Mahita “Olo-masina” Ho Azy Ireo Ny Nasionalista Rosiana

An Andy Warhol version of the young gunman. Anonymous image distributed online

Endrika Andy Warhol ho an'ilay tanora mpitifitra tao amin'ny Metro tao Maosko. Sary tsy misy anaran'ny tompony naely tao amin'ny aterineto

Niteraka fanaovana kisarisary fanalàna azy vaovao ho an'ny hetsik'ireo nasionalista hiringiriny sy mpanohitra ny mpila ravinahitra ny fitifirana iray nitranga ny 23 Novambra 2013 tao amin'ny Fiantsonam-piarandalamby ambanin'ny tany ao Maosko. Voarakitry ny kamerà CCTV an'ny zotram-piarandalamby ilay tranga. Ao amin'ilay lahatsary dia hita eo ny lehilahy iray tamy manatona olona roa mipetraka amin'ny seza ary taorian'ny resaka fohy dia nitsangana ny iray tamin'ireo lehilahy, namoaka basy poleta arefotry ny rivotra na entona ary mampiasa bala fingotra ka nitifitra teo akaiky teo ny tavan'ilay lehilahy voalohany. Namoaka basy ihany koa ilay tovolahy iray nàmany, ary natohony an'ilay olona efa naratra, sady nivoaka ny fiara izy roalahy. Azon'ilay gazety mpanatavy resaka LifeNews ilay lahatsary [ru], ary hatreo dia niparitaka be tao amin'ny RuNet

Hashim Latipov, lehilahy Dagestani, ilay niharan'ny tifitra nataon'ireo lehilahy roa azy, toa tsy nisy antony akory, tahàka ny manana endrika Rosiana. Ary na dia miteny aza i Latipov fa tsy avy aminy no nipoiran'ny fanafintohinana, ny zava-misy dia ampy ny fiaviany ho an'ireo Rosiana nasionalista ho enti-manamarina fa niezaka niaro tena fotsiny ireo Rosiana roalahy. Tsy izay ihany, fa nomen'ireo vondrom-piarahamonin'ny nasionalista ety anaty aterineto hasiny ny fihetsik'izy roalahy — izay nanomezana sary an'ireo lehilahy roa ireo ho milisy mampihatra ny rariny amin'ireo ivelan'ny vàla.

Ny zoro maha-mpiady amin'ny heloka bevava an'ireo milisy ( aza sainina velively hoe tsy misy fotony ) dia tena ahindrahindran'ireo sary tahàka ity eto ambany ity, ahitàna ireo tovolahy roa mpitifitra natao tamin'ny photoshop ho ao anatinà saribe iray an'ilay sarimihetsika “Boondock Saints.”

Anonymous image with the heads of the metro shooters pasted onto the Boondock Saints movie poster. Caption on bottom reads "Whacha looking at?"

Sary tsy misy anaran'ny tompony ahitàna ny lohan'ireo mpitifitra tao amin'ny ‘metro’ napetaka eo ambonin'ilay sariben'ny sarimihetsika Boondock Saints. Ny soratra eto ambony dia mivaky hoe “Inona no jerijeren'ialahy?

 

Fomba fijery iray tahaka izay koa ny fanomezana endrika an'ireo mpitifitra ho toy ny “cool” ao anaty sary iray hafa fanalàna azy — ity iray ity izay nametrahana ny lohan'ireo mpisehatra ao anatin'ny sarimihetsika malazan'i Quentin Tarantino, Pulp Fiction, dikasary avy amin'ny lahatsarin'ny CCTV nampiasàna photoshop:

Pulp Fiction's Vincent and Jules on the Moscow metro. Anonymous image distributed online.

Fa dikasary iray hafa avy amin'io lahatsary io ihany no toa ampy hilàza ny tsy filàna mikirakira photoshop — navadika ho amin'ny endrika “stencils” sy taokanto kihetihety ilay izy (jereo ery amin'ny lohan'ny lahatsoratra):

Stencil of the two shooters. The man on the left is particularly photogenic. The text reads "It's time to be harsh." Anonymous image distributed online.

Stencill ahitàna ireo roalahy mpitifitra. Tsara bika kosa ilay iray eo ankavia an. Mivaky toy izao ny soratra : “Fotoana izao hahasiahana.” Sary tsy misy anaran'ny tompony naely ao anaty aterineto.

Olona iray hafa aza moa nanao ny sarin'ny iray tamin'ireo mpitifitra ho toy ny olo-masina Ortodoksa, nasiany avana milokom-bolamena, angamba kilalao ampitoviany azy amin'ireo olo-masin'i Boondock:

One of the shooters given a religious treatment in a painting by an unknown author.

Iray tamin'ireo mpitifitra nomena fikarakarana ho toy ny olo-masina tao anaty sary hosodoko nataonà mpanoratra iray tsy fantatra anarana

Nahatonga ny bilaogera iray ao amin'ny VKontakte haneho hevitra [ru] toy izao ilay sary :

Такой воодушевленной “народной канонизации” не было уже очень давно… да чего там давно — вообще ничего подобного на своем веку не припомню, если честно.

Tsy mbola nisy mihitsy “fanamasinana nataon'ny vahoaka” nentin'ny aingam-panahy tahaka izao tao anatin'ny fotoana ela…na efa ela be tany aza — tsy mbola nahita zavatra toy izao aho teo amin'ny androm-piainako

Na toy inona na toy inona tranga mety hisy, mampiseho tsara ny fihenjanana tsy mitsaha-mitombo misy eo amin'ny samy foko ao Rosia ny kisarisary fanalàna azy tahaka itony

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.