Tsy misy Fahamarinana mikasika ilay Mpanao Gazety Rosiana Voadaroka

Horonantsarin'ny CCTV mampiseho ny fanafihana an'i Oleg Kashin [TANDREMO, MAMOAFADY]

Telo taona lasa izay, ny 6 Novambra 2010, voadaroka tamin'ny fomba feno habibiana tamin'ny baravy, nataon'olon-tsy fantatra roa, teo anoloan'ny trano fonenany tany Mosko ilay mpanao gazety Rosiana Oleg Kashin [tatitry ny Global Voices]. Nentina maika teny amin'ny toeram-pitsaboana izy, taolana maro no tapaka ary voa ihany koa ny lohany. Tsy nahatsiaro tena nandritra ny herinandro mahery i Kashin, nandalo fandidiana maro izy ary nalàna ny ampahany tamin'ny ratsan-tanany iray. Niteraka fahatezerana teo amin'ireo mpanao gazety sy ireo mahery fo ity tranga ity, izay nijoro nilanja sora-baventy nanoloana ny foiben'ny mpitandro ny filaminana tao Mosko nandritra ny andro maro ary nandefa taratasy misokatra ho an'ny filoha tamin'izany fotoana, Dmitri Medvedev. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ireo tompon'andraikitra mikasika ny asa ratsy, teo ambany fiadidiana manokan'ny Lehiben'ny Mpitsaran'ny Rosia. Telo taona taty aoriana, tsy mbola nisy ny olona voarohirohy.

Mbola tsy fantatra mazava izay antony nidarohana an'i Kashin. Nahabe fahavalo azy ny tatitra nataony, anisan'izany ny pro-Kremlin ireo hetsiky ny tanora NASHI manohana ny Kremlin sy ireo Tanora Mpiambina Rosiana Mitambatra. Ireo Tanora Mpiambina ireo dia namoaka sarin’i Kashin iray misy soratra hoe “ho voasazy” tao amin'ny vohikalany talohan'ny fidarohana. Nalàna haingana hoatry ny tsy teo ilay sary taorian'izay. Miahiahy ireo naman'i Kashin [ru] sasany fa noho ny tatitra izay nataony mikasika ny fanamboarana tsy ara-dalàna ny arabe migodàna ao anaty ala voaaron'i Khimki, ivelan'i Mosko no mety ho antony. Kashin, araka ny voalazany, mino fa baiko avy amin'ny filohan'ny NASHI, Vasily Yakemenko, ilay fanafihana, ary notanterahin'ireo mpanao hetsika baolina kitra jiolahim-boto ao Mosko izay mifandray amin'ity fikambanana ity. 

Amin'izao fitsingerenan'ny faha-telo taonan'ny nidarohana azy izao, dia nanapa-kevitra ny handinika indray ny raharaha i Kashin. Tamina fanadihadiana iray [ru] niaraka tamin'i Vera Kichanova tao amin'ny vohikalam-baovao Slon, ary koa tamina lahatsoratra fohy iray tao amin'ny vohikala Colta, nanambara i Kashin fa manomboka migafy ankitsirano ny fanadihadiana ny Kaomity Mpanadihady sy ny FSB taorian'ny nahalany indray ny filoha Poutine: 

Открытым текстом они объяснили мне (хотя я и сам догадывался), что масштабное и качественное расследование моего дела было обусловлено прежде всего вмешательством президента Медведева […] И чекисты сказали мне, что после ухода Медведева никто мое дело расследовать не будет, потому что (и это тоже дословная цитата) «в деле замешаны влиятельные люди».

Nilaza tamiko mivantana izy ireo (na dia efa niahiahy aza aho), fa ny halalin'ny lalana sy ny maha-avo lenta ny fanadihadiana mikasika ny raharahako dia noho ny firotsahan'ny filoha Medvedev manokana [izay nanome toky manokana an'i Kashin fa hitady ireo olon-dratsy ireo] […] Nilaza tamiko ny “mpitandro ny filaminana miafina” fa rehefa lasa i Medvedev, tsy misy olona afaka manadihady ny mikasika ny raharahako intsony, satria (ary tanisaiko) fa “misy olona ambony tafiditra amin'izany”.

Masha Drokova, a journalist (and former Nashi member) takes part in a one person picket in support of Oleg Kashin.

