Tsy Tian'i Afrika Atsimo ho Hitanao ny Tranoben'ny Filoha

Naneho hatezerana sy hatairana ireo mpampiasa aterineto ao Afrika Atsimo taorian'ireo fanambarana milaza fa nampiasaina mba hanatsarana ny tranon'ny filoha Jacob Zuma any Nkandla, tanàna iray ao KwaZulu Natal ireo vola 20 tapitrisa dolaran'ireo mpandoa hetra. Ahitana lozoka iray, dobo filomanosana iray, seranana fiantsonan'ny angidimby iray, efitrano fanaovam-pety iray, trano iray fivarotana vatomamy [mpaninjara kely iray mpivarotra sakafo antsinjarany], kianja filalaovana tenisy sy baolina kitra ilay trano, ankoatra ireo fampitaovana hafa.

Ny 21 Novambra 2013, nanambara ny Kabinetran'ny minisitra fa na iza na iza namoaka sary na ampahan-dahatsary dia hosamborina satria tsy manaja ny lalàna mifehy ireo Ain-dehibem-pirenena. Na eo aza izany, nanohitra io fandraràna io ny media ao Afrika Atsimo, tamin'ny famoahan'ny gazety Times ireo saripika miaraka amin'ny lohateny lehibe hoe “Noho izany, sambory izahay.”   

Ankoatra ireo trano fampahalalam-baovao mamoaka ireo saripika sy ireo mpampiasa Twitter mizara izany eny rehetra eny, dia misy ireo mpampiasa Facebook vitsivitsy toa an-dry Jocelyn Newmarch izay mampiasa azy ireo ho toy ny sary fandrakofana ao amin'ny Facebook.

Zuma's house displayed as a cover photo on ...Facebook page.

Ny tranon'i Zuma naseho ho sary fandrakofana eo amin'ny pejin'ny Facebook-n'i Jocelyn Newmarch

Nanipika ny mpahay lalàm-panorenana sady mpitoraka bilaogy Pierre de Vos tao anatin'ny bilaogy Araka ny Lalàm-panorenana fa tsy misy lalàna mandràra ny famoahana ireo sarin'ny fonenan'i Zuma:

Nampitandrina ny Minisitry ny Fiarovam-panjakana Siyabonga Cwele androany fa tsy ara-dalàna ny famoahana ireo sarin'ny Nkandla. Diso izany. Tsy misy mihintsy (tsy araka ny lalàm-panorenana) ao anatin'ny Lalàna mifehy ny Ain-dehibem-pirenena fandraràna ny famoahana ireo sarin'ny tanàna izay voalaza fa Ain-dehibe irain'ny firenena. Raha tsy izany, tsy ho ara-dalàna ihany koa ny famoahana ireo sary rehetra mikasika ny tranobe SABC.

Nanoratra i Jablet, mpamaky iray raha nitsikera ny lahatsoratr'i Pierre:

Sary fandrakofana ny FB-ko io [sary io] amin'izao. […] Raha avoakan'ny sary an'habakabaka ireo fepetra fiarovana matanjak'i Cwele [Siyabonga Cwele no Minisitry ny Fiarovam-Panjakana], mety mbola hisy olana goavana tokony mampanahy azy.  

I Bikoko, mpamaky iray hafa, dia naneho ny “fahadisoam-panantenany” sady nandrisika ireo mpampiasa Facebook hampiasa ny sary midadasik'ilay trano ho sary lafika ao amin'ny Facebook:

Diso fanantenana aho fa tsy mampiseho ireto zavatra manaraka ireto io sary etsy ambony io:

- Ny tetezana kely fiampitan'ny biby fiompy;

- Ny trano fanamboarana vatomamy [mitàna tranom-barotra fivarotana vatomamy ao amin'ny tranon'ny filoha ny vadiben'i Zuma];

- Ary (namela ny tsara indrindra ho amin'ny farany) ny Toerana Fanatonoana Akoho. Araka ny hita, tahaka ny trano malalaka be fanaovam-pety izany, ary mihevitra aho fa hitombo roa avo heny ny halehibeny rehefa misy Hetsika Fanatonoana Akoho – mety ho avy tsy ho ela izany, satria ho avy ireo fifidianana ary tsy maintsy hanaovana tsolotra ireo mponina mba hifidy ny Mpanjaka avo indrindrany (naheno aho fa tsy dia mankasitraka azy avokoa izy ireo) …

Tahaka an'i Janet, ndeha hampiasa ny sary midadasiky ny Skandla ho sary fandrakofako ny Facebook aho.Mamporisika ireo mpampiasa Facebook rehetra ao Afrika Atsimo aho mba hanao toy izany – asehoy an'i Zuma fa hanaovantsika maloto ny tsiambaratelony sy “ny Hidim-baravarany”! Tsy mandaitra kokoa noho ny fandàvana tsy handoa hetra izany, saingy fanombohana io.

