Te-Hitolo-Batana Any Shina Indray Ilay Mpitolon'i Tiananmen Saingy Voatosi-Bohontanana

@zuola uploaded the photo of Wu'er Kaxi taken from the wanted criminal notice published in major newspapers 24 year-ago by the Chinese government.

@zuola namoaka ny sarin'i Wu'er Kaxi nalaina tamin'ny filazana jiolahy tadiavina vita printy tamin'ny gazety lehibe 24 taona lasa izay.

Wu'er Kaixi, mpianatra nanaovana fitadiavana tamin'ny hetsi-panoherana demokratika tao Tiananmen tamin'ny 1989, no nitolo-batana tamin'ny fitondrana any Hong Kong nandritra ny fiampitana tamin'ny dia avy any Taiwan ho any Bangkok. Nangataka ny ho aondrana any Shina Tanibe izy amin'ny maha-mpandositra azy.

Efa imbetsaka ny tenany no niezaka ny hitodi-doha any Shina hatramin'ny 2009 tao anatin'ny fanentanana nataon'ny Reverend Chu Yiu Ming tamin'ny 2007 hampodiana ireo sesintanin'i Tiananmen. Ny fanentanana “Fampodiana” dia ny hanohanana ireo mpikatroky ny demokrasia nanao sesintany hody sy ho tafaraka amin'ny fianakaviany.

Tamin'ny 2009, nolavina ny fidiran'i Wu'er Kaixi ho ao Macao; tamin'ny 2010 nosamborina noho ny fiezahany hiditra tao amin'ny Ambasady Shinoa tao Tokyo izy, ary tamin'ny 2012 dia tsy noraharahian'ny Masoivoho Shinoa izy rehefa nitolo-batana tany Washington D.C.

Toy ny teo fikasana teo aloha, tsy mbola nahomby hatrany i Wu'er Kaxi tamin'ity indray mitoraka ity. Tsy nanaiky ny hidirany ny governemanta tao Hong Kong, ka nandroaka azy niverina tany Taiwan taoriana kelin'ny fahatongavany.

Nanoratra toy izao tao amin'ny Twitter i Wu’ er Kaixi tokony ho tamin'ny iray ora folakandro:

Eto amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisampirenena eto Hong Kong aho amin'izao fotoana izao. Nankao amin'ny fitondrana tao an-toerana aho ary niteny azy ireo fa mpandositra izay karohan'ny fitondrana Shinoa ka te-hitolo-batana. Eto amin'ny faritra fisavana fifindramonina aho amin'izao fotoana izao. Ato ny fanambarana feno ataoko: wuerkaixi.com

Tamin'ity indray mitoraka ity i Wu'er Kaixi dia niaraka tamin'i Albert Ho, mpanao lalànan'ny Antoko Demokratikan'i Hong Kong ary mpitarika ny Zivan'i Hong Kong Manohana ny Hetsika Demokratika Tia Tanindrazana Ao Shina.

@wenyunchao, mpikatroka politika ao Shina Tanibe monina ao Etazonia amin'izao fotoana izao, namoaka ny sarin'i Wu'er Kaixi sy Albert Ho nopihana tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Taipei nialoha ny niaingany ho any Hong Kong ary nampiasa ny diezy (teny ifankafantarana) #Homecoming:

Wu'er nanazava ny antony nahatonga azy hitolo-batana tao amin'ny fanambarana nataony tao amin'ny bilaogy:

Since 1989, I have been in exile for 24 years, and have not been able to see my parents and other family members. My parents are old and in ill health. The Chinese government refuses to issue passports for them to travel aboard and visit me. My parents have been told clearly that the reason they will not be issued passports is that their son is a dissident. I would like to ask the Chinese government, is this behavior in keeping with the international treaties it has signed; is it true to the spirit of Chinese traditional values; is it in accordance with PRC law?

I believe the answer to those questions is, no, and that is why I feel I have no alternative but to turn myself in. I miss my parents and my family, and I hope to be able to be reunited with them while they are still alive, even if the reunion would have to take place behind a glass wall.

