Espaina : Tsy Hita Izay Meloka Tamin'ny Faharendrehan'i ‘Prestige’

Marea negra en una playa gallega. Foto de Wikimedia Commons con licencia CC by SA 3.0

Solika mainty mitopa eo amin'ny moron-dranomasin'i Galice. Sary avy amin'ny Wikimedia Commons ary lisansa  CC by SA 3.0

Rendrika tany amin'ny sisin-dranomasin'i Galice any avaratr'i Espaina tamin'ny 13 Novambra 2002 ilay sambo Prestige mpitondra solika ary nanary solika misy poizina mahery vaika izay nandoto ny ranomasina Atlantika any amin'ny faritr'i Espaina sy Frantsa ary voasokajy ho iray amin'ny loza ratsy indrindra nanjo ny tontolo iainana teo amin'ny tantara.

Iraika ambin'ny folo taona taty aoriana, izany hoe folo taona nanaovana fanadihadiana sy sivy volana nanaovana fitsaràna dia nafahan'ny Fitsarana Avon'i Galice madiodio tamin'ny heloka rehetra vitany amin'ny fanimbana ny tontolo iainana ny telo amin'ireo voampanga- ny kapitenin-tsambo, Apostolos Mangouras ; ny lehiben'ny injeniera, Nikolaos Argyropoulos ary ny lehiben'ny varotra an-dranomasina tao Espaina tamin'ny fotoan'andro, José Luis López Sors. Ny fahefatra, ny lefitry ny kaomandy kosa dia mbola notànana ihany. 

Niseho ilay loza, noho ny antony tsy fantatra, teo akaikin'ny “Côte de la Mort” na “Sisin-dranomasin'ny Fahafatesana” rehefa hita fa nisy lavaka ny iray tamin'ireo fitehirizan-tsolika. Nangataka tamin'ny manam-pahefana Espaniola ilay kapitenin-tsambo mba hanamorona ny sisintany  saingy nolavina ny fanatonan'ilay sambo mpitondra solika ny morona noho ny tahotra sao dia handoto ny seranan-tsambo ilay solika nitete. Mitovy amin'izay ihany koa ny valinteny azony avy amin'ny manam-pahefana Portioge sy Frantsay. Voatery niverina tany am-povoan-dranomasina niaraka tamin'ilay fahavakisana sy tanaty rivo-mahery ilay sambo izay niteraka ny faharendrehany sy ny fahaverezan'ny solika tao anatiny tato aoriana.

El petrolero Prestige a punto de hundirse tras partirse en dos. Foto del blog Ecología Verde con licencia CC by NC 3.0

Ilay sambo mpitondra solika eo am-paharendrehana rehefa nivaky roa. Sary nalaina avy amin'ny bilaogy  Ecología Verde ary nampiasàna lisansa CC by NC 3.0

Araka ny fahitàn'ny El ojo Sostenible bilaogy Espaniola ( Ny maso maharitra) azy dia : 

  • La catástrofe del Prestige fue la mayor catástrofe de este tipo ocurrida en Europa y la segunda del mundo después de Exxon Valdez en Alaska.
  • 2.000 km de costa se vieron afectadas y entre 250.000 y 300.000 aves murieron.
  • El coste supuso más de 10.000 millones de euros.
  • Zava-doza isan'ny lehibe indrindra amin'ity karazany ity tany Eoropa ary faharoa maneran-tany manaraka ny Exxon Valdez ilay tany Alaska ny faharendrehan'ny Prestige.  
  • 2.000 km no sisin-dranomasina tratrany ary eo ho eo amin'ny  250.000 ka hatramin'ny 300.000 ny voron-dranomasina maty
  • Mahatratra hatrany amin'ny folo lavitrisa euros ny tomban'ny fanadiovana.

Niely naneran-tany tamin'ny gazety toy ny Al Jazeera [en], The Telegraph [en], The Times [en], BBC [en], The New York Times [en], Le Monde [fr] ary Der Spiegel [de] ilay vaovao momba ilay fanafahana. Tany Espaina, nahatezitra ny vahoaka izay naneho izany tamin'ny tambajotra sosialy ilay didy navoakan'ny fitsaràna. Andro maromaro no nivoizana ny resaka “Prestige” tao amin'ny Twitter :

Ny raharaha “Prestige” : Avy amin'ny ” gadraina ny tsirairay”, mankany amin'ny “afahana ny rehetra ” Ho ela velona anie ny divay!

Namono tena ny Prestige. 

