Nahoana Ny CNN No Nahazo Dera sy Laza Tamin'ny Fitantarany Ny Rivo-doza Tao Filipina

CNN's Anderson Cooper reporting from Tacloban, Philippines. Photo from CNN website

Anderson Cooper avy ao amin'ny CNN, mitati-baovao avy ao Tacloban, Filipina. Sary tao amin'ny habaky ny CNN

 

 

Anisan'ny fampahalalam-baovao manerantany voalohany tonga tao Filipina ny CNN mba hitatitra ny fahasimbana navelan'ny rivo-doza mahery vaika Haiyan (Yolanda). Maro ireo mponina ao Filipina no nankasitraka ny fitantarana betsaka navoakan'ny CNN nandritra sy taorian'ny rivo-doza namely ny faritra afovoany ao amin'ny firenena.

Oaie, Betsaka ny fitantaran'ny CNN ny Rivo-doza mahery vaika Haiyan/Yolanda noho ny fitantaran'ny tao an-toerana. Tsy niahiahy aho mandra-pijeriko ny fahitalavitra CNN 🙁

Misaotra CNN tamin'ny fitantarana betsaka! Niraikitra taminao i Filipina

Maro ihany koa ireo nankasitraka ny fahatongavan'ilay mpanolotra  vaovao ao amin'ny CNN, Anderson Cooper izay nitatitra mivantana ny tao Tacloban, toerana nandalovan'ny rivo-doza indrindra.

Aleoko matoky ny olona nidina teny ifotony tahaka an'i @andersoncooper toy izao ireo vaovao ao an-toerana

@andersoncooper, raha manara-maso/manamarika ireo mpanao gazety tahaka anao, mety hipaka tsara any amin'ireo olona tokony andefasana azy ireo fanomezana

Nilaza momba ny fitarainan'ireo niharam-boina manoloana ny fitaredretran'ny fizarana ireo fanomezana sy ireo karazana fanampiana hafa avy amin'ny governemanta i Anderson. Mpanao gazety Filipiana Gel Santos Relos mihevitra fa tsy mitanila i Anderson amin'ny fitateram-baovao ataony:

I personally think Anderson and the reporters and experts have been objective in the way they have covered the situation in Leyte — pointing out the intensity and magnitude of Yolanda, the effect of storm Zoraida on relief operations, the challenges brought about by geography, etc.

CNN is not there to “demolish” the image of the Philippines. They are in fact helping our kababayans by reporting things as they see them, so the international community can respond accordingly.

Mino manokana aho fa tsy mitanila i Anderson sy ireo mpanangom-baovao ary manam-pahaizana tamin'ny fomba nitaterana ny zava-misy tao Leyte – nanipika ny hamafy sy ny herin'i Yolanda, ny vokatry ny tafiotra Zoraida tamin'ny hetsika fanampiana, ireo olana ateraky ny jeografia, sns .

Tsy “hanimba” ny endrik'i Filipina no ahatongavan'ny CNN. Fa ny hanampy ireo “kababayana”-ntsika amin'ny fitantarana izay zavatra hitan'izy ireo, mba ahafahan'ny fikambanana iraisam-pirenena hihetsika avy eo. 

Tsy nanaiky izany kosa anefa ilay mitovy asa aminy sady olo-malazan'ny fampitam-baovao Korina Sanchez. Nitsikera an'i Anderson izy tamin'ny tafa nataony tao amin'ny fampielezam-peo:

Itong si Anderson Cooper, sabi wala daw government presence sa Tacloban. Mukhang hindi niya alam ang sinasabi niya.

Nilaza ity Anderson Cooper ity fa tsy nisy governemanta tonga tao Tacloban. Toa tsy fantany akory izay lazainy.

Maro ireo naneho hevitra manohitra mafy an'i Korina ary niampanga azy ho mipetrapetraka tsara ao amin'ny birao ao  Manila tsy tahaka an'i Anderson nidina teny ifotony nitatitra ny vaovao. Ny ampitso,  nidina tao an-tanànan'i Ormoc i Korina (tanàna hafa voakasika mafy tao amin'ny faritra Leyte), izay nitaterany ny zava-nitranga tamin'ireo lasibatry ny rivo-doza.

