Fihetsiketsehana 10 Tao Bangkok Saika Nahahongana Ny Governemanta

Nampisento kely ny fihenjanana politika misy ao amin'ny firenena ny fampitsaharan'ady vetivety nisy teo amin'ny mpanaofihetsiketsehana manohitra ny governemanta sy ny hery mitam-piadian'ny governemanta ao Thailand.

Mihoatra ny 100.000 ny mpanao fihetsiketsehana no nirotsaka teny an-dalamben'i Bangkok tao anatin'izay roa herinandro izay mitaky ny fialan'ny Praiminisitra Yingluck Shinawatra izay ampangain'izy ireo ho saribakolin'ny zokiny lahy, ny praiminisitra teo aloha Thaksin Shinawatra fotsiny. Nihongana tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 2006 i Thaksin saingy mbola nandresy tamin'ny alalan'ny fifidianana ihany ny antokony. Sesintany moa izy rehefa nomelohin'ny fitsarana tao an-toerana ho nanodikodina volam-panjakana.

Saingy mbola lavitry ny hifarana ny krizy politika satria noho ny fanoavana ny Mpanjaka Bhumibol Adulyadej izay mankalaza ny tsingerin-taona nahaterahany tamin'ny 5 desambra ihany no nisian'izay fitsaharana vetivety izay. Ny Mpanjaka no olona fanta-daza hajaina indrindra any Thailand.

Lalana iray hamahana olana ny krizy misy ankehitriny ny fomba fihetsiky ny hery politika isan-karazany taloha rehefa manozongozona ny firenena ny fihetsiketsehana nisy tahaka izao. Ny fihetsiketsehana tamin'ny 2008 sy 2010 indrindra no mety hanazava ny antony mahatonga ny antoko politika lehibe ao Thailand tsy mety mahavaha olana amin'ny fomba milamina ny tsy fitovia-keviny.

Tsy antony mivantana nahatonga ny fanesorana ny governemanta voafidy ireny fihetsiketsehana ireny saingy nanana anjara lehibe tamin'ny fanimbana ny maha-ara-drariny ny fitondrana misy ao an-toerana.

1. Aogositra 2008. Nibodo ny Lapan'ny Governemanta ny Mavo Akanjo. Tamin'ny 2008 ny People's Alliance for Democracy (PAD=Firaisan-kinan'ny Vahoaka ho amin'ny Demokrasia) na ny Mavo Akanjo no nahasahy nidina an-dalambe nandritra ny volana maro hanerena ny fialan'ny Praiminisitra Samak Sundaravej izay ampangain'izy ireo ho akaiky an'i Thaksin. Noraisin'ny PAD ny loko mavo ho lokon'ny hetsi-panoheran'izy ireo ho fanajana ny Mpanjaka.

Nahavita nibodo ny Lapan'ny Governemanta ny PAD tamin'ny Aogositra. Nitohy hatramin'ny Septambra ny fihetsiketseha-panoherana raha nahavita nanelingelina ny fifamoivoizan'ny fiaran-dalamby sy ny seranam-piaramanidin'i Phuket ny vondrona.

Yellow Shirts occupying the Government House. Photo by Craig Martell, Copyright @Demotix (8/30/2008)

Nibodo ny Lapan'ny Governemanta Ny Mavo Akanjo. Saripikan'i Craig Martell, Copyright @Demotix (30/8/2008)

2. 24 Novambra 2008. Nohodidinin'ny Mavo Akanjo ny Lapan'ny Parlemanta. Lasa lavitra kokoa ny PAD tamin'ny Novambra rehefa nohodidininy ny Lapan'ny Parlemanta.

3. 25 Novambra 2008. Nobodoin'ny Mavo Akanjo ny Seranam-piaramanidin'i Bangkok roa lehibe. Nataon'ny PAD tsy nihetsika ny zotram-pifamoivoizana ao amin'ny firenena tamin'ny fibodoana ny seranam-piaramanidina roa lehibe tao Bangkok. Niala tao amin'ny seranam-piaramanidina ny PAD rehefa afaka havaloana rehefa nandidy ny hanafoanana ny antoko politika mitondra ny fitsarana tampony, ka izany no nanery ny praiminisitra hametra-pialana. Taty aoriandriana, nahintsan'ny fitsarana tsy hitondra ny raharaham-panjakana indray ny mpiara-dia amin'i Thaksin. Ny lahatsary eto ambany no mampiseho ny mpanao fihetsiketsehana nibodony seranam-piaramanidina Iraisampirenena Suvarnabuhmi ao Bangkok:

4. Desambra 2008. Fitsanganan'ny Mena Akanjo. Ny fandresen'ny PAD no nitarika ny fijoroan'ny Mena Akanjo izay naka ny loko mena hiavahany fotsiny amin'ireo Mavo Akanjo. Sady tsy elatra havia ara-politika ry zareo no tsy manohitra ny fitondram-panjaka fa mpanohana an'i Thaksin ny maro amin'izy ireo. Nanohitra tamin'ny heriny manontolo ny governemantan'ny Praiminisitra Abhisit Vejjajiva izay ampangain'izy ireo ho tsy ara-dalàna ry zareo.