Nobitsihin'i Gonzalo Semprún ilay sariitatra ara-politika nataon'i Manel Fontdevila izay mampiseho ny fivoahan'ny mpitsara ny Fitsarana Avon'ny Galice. Mandritra izany fotoana izany dia misy voron-dranomasina maromaro rakotra solika mijery azy avy ery an-jorony ery. “Inona no lazainao amin'izany sarimihetsika izany?” hoy ny fanontaniany vorona iray amin'ny hafa. “Ny Vorona”, hoy ny navalin'ilay iray hafa :

Manel Fontdevila: Tsy misy meloka amin'ny raharaha Prestige.

Nampitaha sy nampifanohitra ny tsy fitoviana eo amin'ity raharaha ity sy ny raharaha hafa ireo bitsika sasany.  Tanisain'i Alba Martín Tutor ny tranga iray vao haingana izay nandoavan'i Sabadella, mpitaingina bisikileta, onitra 100 euros (eo amin'ny 134 dolara amerikana eo) noho ny nihinanany mofo teny am-pitaingenana ny bisikiletany : 

Isika no adala eto amin'ity firenena ity : 200 euros no onitra ho an'ny lehilahy mihinana mofo mandritra ny fitaingenany bisikileta, ary tsinontsinona kosa ny an'ny raharaha Prestige. 

Ampitahain'i Verónica, mpiserasera amin'ny Twitter, amin'ilay raharaha misy amin'izao fotoana izao any Girona izay nanenjehana ilay mpitendry piano matihanina noho ny fanabatabàna ny olona monina ao ambaniny, izay milaza fa ny fitendreny ny piano-ny no mampikorontana ny sainy. Tamin'ny voalohany dia nogadrain'ilay mpampanoa lalàna fito taona an-tranomaizina izy saingy nahena ho 20 volana izany tato aoriana : 

Fitendrena #piano: manabataba ary fito taona an-tranomaizina. Nanary solika 63.000 Taonina  ny #Prestige fa tsy heloka izany #verguenzadejusticia [fitsarana mahamenatra ]

Nampatsiahivin'i Pablo Correas Tébar ilay raharaha izay nahavoarohirohy olona dimy tamin'ny fiheverana fa nampiasa herisetra tamin'ny mpitandro filaminana izy ireo nandritra ilay hetsi-panoherana momba ny fampihenana ny tetibola ho an'ny fanabeazana tany Guadalajara :

Tsy misy meloka amin'ny raharaha Prestige ; fa ho an'ny fiarovana ny fanabeazam-bahoaka ? Efa-taona an-tranomaizina #MarcaEspaña [Mari-pamantarana ho an'i Espaina ] 

Nanoratra tao amin'ny bilaoginy amin'ny teny Espaniola La Caja de Pandora (Boatin'i Pandora) i Iván Pandora :

Un grupo de voluntarios trabaja, en la localidad de Muxía, en la limpieza del fuel vertido por el petrolero 'Prestige'. Foto de eldiario.es con licencia CC by SA

Any amin'ny faritr'i  Muxía, andianà mpiasa an-tsitrapo manadio ny solika verin'ilay sambo mpitondra solika Prestige. Sary nalain'i eldiario.es sy nampiasàna lisansa  CC , avy amin'i SA

 

Parece que el hecho de que ese barco (monocasco) – que según los expertos era muy anticuado y con medidas de seguridad más que precarias – tuviera permiso para navegar por las costas gallegas no es punible.

La controvertida decisión de alejar el barco y esparcir el fuel durante horas por toda la costa, tampoco.

La pésima gestión del gobierno y la lentitud por no decir inoperancia, parece que no merece ninguna disculpa oficial.

 

Araka ny filazan'ny manam-pahaizana dia tsy azo ampiharana sazy ity raharaha momba ilay sambo ‘monocoque’ ity, izay efa antitra sy manana fitaovam-piarovana amin'ny vonjy taitra tena tsy azo antoka – nomena alàlana hanaraka ny sisintanin'i Galice .

Mbola tsy azo saziana ihany koa, araka ny fahitàna azy, ilay didy hanesorana ilay sambo hiala ny morontsiraka, izay manaparitaka solika manerana ny faritra nandritra ora maro.

Ny fitantanana ratsy sy nitarazoky ny governemanta, mba tsy ilazana hoe tsy misy ilàna azy, dia tsy mendrika ny fialan-tsiny ôfisialy na dia kely akory aza.

Notsinian'i Juantxo López de Uralde, mpitoraka bilaogy, fa tsy mbola nisy mihitsy vesatra natao hanenjehana izay tompon'andraikitra voalohany amin'ilay loza mahatsiravina :

Ya al juicio se llegó sin que ninguno de los responsables políticos reales de aquella tragedia se sentaran en el banquillo. (…) Pero no sólo nos llama la atención la falta de políticos, sino también hay que preguntarse cómo es posible que ninguno de los responsables del fuel, del flete, de las compañías propietarias del buque… se sentaran en el banquillo. Pero es muy doloroso que quede impune la negligencia criminal de aquellos que mandaron el barco “al quinto pino”.

