Global Voices Meetup Any Skopje, Makedonia

gv-meetup-logo-gvmeetup-400Ny Global Voices teny Makedoniana dia faly manasa anareo amin'ny fihaonan'ny mpikambana sy mpanohana ny fikambanana, hotontosaina amin'ny Asabotsy, 30 Novambra 2013 manomboka amin'ny 12:00 ka hatramin'ny 15:00 ao amin'ny GEM Club ao Skopje, Makedonia.

Mandritra ny lanonana no androsoanay ny fahafaha-miditra ho ao amin'ny fikambanamben'ny Global Voices, sy ny fahafaha-miditra ihany koa amin'ny vatsikelin'ny Rising Voices. Ny lanonana dia nampiasaina hanamafisana ny fikambanan'ny Global Voices ao Makedonia, iarahan'ny mpikambana vaovao sy tranainy mamaritra miaraka ny hoavin'ny ekipa.

Ao anatin'ny lohahevitra ifampiresahana ny :

  • Inona no ahatongavantsika eto ary inona ny tiantsika hotontosaina?
  • Jery ankapoben'ny asa ataonay ato amin'ny Global Voices, izay ahitana ny Rising Voices, Advox, ary ny Lingua
  • Ahoana ny fanatsarana atao hahazoana vatsy kely avy amin'ny Rising Voices
  • Inona no azontsika tao hanamafisana ny Global Voices ao amin'ny fikambanantsika

Raha tianao ny hanatrika izany, ka tianay ny hahafantarana izany, dia miangavy anao fenoy ity fisoratana anarana manaraka ity, mba hahalalanay marina sy tsaratsara kokoa ny isan'ny mpandray anjara: http://0.mk/GVMeetup

Gvmk-meetup

Asabotsy mifankahita!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.