Hatramin'ny 1989, izany hoe efa 24 taona izao no efa sesintany aho ary tsy afa-nijery ny ray aman-dreniko na fianakaviana hafa. Efa antitra ny ray aman-dreniko ary marefo ny fahasalamany. Tsy manaiky ny hamoaka pasipaoro ho azy ireo hivoaka aty ivelany hitsidika ahy ny governemanta shinoa. Nolazaina mazava ny ray aman-dreniko fa ny antony tsy amoahana pasipaoro ho azy ireo dia noho ny zanany lahy mpisintaka ara-politika. Te-hanontany ny fitondrana shinoa aho, mifanaraka amin'ny lalàna iraisampirenena izay nosoniaviny ve izany; mety eo anatrehan'ny soatoavina nentim-paharazana shinoa ve izany; mifanaraka amin'ny lalànan'ny Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina ve izany?

Mino aho fa ny valin'ireo fanontaniana ireo dia tsia, ary izany no mahatonga ahy tsy mahita atao afa-tsy ny hoe izaho mihitsy no miverina. Malahelo ny ray aman-dreniko aho ary manantena fa mbola tafavory indray izahay dieny mbola velona ry zareo, eny fa na dia ho ambadiky ny rindrim-pitaratra aza no hisian'izany fihaonana izany.

Nohazavainy ihany koa ny antony nahatonga azy hisafidy an'i Hong Kong ho toeram-pidirana:

Since 2009, I have made similar attempts in Macau, Japan, and the United States to either enter China or Chinese embassies to face the Chinese government’s charges directly, but I have been denied every time. What I’m doing today is a result of the Chinese government’s absurd act of ordering my arrest, while at the same time refusing to allow me to return.

Assuming the Hong Kong government accepts the Chinese official position, which sees my participation in the 1989 student movement as part of a “conspiracy to subvert the government,” making me guilty of “counter revolutionary incitement,” the Hong Kong government should accept my request and help Chinese government to apprehend me. I understand that the transit area of Hong Kong International Airport is an international zone, but it is also an area within the Hong Kong government’s jurisdiction, and the Hong Kong authorities should at least consider my request to turn myself in.

If the Hong Kong government denies my request, and will neither arrest me nor help the Chinese government to apprehend me, I take this to mean that the Hong Kong government does not accept the People’s Republic of China’s official verdict on the Tiananmen student movement. If that is so, I appreciate it, and I then request the Hong Kong government stop denying Chinese dissidents the right to enter Hong Kong, giving me an opportunity to turn myself in to the Chinese liaison office in Hong Kong.

Hatramin'ny 2009, nanao toy izao aho tany Macao, tany Japana ary tany Etazonia hidirako any Shina na any amin'ny masoivoho shinoa mba hiatrika mivantana ny fiampangan'ny governemanta shinoa, saingy tsy navela hatrany aho. Izao ataoko izao dia avy amin'ny fahadalan'ny fanapahan-kevitry ny governemanta mandefa taratasy fisamborana ahy nefa mandrara ahy tsy hiverina.

Koa raha heverina fa mankatoa ny toerana ofisialin'ny Shinoa ny governemantan'i Hong Kong, izay mametraka ny fandraisako anjara tamin'ny fihetsiketsehana tamin'ny 1989 ho “tsikombakomba hanonganana ny governemanta”, ka mahatonga ahy ho meloka noho ny “fandrisihana hanohitra ny revolisiona”, dia tokony nanaiky ny fangatahako izy ary hanampy ny governemanta shinoa amin'ny fisamborana ahy. Fantatro fa faritra iraisampirenena ny toeram-pifindrana ao amin'ny seranampiaramanidin'i Hong Kong, saingy eo ambany lalànan'i Hong Kong, ary tokony mba hijery ny fangatahako hitolo-batana farafaharatsiny ny manampahefana ao Hong Kong.