Vita ny fitsaràna nefa tsy nisy notsaraina na dia iray aza izay tompon'andraikitra ara-politika momba io raharaha io. (…) Fa tsy ny mpanao politika ihany no itodihantsika fa tsy maintsy manontany tena koa isika hoe ahoana no mampety izany hoe na iray aza tamin'ireo tompon'andraikitry ny solika, ny mpitondra entana, ny vondron'ny mpampanofa sambo… tsy nisy nipetraka tery amin'ny sezan'ny tsaraina. Fa ny tena mampahonena dia votsotra fotsiny tsy nisy nisazy ny an-tandrevaka nataon'ireo nandefa ilay sambo handeha eny an-dranomasina.

Nanapa-kevitra ny tsy hampakatra fitsarana ny vondronà mpandala ny tontolo iainana Nunca Máis, izay niforona noho ny fisian'ilay loza Prestige, toraka izany ihany koa ireo fikambanan'ny mpanjono eo amin'io faritra io, ny antony dia ny halafon'ny saran'ny fitsarana. Ireo mpandoa hetra no tena voa mafy amin'ity fahavoazana ity araka ny tatitry ny El Confidencial [es]:

Voluntarios limpiando la playa de Carnota (La Coruña). Captura de pantalla del vídeo «Historias del Chapapote» con licencia CC by SA 3.0

Ireo mpiasa an-tsitrapo manadio ny morontsiraka any Carnota (La Coruña). Dika sary avy amin'ny lahatsary «Historias del Chapapote» [Tantaran'ny tara] alàlana avy amin'ny  CC by SA 3.0

La sentencia considera que los únicos tres procesados por el accidente no incurrieron en ningún delito, por lo que no se le puede exigir responsabilidad civil a nadie. La consecuencia más importante es que los seguros del armador no cubrirán los gastos que generaron las labores de regeneración de la costa. (…) La Fiscalía cifró en 4.328 millones de euros los gastos y los daños generados (…). Pero el dictamen anula cualquier reclamación económica.

Lazain'ilay didim-pitsaràna fa ireo olona telo voahenjika ihany no tsy meloka, noho izany tsy misy olona azo terena ho tompon'andraikitra. Ny vokany iray lehibe izao dia tsy maharakotra akory ny saran'ny fanadiovana ny morontsiraka ny antoka nataon'ilay tomponà sambo.(…) Nolazain'ny tao amin'ny fitsarana fa manodidina ny 4,328 lavitrisa euros [ eo ho eo amin'ny 5,8 lavitrisa dolara Amerikana] ny sandany sy ny fahavoazana (…). Saingy nesorin'ilay didy avokoa ny fangatahana ara-toekarena rehetra.

Mety mbola hiakatra io sanda io raha toa ka mandresy ilay tetikasa Frantsay [es] hamelona indray ilay fangatahana ara-panjakana nataon'ny sendikan'ny fiarovana ny sisintanin'i Landes, faritra Frantsay iray tratran'ilay solika mainty, any amin'ny Fitsarana Avo Nasionaly andro vitsivitsy taorian'ilay fahavoazana :  Izao no nolazain'i Renaud Lahitète mpisolovava azy ireo :

Lo presentamos al día siguiente de llegar fuel a nuestras costas por precaución, para poder actuar en caso de que se dictaminase que no había delito penal, como así lo dice ahora la sentencia.

Natolotray ny ampitson'ny nahatongavan'ny solika teto amin'ny sisintaninay ihany ilay fitakiana ho fiomanana hahafahanay mihetsika raha toa ka hita fa tsy misy heloka vita, tahaka izao fanafahana madiodio izao.

Heverin'ny Greenpeace Espaina ilay fapahan-kevitra ho toy “karatra fotsy famelàna ny indostrian'ny solika hametraka ny tontolo iainana sy ny mponina hiatrika loza mitatao”. Izao no nolazain'i [es] María José Caballero talen'ny fanentanan'ilay fikambanana :

La sentencia demuestra que en España no estamos preparados para juzgar una catástrofe medioambiental, ni para condenarla, ni para defender el medio ambiente.

Asehon'ilay didim-pitsaràna fa tsy mbola vonona hitsara [eny amin'ny fitsaràna] ny zava-miseho manimba tontolo iainana i Espaina , na hanameloka azy, na hiaro ny tontolo iainana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.