Toa nandre momba izany tsikera nataon'i Korina izany i Anderson. Ary niaro ny fahamarinan'ny vaovao navoakany ary nanasa an'i Korina hankao Tacloban:

Ms Sanchez is welcome to go there and I would urge her to go there. I don’t know if she has but her husband’s the Interior minister. I’m sure he can arrange a flight

Tsara raha mankany Ramatoa Sanchez ary amporisihako izy mba ho any. Tsy fantatro raha handeha izy kanefa afaka mikarakara ny diany ny vadiny, minisitry ny Atitany

Marina ny an'i Anderson raha nanipika fa i Korina dia vadin'i Mar Roxas, sekretera ao amin'ny Departemantan'ny Atitany sady Governemanta ao an-toerana ary lehiben'ny antokon'ny fitondrana, Antoko Liberaly. Manohana an'i Anderson ny ankamaroan'ny fanehoan-kevitry ny mpiserasera.

Mandritra izany, nampitandrina ny olona i Yasmin Arquiza mba tsy hanaiky avy hatrany izay vaovao avoakan'ireo “mpanao gazety voatendry tampoka”:

The problem in reporting a disaster of this magnitude, stretching across a string of islands hundreds of kilometers apart from east to west, is that the stories often resemble the tale of the six blind men and the elephant – depending on who's touching which part of the animal, you'll get a different description each time. Most of the images have been distressing, and it's often hard to tell if the reports from parachute journalists – we haven't seen this many since the days of coup d'etats in these parts – are mostly anecdotal or very much reflective of the reality in the field, given the tendency of foreign correspondents to generalize situations at times.

Ny olana amin'ny fitateram-baovao momba ny loza goavana tahaka izao, izay mivelatra manerana ny nosy aminà kilometatra an-jatony manomboka ao atsinanana hatrany andrefana, dia matetika mitovy amin'ny tantaran'ireo lehilahy enina jamba sy ny elefanta ny fitantarana - miankina amin'izay faritra voakasika amin'ny biby, ho samihafa hatrany ireo famariparitana hitanao. Mahasosotra ny ankamaroan'ny sary, ary matetika sarotra ny milaza raha milaza trangan-javatra niavaka manokana ny tati-baovao avy amin'ireo mpanao gazety voatendry tampoka – tsy nahita izany loatra isika hatramin'ny fanonganam-panjakana tao amin'ity faritra ity – na mitaratra kokoa ny zava-misy eny an-toerana, satria iaraha-mahita ny fironan'ireo mpanao gazety vahiny [mi-“generaliser”] manonona ny zavatra hitany ho mitranga manontolo ao amin'ny firenena.

Manome ohatra tsara momba ny fanaovan-gazety nompanao gazety notendrena tampoka sy ny fanaitairana (tafahoatra) ny fitantarana ny rivo-doza haiyan tao Tacloban nataon'i Anderson Cooper.

Tokony hitohy ny tsikera manoloana ny fitaredretran'ny hetsika fanampiana avy amin'ny governemanta, hoy ny Profesora Gerry Lanuza :

Without CNN Anderson Cooper's criticism of relief operation, Korina Sanchez would have not gone to Tacloban; without the victims complaining themselves, the government would have continued its failed response, without the vigilance and criticism against government bureaucracy the relief good would have been hijacked and used for political purposes.

Raha tsy misy ny tsikera nataon'i Anderson Cooper avy ao amin'ny CNN momba ny hetsika fanampiana, tsy nankany Tacloban i Korina Sanchez, raha tsy misy ny fitarainana nataon'ireo niharam-boina, hanohy ny valin-teniny tsy mahomby ny governemanta, raha tsy misy ny fahamalinana sy tsikera momba ny asam-biraon'ny governemanta, efa voahodina na nampiasaina tamin'ny resaka politika ireo fanampiana ilaina amin'ny andavanandro.