Raha mandà ny fangatahako ny fitondrana ao Hong Kong, ka tsy misambotra ahy ary tsy manampy ny governemanta shinoa hisambotra ahy, dia raisiko izany ho tsy fankatoavan'ny fitondrana ao Hong Kong ny didy ofisialy navoakan'ny Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina momba ny hetsiky ny mpianatra tao Tiananmen. Raha izany, dia ekeko, ary dia mitaky ny fitondrana ao Hong Kong aho hampitsahatra ny fandavana ny Shinoa mpisintaka ny zony hiditra ao Hong Kong, hanome ahy fotoana hitolorako tena any amin'ny biraom-pifandraisana shinoa ao Hong Kong

Raha ny marina moa dia tsy mila manazava ny fijoroany ara-politika manoloana ny fihetsiketsehan'ny mpianatra tamin'ny 1989 ny fitondrana ao Hong Kong rehefa tsy nanao sonia fifanaraham-pamerenana hampody [zh, pdf] ireo voaheloka tamin'ny governemantan'ny Shina Tanibe izy. Saingy, tsy namela ireo Shinoa nisintaka maro fanta-daza ny manampahefana misahana ny fifindra-monina hatramin'ny namerenana azy amin'i Shina. Tamin'ity indray mitoraka ity moa izany dia nolavina ihany koany fidiran'i Wu'er Kaxi ka nandao ny seranam-piaramanidin'i Hong Kong izy ka niverina nankany Taiwan tokony ho tamin'ny efatra ora folakandro.

Na dia fohy aza ny fotoana nijanonan'i Wu'er Kaixi tao Hong Kong,dia niteraka adi-hevitra sy fanehoan-kevitra maro izany. Francis Chan naneho ny “mandrosoa” mafana tao amin'ny fanehoan-kevitra avy amin'ny tatitry ny Housenews:

He married to a Taiwanese and has Taiwan passport and should be allowed in as a Taiwanese. He is most welcome. Let him in and let him share his experience with our young. If he kept his mouth shut and laid low in in May-June 1989, he could have been a rich princeling. His dad used to be an important Uighur cadre in Xinjiang.

Nanambady Taïwaney izy ary manana pasipaoron'i Taiwan ka tokony heverina ho Taiwaney. Tongasoa izy. Avelao izy hidira hizara ny zava-niainany amin'ny tanora. Raha nanakombom-bava izy ary niondrika ambany tamin'ny mey-jona 1989, dia mety ho mpandovabe. Olona [Uighur] ambony tamin'ny asany tao Xinjiang ny rainy

Na izany aza, olona vitsy ihany no nankasitraka ny fihetsika nataon'i Wu'er Kaixi. Maro no naneho ny fahadisoam-panantenany manoloana ireo mpisintaka. Kelvin Kwok Fung Tang ohatra namoaka indray ity fanehoan-kevitra iray ity tamin'ny rojom-baovao maro tao amin'ny Facebook:

中共國的滅絶人性是肯定的。但是當初遠走高飛的吳爾開希離國後有想到要改變中國嗎?眾多受香港人協助逃出外國的所謂民運份子有團結起來改變中國嗎?沒有,似乎大都在外國畢業、結婚、離婚、賺錢就算了,如今自己父母老了又不能回國見父母,才知道要懊悔,那為何當初要辜負香港人對你的期望?為何辜負自己的理想?[…] 再三問問吾爾開希,這二十年來你在美國和台灣為華人作過任何貢獻嗎?

Mahalala ny rehetra fa tsy manana fihetseham-po ny [Antoko Komonista Shinoa]. Saingy te-hanova an'i Shina tokoa ve i Wu'er Kaxi? Moa ve nivondrona hanova an'i Shina ireo Shinoa mpisintaka maro avy amin'ny Shina Tanibe izay novonjen'ny vahoakan'i Hong Kong? Tsia. Maro tamin'izy ireo no nahazo ny diplaoman'ny Oniversiteny tany ampitan-dranomasina, nanambady, nisara-bady ary nahangona volabe. Ankehitriny efa antitra ny ray aman-drenin'izy ireny, dia nanenina ry zareo. Nandiso fanantenana anay sy ny hevitry ry zareo ihany ry zareo. […] Eto aho manontany an'i Wu'er Kaxi, nandritra izay 20 taona izay, inona no vitany tany Taiwan sy tany Etazonia ho fampandrosoana ny demokrasia any Shina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.