Masha Drokova, mpanao gazety (mpikambana tao amin'ny Nashi taloha) mandray anjara amin'ny tsangan-tsoratra mangataka ny marina mikasika an'i Oleg Kashin. CC 3.0 Inmediahk

Maro ireo mpampiasa Twitter, anisan'izany Yashin mahery fo mpanohitra (ary ny naman'i Kashin tamin'ity indray mitoraka ity), no nampiakatra bitsika iray navoakan'ny kaonty ofisialin'i Medvedev, navoaka taorian'ny voina nahazo an'i Kashin, izay nilazàn'ny Filoha fa hibaiko ny “biraon'ny Prokirora Jeneraly sy ny Minisitry ny Ati-tany izy mba handray an-tanana manokana ny raharaha mikasika ny fidarohana ny mpanao gazety Kashin. Tsy maintsy hita sy saziana ireo olon-dratsy”. Nampiseho sarin'izany bitsik'i Medvedev izany Yashin ary nanesoeso mikasika ny fihaonan‘i Medvedev sy Kashin:   

Прошло ровно три года после нападения на Олега Кашина. Три года как Медведев обещал “оторвать голову преступникам”. pic.twitter.com/BcDrBb5DUp

— Илья Яшин (@IlyaYashin) November 6, 2013

Efa telo taona izao no nanafihana an'i Oleg Kashin. Telo taona izay nampanantenain'i Medvedev fa “hanolanana ny tendan'ireo olon-dratsy”.

Nilaza momba ny tweet-n'i Medevedev koa i Alexey Navalny sady nampiasa ny tsy fisian'ny ezaka mikasika ny raharaha Kashin, mba entina hilazana fa tsy mahomby sy misafotofoto be loatra ny fitaovana momba ny fiarovana ao Rosia. Nitatitra sary iray an'ny Bloomberg izy, izay mampiseho fa mananampitandro ny filaminana maro isaky ny mponina i Rosia raha miohatra amin'ny firenena eran'izao tontolo izao, no sady nanoratra esoeso [ru] hoe:

Никто не найден и не наказал. Сурков и Якеменко со своими бандитами, которых и искать-то не надо, до сих пор даже не допрошены. Зато “правоохранители” съедают немыслимо огромную часть нашего бюджета, а по их количеству на душу населения Россию не обгонит никто

Tsy nisy olona hita na voasazy. Ry Surkov, Yakemenko sy ny tariny, izay tsy mila tadiavina akory, dia tsy mbola noahiahiana mihitsy. Mandritra izany “ireo mpitandro filaminana” mitroka ampahany goavana tsy azo vinaniana amin'ireo volantsika sady efa mitombo isa be loatra izy ireo raha miohatra ny any an-kafa maneran-tany.

Mbola mampihetsi-po ny raharaha Kashin hatreto. Ny mpanao gazety Stanislav Kupriyanov ohatra, naneho ny alahelony tao amin'ny facebook [ru] noho ny tsy mba nandraisany anjara tamin'ny hetsika ho an'i Kashin taorian'ny herisetra: 

Скажу вот как: я никогда не испытывал каких-либо сожалений по поводу своего отсутствия на Болотной (и проч. соответствующих митингах), но мне до сих пор стыдно, что я не участвовал в одиночных пикетах у здания ГУВД в знак поддержки Oleg Kashin.

Manambara aminareo aho fa: tsy nanana alahelo mihintsy aho mikasika ny fanatrehana ireo hetsika momba ny raharaha Bolotnaya (na ireo famoriam-bahoaka sahala amin'izany), saingy menatra kosa aho tamin'io andro io fa tsy mba nandray anjara tamin'ny fijoroan'olon-tokana nilanja sora-baventy teo ivelan'ny ministeran'ny Ati-Tany, ho mariky ny fanohanana an'i Oleg Kashin.

Any Soisa i Oleg Kashin no tena monina ankehitrio, saingy miverina matetika any Mosko izy no sady manohy ny asa amin'ny maha-mpanao gazety sy mpanadihady ara-politika azy any Rosia. Tsy mitsahatra ny misedra fandrahonana isan-karazany avy kosa ireo mpanao gazety – na dia efa manomboka azo antoka kokoa aza ny firenena nandritra ny folo taona izay (raha tsy hilaza ny Caucase du Nord). Indrisy anefa fa tsy dia hampitony loatra an'i Kashin izany antontan'isa izany raha mbola mirijarija malalaka ireo nanao herisetra taminy. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.