5. Avrily 2009 Songkran Mainty. Songkran, ny Taombaovao Thai no lasa ‘Songkran Mainty’ ho fanondroana ny fifandonana mahery vaika nisy teo amin'ny miaramila sy ny mpanohitra manao fihetsiketsehana. Nampiasa ny paikadin'ny Mavo Akanjo ihany koa ny Mena Akanjo ho fanelingelenana ny fitondram-panjakana. Nidina matetika teny an-dalambe ry zareo tamin'ny 2009 hisian'ny fifidianana vaovao. Ny lahatsary eto ambany ity mampiseho ny Mena Akanjo naka fifehezana ny fiara mifono vy izay anvoaka rehefa nambaran'ny governemanta ny Firenena latsaka an-katerena:

6. Marsa 2010 Fihetsiketsehana Nisian-drà mandriaka. Nahetsiketsika olona mihoatra ny 100.000 teny an-dalambe ny Mena Akanjo. Ary ‘nandriaka ny rà’ tamin'ny fihetsikesehana rehefa nandraraka ra tamin'ny tranobem-panjakana ny mpanao fihetsiketsehana. Ny sombin-dahatsary eto ambany mampiseho ny fivoriana lehibe nataon'ny Mena Akanjo:

7. Avrily 2010 Famoretana ny Sakana Najoro ho fanoherana. Nahavita nibodo ny faritra maro tao Bangkok ny Mena Akanjo. Nanangana lasim-pihetsiketsehana tao an-tanàna ry zareo ho fanerena ny fialan'i Abhisit. Roa volana taorian'ny fihetsiketsehana an-dalambe, noterena hiparitaka ry zareo rehefa nandrava ny barazim-pihetsiketsehana ny miaramila. Nandrakitra an-tahirin-kevitra ny fifandonana mahery vaika teo amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny miaramila teo amin'ny tetezan'i Phan Fa i Tony Joh.

8. Mey 2010 Fanafihana Farany nataon'ny miaramila tamin'ny lasim-panoherana. Niaka-danja ny herisetra tamin'ny 19 Mey nandritra ny bemidina fanafihana farany nataon'ny miaramila izay nampitombo ny gidragidra an-dalambe, rotaka sy fandrobana. Nodoran'ny mpanao fihetsiketsehana voatery niala ihany koa ny fanorenana maro tao an-tanàna. Maro no maty ary mihoatra ny 400 no naratra nandritra ny fifandonana. Voampanga ho nanao heloka bevava namono olona i Abhisit sy ny manampahefana ambony sasantsasany tao amin'ny tafika noho ny baiko fandravana ny fihetsiketsehana.

Red Shirt protest barricade. Photo from @potapotypoter

Barazaim-pihetsiketsehan'ny Mena Akanjo. Saripika avy amin'i @potapotypoter

9. Novambra 2013 Fihetsiketseham-Panoherna ny Tolo-Dalànan'ny Amnistia. Resy nandritra ny fifidianana parlemantera tamin'ny 2011 ny antokon'i Abhisit ka i Yingluck Shinawatra no nisolo toerana azy. Vao haingana ramatoa no nanohana Tolo-dalànan'ny Amnistia izay lazain'ny mpitsikera ho ‘manadio’ ny heloky ny anadahiny. Notsipahin'ny Antenimieran-doholona ny fepetra saingy tsy nanakana ny herim-panoherana hanao fihetsiketsehana lehibe tao an-drenivohitra izany tamin'ny volana lasa teo.

Fitantarana mivantana….avy any Siam. Feno vondron'olona eny rehetra eny. Torohevitra ny hidify ireny toerana ireny.

10. Desambra 2013 Hetsi-panoherana an'i Thaksin. tranom-panjakana maro no nobodoin'ny mpanao fihetsiketsehana izay nanameloka ny fitohizam-pahefan'i Thaksin ao amin'ny fitondram-panjakan'i Yingluck. Tian-dry zareo ny hialan'i Yingluck sy ny hananganana ny Filakevi-Bahoaka. Ity lahatsary eto ambany ity no mampiseho ny haben'ny fihetsiketsehana tao Bangkok tamin'ny 24 novambra, fihetseiketseha-panoherana lehibe indrindra hatramin'izay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.