Tarana-Boanjo, Foto-Boanemba… Voasambotra Ny Zanakalahin'ny Mpitarika Ny Fanoherana Kyrgyz

Diso fantatra loatra amin'ireo kabary nasionalista radikaly fandreseny lahatra i Kamchybek Tashiev mpikambana fahiny tao amin'ny parlemanta Kyrgyz. Inoany fa tokony ho “Kyrgyh madio rà” no mpitarika an'i  Kyrgyzstan ary laviny [ru] ny hanao tafatafa amin'ny Rosiana. Tamin'ny taona lasa, saiky niafara tany am-ponja ilay mpanao politika taorian'ny fiezahany “hamonjy ny toeram-piasàny” (ny parlemanta) tamin'ny fianihana ny fefin'ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity niaraka taminà andian-jatovo dimampolo eo ho eo, tranga iray izay nanosika ny mpitsara iray tao an-toerana hitsara izany ho fikasàna hanongam-panjakana (na dia nandresy lahatra azy ny mifanohitra amin'izay aza ireo mpanohana ny toraka kiraro nataon'i Tashiev). Topi-maso indray mandeha monja tao anatin'izay voalazan'ny lalàna dia voaroaka tao amin'ny parlemanta i Tashiev taorian'ilay zava-niseho

Taorian'ny namoizany ny sezany tao amin'ny parlemanta dia tena tsy nisy mpiresaka intsony ilay politisiana nasionalista. Ny 2 Desambra anefa, niverina ho teo anivon'ny resaky ny olona i Tashiev taorian'ny nisamboran'ny [ru] polisy ny zanany lahy voalaza ho nangalatra kodiaranà fiara:

Kamchybek Tashiev nitazona zaza iray. Sary fampahafantarana azy ao amin'ny kaonty Twitter-n'i Tashiev.

 

в Бишкеке 1 декабря во время рейда “Автовор” в 5-м микрорайоне были задержаны 4 студента столичных вузов. Как сообщается, они пытались снять колеса с автомашины “Хонда-Аккорд”.

В момент задержания молодые люди находились в автомашине “Мерседес-Бенц”, которой управлял сын экс-депутата Тимур.

Ny 1 Desambra, mpianatra efatra avy ao amin'ny anjerimanontolo [Bishkek] no voatàna nandritra ny bemidina nataon'ny polisy tao  mikrorayon fahadimy [distrikan'ny tanàna], Toa hoe niezaka [nangalatra] kodiarana Honda Accord iray ireto tanora ireto

Voasambotra tao anaty Mercedes Benz iray nentin'ny zanakalahin'i Timur [Tashiev], ilay  [parlemantera] lefitra fahiny, ireto tanora ireto

Tanaty hetsika iray izay toy ny tetikady politikan'ireo mpanohana an'i Tashiev rainy, niezaka ny namoaka azy ireo naman'i Timur taorian'ilay fisamborana. Ireo “mpiray kilasy” sy “naman'ilay” tovolahy dia nàka ny media sosialy sy ireo vohikalam-baovao, nilazàna fa hoe niharan'ny hadisoana teo amin'ny resaka olona nosamborina i Timur, satria tany Rosia izy tamin'ny vanim-potoana nitrangan'ny tantara, sy hoe “zazalahy hendry” lery, ary hoe  manan-karena ny fianakaviana Tashiev ka tsy hanao heloka kely tsy misy dikany tahaka izany

Kanefa, tsy ela dia navoakan'ny polisy ny rakitsary iray [ru] ahitàna ny fakàna am-bavany an'i Timur tao am-pihazonana azy, tao anatin'izany dia niaiky ny helony ho nikasa hàka ireo kodiarana ilay tovolahy, sady nanazava fa noho izy mila vola no nanaovany izany

Timur Tashiev in police custody. Screen capture from YouTube video uploaded by Kiyalbek Toichiev on December 2, 2013.

Timur Tashiev tany amin'ny efitrano fihazonan'ny polisy. Dikasary tamin'ny lahatsary Youtube nakarin'i  Kiyalbek Toichiev tamin'ny 2 Desambra 2013

 

Nipatrapatraka ireo fanehoankevitra tety anaty aterineto momba ilay vaovaon'ny nisamborana an'i Timur Tashiev. “Tarana-Boanjo, Foto-Boanemba” no lohahevitra tena nalaza tany amin'ny ankamaroan'ireo fanehoankevitry ny mpisera anaty aterineto

Teo ambany tati-baovao iray mikasika ilay tranga, nanambàra [ru] i Eles hoe :

это наследственное

tarazo izy ity

Mpamaky iray hafa nanoratra [ru] tamin'ny fanondroana mibaribary ny lazan'i Tashievs amin'ny fanaovana kolikoly :

бедняжки..уже нечего воровать что ли??

zava-tsisy fotony… tsy mahita zavatra hafa hangalarina intsony ve ry zareo e, sa ahoana?

“Pravda” nanontany hoe [ru]:

и вот такие дети и их отцы хотят управлять страной?!!!теперь вы видите очевидность дебилизма???что они сделают со страной и с нами??!!разграбят…

Dia ireny ankizy ireny sy ny rain'izy ireo ve no maniry hitantana ny firenena?!!! hitanareo amin'izay ve ankehitriny ny aretin'ny hadalàna??? inona no mety hataon'izy ireo amin'ny firenena sy amintsika??!! [mety] handroba [ry zareo]

Burul nanampy hoe [ru]:

яблоко от яблони, как говорится

[tsy latsaka lavitry] ny hazo ny paoma, araka ny filazan-dry zareo azy

Nanampy trotraka [ru] i Bermet :

куда отец туда и сын…

Dian-tongotry ny rainy no narahan-janany e!

Nisy ihany koa feo vitsivitsy misalasala ny amin'ny fanambaràna ofisialin'ilay fisamborana an'i Timur Tashiev ka mihevitra fa mety ho “zavatra namboamboarina” fotsiny ilay tranga mba hanaovana tsindry amin-drainy. Ho hita eo na hiafara any am-ponja na tsia ny zanakalahin'ilay mpanao politika mahabe resaka. Satria tokoa, navela nivoaka ny rainy na dia henjana be aza ny vesatra mianjady aminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.