Nitrangàna Herisetra Ny Lalao Fifaninanana Baolina Kitra Tao Orogoay

Foto publicada por Jimmy Baikovicius en Flickr, bajo licencia Creative Commons (CC BY-SA 2.0)

Sary navoakan'i Jimmy Baikovicius tao amin'ny Flickr,  Creative Commons license (CC BY-SA 2.0)

 

Tompon'andraikitra tamin'ny loza mahatsiravina teo amin'ny toera-mpijerena Amsterdam ao amin'ny Kianjabe Centenario ireo mpanohana ny Peñarol nandritra ny fifanandrinana klasika (efa naharitra taona maro) nifanaovana tamin'ny Nacional tamin'ny fanokafana ny taom-pilalaovana, ka polisy manampahefana sivy no naratra ary maro ireo voasambotra tamin'izany. Voatery naato ny lalao noho ny gidragidra nandritra ny fizaram-potoana faharoa.

Ny antony nahatonga ny gidragidra, araka ny fanambaran'ireo mpanohana ny Peñarol, dia noho ny fangalarana saina manome voninahitra an'i Rodrigo Aguirre, mpanohana ny Peñarol izay maty novonoin'ireo mpanohana ny Nacional tamin'ny taona 2011 [es], mitsangana mampiseho izany saina izany tao amin'ny toeram-pijerena Olaimpika nandritra ny minitra maromaro ireo mpanohana ny Nacional araka ny asehon'ny sary nivoaka tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny El Observador izay mitondra ny lohateny hoe “Ny Saina nahatonga gidragidra“. [es]

Ny toeram-pijerena Amsterdam taorian'ny ny lalao klasika (@ObservadorUY) sy ny sainan'i Rodrigo teo amin'ny « ticolor barra ‘ [ telo soratra, toerana nipetrahan'ireo mpanohana ny Nacional ], tranga izay tsy tokony ho voaràra. 

Nanamafy ny filazàn'ireo mpanohana mikasika ny zava-nitranga tao amin'ny Radio Universal ny filoha-lefitry ny Peñarol, Edgard Welker, araka ny lahatsoratra efa voalaza tao amin'ny El Observador, izay nilaza ihany koa fa nanohitra ny fangalarana tamin'ny fampiasan-kery sy fihetsika hafa tafahoatra ireo mpomba ny Peñarol.

Niala teo niaraka tamin'ny ratra samihafa, fahatapahana teo amin'ny ratsam-batany ambony sy ambany, vaky nify, araka ny filazan'ny Sampan'ny Seraseran'ny Minisiteran'ny Atitany tamin'ny gazety El País [es] ireo polisy teo. Nametraka fitarainana tao amin'ny Boriborintany fahasivy ihany koa ireo polisy ireo.

Efa tamin'ny fotoana nananganana ireo ekipa roa ireo no nanomboka ny fifandrafiana teo amin'ny Nacional sy Peñarol, izay malaza sy lehibe indrindra ao Orogoay, izay niady ihany koa ny amin'ny hoe iza no ekipa taloha indrindra ao amin'ny firenena. Faharoa manaraka ny fifanandrinan'i Manchester United sy Liverpool ao Angletera eto ambonin'ny tany ny fifanandrinan'ireo ekipa Orogoaiana ireto, ary mitady hisarika ny sain'ireo mpanohana marobe hatrany ny manatrika ireo  lalao ireo.

Tao anatin'ny folo minitra niatòan'ny lalao, mpanohana ny Peñarol 200 teo ho eo no nanimba ireo sakana sy fitaovana tao amin'ny toera-mpijeren'i Amsterdam, ka niezaka hahatratra ny eny amin'ny toeram-pijerena Olaimpika izay nisy ireo mpanohana ny Nacional. Nirotsaka an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana niezaka nandamina ny gidragidra, ary nifampitàna tamin'ny valim-bontan'ny Peñarol avy eo ka marobe ireo polisy naratra tamin'izany.

Mpanao gazety Sergio Gorzi (@camaraceleste) naneho ny tsy fifaliany tao amin'ny Twitter manoloana ny fihetsiky ny polisy.

Fahadisoana teo aloha foana no miverina! Raha tokony hijanona ao anatiny, tany ivelany ireo polisy nandray daroka. Mahatampim-bava ny zavatra atao miaraka amin'ny mpanohana.

Etsy andaniny, ny filohan'ny mpitsara, Juan Fernández Lecchini Carols, izay misahana ny loza manodidina ny Boriborintany fahasivy, nilaza tao amin'ny Ovación Digital [es] fa: “Navotsotra ireo olona efatra nosamborina, tsy ampy 20 ny isan'ny voasambotra taorian'ny lalao klasika”.

Araka ny filazana an-gazety avy amin'ny minisiteran'ny Atitany, nasongadin'ny lahatsoratra tao amin'ny Ovación Digital efa voalaza, dia milaza fa roapolo ireo voasambotra, “15 noho ny fitarihana korontana, 2 noho ny fihantsiana ireo polisy ary telo noho ny halatra”.

Fanampin'izany, araka ny voalazan'ny Ovación Digital, mety tsy ho vita alohan'ny daty hanaovana ny lalao manaraka amin'ny 30 Novambra ny fanamboarana ireo fahasimbana niseho teo amin'ny toeram-pijerena Amsterdam sy Colombes.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.