Miaraka Aminay Eny Foana Ny Aterineto N'aiza N'aiza Alehanay

Somary lehibe kokoa noho ireny boky mafy fono ireny monja, ny fitaovana fisintonana ny onjan'ny zanabolana dia ahafahana mahazo aterineto eny an-dàlana. Ka izany indrindra izao no azon'ny Rising Voices atao ! Ny vokatra vaovao Thuraya IP+ Terminal no manome anay fahafahana mahazo ny aterineto n'aiza n'aiza hanaovanay ny asanay, tsy misy hifandraisany amin'ny fahazoana ny aterineto eto an-toerana – amin'ny alalan'ny zanabolana Thuraya.

Manohana ny Global Voices ny Thuraya amin'ny alalan'ity fiaovana ity ary manome herintaona maimaim-poana hahafahana mahazo aterineto, ampiasain'ireo mpikambana ao amin'ny Rising Voices manokana. Nampahafantarina anay ny IP+ Terminal tamin'ny fivorian'ny Eurovision isan-taona, News Xchange tao Marrakech, Maroc ny 15 Novambra 2013 ho fideràna ny fihavaozan'ny asanay miaraka amin'ireo mediam-bahoaka.

Mbola mijanona ho olana ny fahazoana aterineto ho an'ireo firah-monina maro iasanay. Manana vatsy izahay amin'ny trangan-javatra maro isan-karazany amin'ny alalan'ity fitaovana ity. Mahazo aterineto foana izahay amin'ny toerana rehetra eny fa na dia any amin'ny toerana tsy tokony hisy izany aza. Manokatra làlana maro vaovao hanganana tetikasa sy hampianarana izany. Noho izany dia eo am-pieritreretana hevitra vaovao izahay, no sady mampiasa azy ho fanohanana ny asa efa ataonay.

terminal

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.