Namaly ireo ahiahian'i Bikoko i Johan Kruger:

Tsy azo aseho ireo! Manana ombivavy mpiaro sy akoho tsara ofana avo lenta toy ny ninja ry zareo. Ny « trano fanamboarana vatomamy» kay tranokely fiantsoana izay hizaràna ireo ody fiarovana.

Namoaka ity sary eto ambany ity izay maneho ireo mahantra mpiara-monina amin'i Zuma ao amin'ny pejy Facebook-ny i Bomi Shinga, miaraka amin'izao hafatra manaraka izao: 

Fianakaviana kely iray sambatra miaina ao #Nkandla. Miangavy anao hitadidy fa tsy sarin'ny tranon'i # Zuma akory io. Atao akory raha toa ka tafiditra ao ambadika izany.

Nkandla neighbors

Ao amin'ny Twitter, nanoratra i Sifiso Skenjana (@KenjieBoi007), mpiasa matianina amin'ny famatsiam-bola hoe:

Tsy vitako ny tsy hahatsikaritra fa tsy misy dobo filomanosana ao amin'ny lapan'ny Nkandla.

— Sifiso Skenjana (@KenjieBoi007) 25 Novambra 2013

Nananihany ny mpandraharaha iray ao Afrika-Atsimo, i OBED MTOMBENI (@MTOMBENIOBED):

Fantatro fa misy olona ao kzn [ KwaZulu Natal ] efa nanome anarana ny zanany lahy / ny zanany vavy hoe ” Nkandla “

— OBED MTOMBENI (@MTOMBENIOBED) 25 Novambra 2013

Nahamarika i Sipho Mthiya (@S1pho) fa:

Azoko antsaina fa ohatra iray mibaribary ny filohantsika mikasika ny dikan'ny hoe “miantomboka ao an-trano ny fiantrana”. Hitanareo ve io toerana io? #Nkandla

— Sipho Mthiya (@S1pho) 25 Novambra 2013

Nanandrana nampiaraka amin'ny alalan'ny hatsikana ny adihevitra mikasika ny tranon'i Jacob Zuma sy ny rafitra fandoavam-bola elektronika miteraka adihevitra ny sary eo ambany nataon'ny Dr Jack & Curtis:

A cartoon shared on Africartoons Facebook page.

sariitatra iray nataon'ny Dr Jack & Curtis nozaraina teo amin'ny pejin'ny Africartoons ao amin'ny Facebook.

Mamboraka ny faniriany amin'ny Noely i Cindy V (@cindos)

Ny hany zavatra angatahako amin'ny Noely dia toerana hitsaharan'ny vatako izay torovana. Toerana tsotsotra toa ny Nkandla .

— Cindy V (@cindos) 25 Novambra 2013

Nilaza i Flying Dutchman ( @ rulanda76 ), milaza resaka momba ny filazan'ny governemanta fa ain-dehibem-pirenena ilay trano:

#Nkandla Nandray ny fiarako ho ain-dehibem-pirenena aho. Tsy misy fanenana hafainganana manomboka anio mahazo alalàna haka sary!

— Flying Dutchman (@rulanda76) November 25, 2013

Nizara sary iray mikasika ny “fitaovam-piarovana” anatin'ilay trano ny Crime Watch KZN ( @ CrimeWatchKZN ), miaraka aminà fampitandremana:

Sary nohalehibeazina maneho fitaovam-piarovana ao Nkandla. Tandremo! Zarao ary zakao ny vokany! pic.twitter.com/0EFf5ItgqG

— Crime Watch KZN (@CrimeWatchKZN) 25 Novambra 2013

A photo of "security feature" posted by @CrimeWatchKZN.

Sarina ” ” fitaovam-piarovana ” iray nalefan'ny @ CrimeWatchKZN

Manontany tena i Sentletse (@Sentletse) hoe iza no hividy vatomamy ao amin'ny vadin'i Zuma satria tsy mampiseho mpiara-monina mivantana ireo sary ireo:

Avy amin'io sary nalaina tamin'ny zana-bolana io, tsy misy mpifanolo-bodirindrina mivantana amin'i Jacob any Nkandla. Iza no mividy ao amin'ilay fivarotana vatomamy? pic.twitter.com/RyjTG3MJK9

— Sentletse (@Sentletse) 25 Novambra 2013

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.