola io “hanovàna ny lalàna rosiana.” Nandà tsy haneho hevitra [ru] mikassika ilay ampamoaka nataon'i Zviagintsev i Vladimir Markin, mpitondra tenin'ny Kaomity mpanadihady ao Rosia (sampana polisy iray hafa ao amin'ny governemanta federaly ary mpifanandrina ara-pitantanana amin'ny Lehiben'ny Fampanoavana)

Raha toa ka hiverina hiatrika vesatra fanadiovana vola maloto eny anatrehan'ny fitsarana i Khodorkovsky, dia io no mety ho fitsarana azy fanintelony misesy. Nosamborina ny Oktobra 2003, efa ho folo taona izao no laniny tany am-pigadràna, voaheloka ho nanao hosoka sy nandositra hetra tamin'ny 2005 ary fanodinkodinam-bola tamin'ny 2011.

Na dia mbola vao mafàna aza ilay vaovao mikasika ny ho fitsarana fanintelony mety hatrehan'i Khodorkovsky, marobe amin'ireo mpanao gazety liberaly ngezalahy no efa maneho sahady ny hatezerany ao anaty lahatsoratra ao amin'ny Facebook sy Twitter, mialoha izay heverina ho lahatsoratra mamaivay sy matoan-dahatsoratra tsy fankasitrahana.

Tsy nahita holazaina i Yuri Saprykin, mpanao gazety, teo ampanoratana [ru] tao amin'ny Facebook :

третье дело. слов уже никаких не осталось.

Raharaha fanintelony. Tena tsy hita intsony izay teny holazaina

Iray hafa mpanao gazety i Anton Krasovsky no nivazivazy hoe [ru]:

Бог троицу любит.

Tian'Andriamanitra ny teloizayiray.

Ekaterina Vinokurova nahita hoe [ru] toy ny fanimbazimbàna ny mety ho fisianà fitsaràna iray vaovao indray :

Новое дело против Ходорковского – это какое-то издевательство уже.

Raharaha iray vaovao anenjehana an'i Khodorkovsky. Dia ampiasain-dry zalahy toy ny gony feno fasika fidaroka fotsiny lery amin'izao fotoana an.

Eo am-panoratana ao amin'ny Facebook, nasehon'i [ru] Tikhon Dzyadko ny hetahetany lalina te-hahafantatra izay fomba ho entin'ny sekretera miandraikitra ny seraseran'i Dmitri Medvedev amin'ny mpanao gazety, Natalia Timakova, mamaly ilay vaovao. Ao anaty fanehoankevitra tamin'ilay lahatsoratr'i Dzyadko, ny hafa manatsiny azy ho nitodika kokoa tamin'i Medvedev fa tsy Putin, na dia nisisika mafy aza i Dzyadko hoe tsy nisy hadisoana ny firesahana an'ilay “olo-malaza faharoan'ny” politika ao Rosia. (nanana tantara tamin'ny nametrahany fanontaniana nahasadaikatra tamin'i Timakova tao amin'ny Facebook i Dzyadko. Volana Aogositra tamin'ny taona lasa, nokianiny [ru] ramatoa io ho nanao fialantsasatra nandaniam-bola be tany Italia.)

Anaty lahatsoratra iray hafa ao amin'ny Facebook, nanamaivana somary nolaroiny tsy fisiam-panantenana ny amin'izay ho fiantraikan'ilay fanambaràn'i Zviagintse mikasika ny vaovao momba ireo vesatra vaovao anenjehana an'i Khodorkovsky i Dmitri Bavyrin mpanao gazety, tamin'ny nanoratany hoe [ru] :

А что Ходорковского живым не выпустят – это, извините, давно понятно было.

Miala tsiny, fa efa ela no nazava fa tsy hoafahana mihitsy i Khodorkovsky raha mbola velon'aina koa

Fyodor Krasheninnkov, mpandalina politika, dia nanely izay fahatsapana izay ihany koa tao amin'ny Twitter:

Rehefa tapitra ny fitondràn'i Putin vao ho afaka malalaka i Khodorkovsky. Fanakiviana tena sy tsy fahampian'ny fahamatorana ny finoana zavatra hafa ankoatra izay. Na dia mampalahelo aza izany.

Kanefa, manam-panantenana ny hafa fa mbola hivoaka ny fonja i Khodorkovsky. Nanoratra i Stanislav Yakovlev (aka Ortega, aka Kreutzwald) ao amin'ny Twitter fa matoky izy hoe tsy hanana fotoana hanangonana antontan-taratasin-draharaha vaovao hanenjehana an'i Khodorkovsky sy Platon Lebedev mpiara-manao fandraharahàna aminy ireo mpampanoa lalànam-panjakana alohan'ny hahataperan'ny sazy efainy amin'izao fotoana izao

Izaho miteny hoe ho afaka i Khodorkovsky sy Lebedev, mandra-panangan'[ireo mpampanoa lalàna] raharaha [vaovao]

Ny loharanom-baovaon'ny Interfax ao amin'ny Lehiben'ny Fampanoavana dia miteny fa “resaka fotoana” sisa ny famoahana ireo vesatra ofisialy anenjehana an'i Khodorkovsky (na ho vavolombelona na ho voampanga). Raha efa tena mananontanona toy izany ny raharaha iray, hafahafa ihany raha ny solontenan'ny Kaomity Mpanadihady no tsy hety haneho hevitra amin'izao fotoana izao. Tao anatin'ny fanenjehana fahiny an'ireo fahavalo ara-politikan'i Kremlin, toa an'i Alexey Navalny, faran'izay tsy be lazao nanoloana ireo mpanangom-baovao i Markin. Mety ho fambara ve io fa mbola eo am-piantombohany ny fanadihadiana, araka ny ambaran'i Yakovlev, sa ve midika io fa ny Lehiben'ny Fampanovana no mpisava làlana ankehitriny?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.