Mpampianatra lalàna Florin Hilbay nisioka ity fampatsiahivina ity ho an'ireo mpanao gazety. Law professor Florin Hilbay tweets this reminder to reporters

tsy ijerena izay tohananareo, tsy tokony ireo mpanao gazety no atao vaovao

Ayee Macaraig nanoratra momba ireo fanehoan-kevitra isan-karazany tao Filipina mikasika ny fitantarana momba ny rivo-doza nataon'ny CNN:

CNN’s coverage of the typhoon has divided Filipinos on social media, with some praising the network for its extensive coverage and for calling out the Philippine government over the slow relief efforts. Others though criticized CNN for “parachute journalism” and for resorting to blaming the government instead of understanding the logistical problems involved.

Nampizarazara ireo Filipiana tao amin'ny media sosialy ny fitantarana momba ny rivo-doza nataon'ny CNN, ny sasany nidera ity tambajotra ity noho ny fitantarana mivelatra kokoa ary niantso ny governemanta ao Filipina manoloana ny fitaredretran'ny hetsika fanampiana. Ny hafa kosa nitsikera ny CNN ho “asa fanaovan-gazety voatendry tampoka» ary nanome tsiny ny governemanta raha tokony hahafantatra ny olana ara-pitaovana ilaina amin'izany

Ny nahaliana, nisy “meme” malaza momba ny fandokafana nataon'ny CNN mikasika ny fialàn'ireo Filipiana taorian'ny loza naterak'i Haiyan. Saingy ny tena marina dia fanehoan-kevitra ao amin'ny lahatsoratry ny CNN momba ny loza ilay «fandokafana».

A 'CNN comment' which went viral in the Philippines. Image from Filipino FreeThinkers website

Fanehoan-kevitry ‘CNN nanjary nalaza tao Filipina. Sary tao amin'ny habaky Filipino FreeThinkers

Nanazava ny antony mahatonga ireo Filipiana matoky ny sarin'ny CNN ny Seekers Portal:

I believe that the reason why this “edited CNN photo” went viral was because, we Filipinos want to somehow alleviate the sufferings of our typhoon-and-earthquake-stricken countrymen, by sharing some encouragement.

Mino aho fa ny antony mahatonga ity “sarin'ny CNN” ity ho malaza dia satria, isika Filipiana dia te-hanamaivana ny fijaliana nateraky ny rivo-doza sy horohorontany namely ny firenena, amin'ny alalan'ny fifampizarana fampaherezana.

Saingy nandoka ireo Filipiana ny CNN raha nametraka ny fanehoan-keviny tao amin'ny vaovaony omaly i Anderson:

They’re bowed perhaps, tired and traumatized, but they are not broken. Mabuhay Philippines, maraming salamat (thank you very much) for all you’ve shown us. Maraming salamat for showing us all how to live

Angamba mitanondrika, reraka ary voadona ara-tsaina izy ireo, saingy tsy kivy izy ireo. Mabuhay Philippines, maraming Salamat (misaotra betsaka) tamin'izay rehetra nasehoanareo anay. Maraming salamat tamin'ny fanehoana anay rehetra ny fomba fiaina

Araka ny efa nampoizina, nankasitraka ity fanamarihana ity ireo Filipiana.

Noho ny tatitra mari-pototra avy amin'i Anderson Cooper, nifoha tamin'ny torimasontsika mahita ny toe-draharaha tokoa tsy nisy fitongilanana isika Filipina. Misaotra ry CNN sy Anderson

Nandritra izany, nisy ireo tsy faly tamin'ny fandraisana VIP (olo-manakaja manokana) nataon'ny governemanta hoan'ireo ekipa mpanao gazetin'ny CNN. Misy ireo fampahalalam-baovao tao an-toerana sasantsasany niampanga ny fiadidian'ny filoha ho ‘babysitting’ mitrotro mandrotsirotsy ny mpanangom-baovaon'ny CNN.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.