Ny Teny Malaza 4 Tsy Afaka Am-Bavan'ny Maro Tao Japana Tamin'ny 2013

In 2013, Japan had variety of newly introduced phrases and words. Image by Keiko Tanaka

Nandritra ny taona 2013, nanana voambolana sy fehezanteny vao nampidirina i Japana. Sarin'i Keiko Tanaka

Amin'ireo tsingevahevanteny vaovao sy malaza maro amin'ity taona ity any Japana, efatra ihany no nisongadina avy amin'ireo sisa ambiny haka ny voninahitry ny New Buzzwords Award 2013 [ja] (Lokan'ny Teny Malaza Vaovao), mari-boninahitra fanomeisan-taona omen'ny orinasam-pampianarana ampitain-davitra U-Can sy ny trano famoahana Liberal National. 

Tamin'ny valiny tsy mbola nisy hatrizay, ireo efatra nahazo ny laharana voalohany dia nivoaka avy amin'ireo 50 nofantenana. Ireto avy izy ireo: 

1. Imadesho!

Midika hoe “ary ny amin'izao?!”, ny fehezanteny dia nalaza noho i Hayashi Osamu, mpampianatra Japoney maoderina ao amin'ny sekoly manokana fantatra amin'ny maha-sekolim-pianarana mafy, taorian'ny nampiasany azy tao sekolim-pianarana varotra hilazanahoe fotoana izao hianaranao hanalana ny fanadinana.

2. O-mo-te-na-shi

Fanononana mafy ny voambolana Japoney “omotenashi”, midika hoe fandraisana vahiny, ity buzzword (teny malaza) ity dia nampidirin'i Christel Takigawa tao amin'ny teny Japoney, Christel Takigawa dia ilay vehivavy mpanolotra vaovao niteny farany hahazoan'i Japana ny Lalao Olaimpika. Io voambolana io dia fampiasa rehefa mandray vahiny sy mafana ny fandraisana izay fomba mipaka lalina ao amin'ny fiaraha-monina Japoney

3. Jejeje

Midika hoe “Ahoana? Ahoana?! AHOANA!?”, niditra ao amin'ny voambolam-bahoaka ny fehezanteny noho ilay tantara amin'ny fahitalavitra nivoaka tamin'ity taona 2013 ity izay mitondra ny lohateny hoe “Amachan.” Izy io dia tenim-poko fampiasan'ilay mpisehatra voalohany fampiasa rehefa gaga any amin'ny faritra Tohoku. Niezaka ramatoa io ny ho fanta-daza any Tokyo, fa niverina nankany Tohoku ihany hamelombelon'aina indray ny faritra taorian'ny Horohorontany lehibe Tany Japana Atsinanana.

4. Baigaeshi

Niainga avy amin'ny tantara malaza amin'ny fahitalavitra ihany koa, ny “baigaeshi” dia midika hoe “mamerina indroa avo heny” na “valifaty” ary izany no fehezanteny fanaitairan'ilay mpisehatra voalohany tao amin'ny “Hanazawa Naoki,” mpiasan'ny banky izay nijoro nanoloana ny fihoaram-pahefana nataon'ny lehibeny.

Ny mpisera Twitter Yukihiro Matsumoto nilaza ny heviny nanoloana ny fifandraisana amin'ny fahitalavitra sy ireo teny efatra faratampony:

Amin'ny lokan'ny Teny Malaza (Buzzwords Award), ny fahitana fa ny voambolana efatra voafantina dia nanana fototra tamin'ny fahitalavitra no mampiseho fa nahazo laka kokoa noho ny taloha ny fahitalavitra.

Anisan'ny teny hafa tafiditra folo voalohany nambara tamin'ny 2 desambra 2013 ny “kabarim-pankahalàna”, teny tsy afaka imolotry ny maro tamin'ny 2013, taona nahitana ny mpanao fihetsiketsehana anti-Korea, tezitra manoloana ny lazan'ny vokatra Koreana eo amin'ny tsena Japoney, ka miakatra kokoa ny feo.

Teny hafa tafiditra folo voalohany ny “PM 2.5”, araka ny iantsoana azy mahazatra, ny ny fandotoan'ny rivotra amin'ny endrika manokana, izay teny malaza voatahiry noho ny tahotra fa hahatratra an'i Japana ny fandotoan'ilay Shina mpifanolo-bodirindrina; ny “Lalàm-Piarovana Tsiambaratelo,” tolo-dalàna mampiady hevitra izay manenjana ny fanasaziana noho ny famoahana tsiambaratelom-pirenena; ary ny “Abenomika,” karazana teny tarigetra ho an'ny politika ara-toekaren'ny fitondran'ny Filoha Shinzo Abe.

Ascii art used to describe gekiokopunpunmaru, a new buzzword used in 2013 to express one's anger

zavakanto Ascii nampiasaina hanoritsoritana ny gekiokopunpunmaru, teny malaza vaovao nandritra ny 2013 ho fanehoana ny fahatezeran'olona iray

Lokan'ny Teny Malaza An-tSerasera

Etsy ankilany, izay heverina ho nahaliana ny olona kokoa ny “Lokan'ny Teny Malaza an-tSerasera [ja],” nambara tamin'ny 12. Ny loka, izay manasongadina ny teny malaza amin'ny aterineto, dia nentin'ny orinasan'ny mili-pikarohana ao Japan, ary fanapahan-kevitry ny mpisera avy amin'ny 2chan, gazety-boky an-tserasera, izay nanao ny safidiny [ja] amin'izay heverin-dry zareo ho fehezanteny tsara naoty indrindra nandritra ny taona.

Nomen'ny Lokan'ny teny malaza an-tserasera ny faratampony ihany koa ny “Imadesho!”, raha fahatelo kosa ny “Baigaeshi”. Eo amin'ny laharana faharoa no misy ny “gekiokopunpunmaru”, fehezantenin-jaza milaza fahatezerana faratampony nalaina avy amin'ny fanenon-javatra araka ny andrenesan'ny sofina azy nefa sarotra adika amin'ny teny anglisy.

Tamin'ny fahitana ny fitovitoviana nisy teo amin'ny Lokan'ny teny malaza an-tserasera sy ny lokan'ny teny malaza vaovao, dia nanoratra toy izao ny mpisera Twitter Katsura Igarashi:

Tena saiky nitovy tanteraka ny lokan'ny teny malaza an-tserasera sy ny lokan'ny teny malaza fanao mahazatra. Izao no fahataperan'ny aterineto ho fialokalofana .

Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'ny mpanoratra tamin'ny teny Japoney fa nadikan'i Taylor Cazella

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.